Tantara Voalohany 7:1-40

7  Ny zanakalahin’i Isakara dia i Tola, Poha, Jasoba, ary Simrona.+ Efatra izy ireo. 2  Ny zanakalahin’i Tola dia i Ozy, Refaia, Jeriela, Jamay, Jibsama, ary Semoela, izay samy lohan’ny fianakaviambeny. Nisy miaramila matanjaka tamin’ny taranak’i Tola, ka 22 600 ny isany tamin’ny andron’i Davida. 3  Ary ny taranak’i* Ozy dia i Jizrahia sy ireto zanakalahin’i Jizrahia ireto: Mikaela, Obadia, Joela, ary Jisia. Samy lehiben’ny* fianakaviany izy dimy ireo. 4  Nanana vady aman-janaka be dia be izy ireo sy ny taranany. Nisy 36 000 àry ny miaramila vonona handeha hiady tao amin’ny tafiny, avy amin’ny fianakaviambeny. 5  Ary miaramila matanjaka ireo rahalahiny ao amin’ireo fianakavian’i Isakara, ka 87 000 izy ireo no voasoratra ao amin’ny tetirazana.+ 6  Ny zanakalahin’i Benjamina+ dia i Bela+ sy Bekera+ ary Jediaela.+ Telo izy ireo. 7  Ny zanakalahin’i Bela dia i Ezbona, Ozy, Oziela, Jerimota, ary Iry. Dimy izy ireo, ary lohan’ny fianakaviambeny sady miaramila matanjaka. Nisy 22 034 izy ireo no voasoratra ao amin’ny tetirazany.+ 8  Ny zanakalahin’i Bekera dia i Zemira, Joasy, Eliezera, Elioenay, Omry, Jeremota, Abia, Anatota, ary Alemeta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Bekera. 9  Nisy 20 200 ny miaramila matanjaka, araka ny lisitry ny lohan’ny fianakaviambeny sy ny taranany voasoratra ao amin’ny tetirazany. 10  Ary ny taranak’i Jediaela+ dia i Bilana sy ireto zanakalahin’i Bilana ireto: I Jeosy, Benjamina, Ehoda, Kenana, Zetana, Tarsisy, ary Ahisahara. 11  Taranak’i Jedaiela izy rehetra ireo. Tamin’izy ireo, dia nisy miaramila matanjaka 17 200 izay vonona hiditra tao amin’ny tafika mba ho any an’ady, araka ny lisitry ny lohan’ny fianakaviambeny. 12  Taranak’i Iry+ ny fianakavian’i Sopima sy Hopima. Taranak’i Ahera kosa ny fianakavian’i Hosima. 13  Ny zanakalahin’i Naftaly+ dia i Jaziela, Gony, Jezera, ary Saloma. Taranak’i* Bilaha izy ireo.+ 14  Ny zanak’i Manase+ dia i Asriela, izay naterak’ilay vadikeliny syrianina taminy.—Niteraka an’i Makira+ rain’i Gileada koa izy io. 15  Naka vady ho an’i Hopima sy Sopima i Makira, ary Maka no anaran’ny anabaviny.—Zelofada+ no anaran’ny zanak’i Manase faharoa. Tsy niteraka afa-tsy zanakavavy anefa i Zelofada.+ 16  Nitera-dahy i Maka vadin’i Makira, ka nataony hoe Paresy ny anarany. Saresy no anaran’ny rahalahiny, ary i Olama sy Rekema no zanany. 17  Ny zanakalahin’i* Olama dia i Bedana. Ireo no taranak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase. 18  I Hamoleketa no anabaviny. Niteraka an’i Isehoda sy Abi-ezera ary Mahala izy io. 19  Ny zanakalahin’i Semida dia i Ahiana, Sekema, Liky, ary Aniama. 20  Ny zanakalahin’i Efraima+ dia i Sotela.+ I Sotela niteraka an’i Bareda, Bareda niteraka an’i Tahata, Tahata niteraka an’i Elada, ary Elada niteraka an’i Tahata. 21  I Tahata niteraka an’i Zabada, ary Zabada niteraka an’i Sotela. Zanak’i Efraima koa i Ezera sy Elada. Nidina hangalatra ny biby fiompin’izy ireo ny olona teratany tao Gata,+ dia namono azy ireo. 22  Dia nisaona nandritra ny andro maromaro i Efraima rainy, ka tonga nampionona azy ny rahalahiny. 23  Nanao firaisana tamin’ny vadiny izy, taorian’izay. Dia bevohoka ilay vadiny ka nitera-dahy. Nataon’i Efraima hoe Beria* anefa ny anarany, satria nisy fahoriana tao amin’ny fianakaviany tamin’ny fotoana niterahan’ny vadiny. 24  Ary ny zanany vavy dia i Sera, ilay nanorina an’i Beti-horona Ambany+ sy Ambony+ ary Ozena-sera. 25  Niteraka an’i Refa sy Rasefa izy. Ary i Rasefa niteraka an’i Tela, ary Tela niteraka an’i Tahana, 26  ary Tahana niteraka an’i Ladana, ary Ladana niteraka an’i Amihoda, ary Amihoda niteraka an’i Elisama, 27  ary Elisama niteraka an’i Nona, ary Nona niteraka an’i Josoa.*+ 28  Ary ny taniny sy ny tanàna keliny dia i Betela+ sy ny tanàna niankina taminy.* Ary ny tany atsinanana dia i Narana, ary ny tany andrefana dia i Gazera sy ny tanàna niankina taminy. Teo koa i Sekema sy ny tanàna niankina taminy, hatrany Aiha* sy ny tanàna niankina taminy. 29  Ary ny teo akaikin’ny tanin’ny taranak’i Manase dia i Beti-sana+ sy ny tanàna niankina taminy, Tanàka+ sy ny tanàna niankina taminy, Megido+ sy ny tanàna niankina taminy, ary Dora+ sy ny tanàna niankina taminy. Tany amin’ireo ny taranak’i Josefa zanak’i Israely no nipetraka. 30  Ny zanakalahin’i Asera dia i Jimna, Jisva, Jisvy, ary Beria.+ I Sera no anabavin’izy ireo.+ 31  Ny zanakalahin’i Beria dia i Hebera sy Malkiela rain’i Birzavita. 32  I Hebera niteraka an’i Jafleta, Somera, Hotama, ary Soa anabavin’ireo. 33  Ny zanakalahin’i Jafleta dia i Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin’i Jafleta. 34  Ny zanakalahin’i Samera* dia i Ahia, Rohaga, Hoba, ary Arama. 35  Ny zanakalahin’i Helema* rahalahiny dia i Zofa, Jimna, Selesy, ary Amala. 36  Ary ny zanakalahin’i Zofa dia i Soha, Harnefera, Soala, Bery, Jimra, 37  Bezera, Hoda, Sama, Silsa, Jitrana, ary Bera. 38  Ny zanakalahin’i Jatera dia i Jefone sy Pispa ary Ara. 39  Ny zanakalahin’i Ola dia i Ara sy Haniela ary Rizia. 40  Ireo rehetra ireo no taranak’i Asera, izay samy lohan’ny fianakaviambeny. Miaramila voafantina sy matanjaka koa izy ireo, sady lohan’ny mpiadidy. Nisy 26 000 ny isan’izy ireo,+ araka ny voasoratra tao amin’ny tetirazana.+ Tao amin’ny tafika izy ireo ary vonona handeha hiady.

Fanamarihana

Abt: “lohan’ny.”
Abt: “zanakalahin’i.”
Abt: “Zanakalahin’i.”
Abt: “Ireo zanakalahin’i.”
Midika hoe “Nisy Fahoriana.”
Midika hoe “I Jehovah dia Famonjena.”
Na: “nanodidina azy.”
Na mety hoe “Gaza”, fa tsy ilay Gaza tany Filistia.
Antsoina koa hoe Somera eo amin’ny and. 32.
Azo inoana hoe ilay “Hotama” eo amin’ny and. 32 ihany.