Tantara Voalohany 8:1-40

  • Taranak’i Benjamina (1-40)

    • Ny razamben’i Saoly sy ny taranany (33-40)

8  Ireto avy no naterak’i Benjamina:+ I Bela+ no lahimatoa, Asbela+ no faharoa, Ahara no fahatelo, 2  Noha no fahefatra, ary Rafa no fahadimy. 3  Ny zanakalahin’i Bela dia i Adara, Gera,+ Abihoda, 4  Abisoa, Namàna, Ahoa, 5  Gera, Sefofana, ary Horama. 6  Ireto avy ny zanakalahin’i Ehoda, izay samy lohan’ireo fianakaviamben’ny mponina tao Geba,+ sady natao sesitany tany Manahata: 7  I Namàna sy Ahia ary Gera. I Gera no nitondra azy ireny tany an-tsesitany. Izy no niteraka an’i Oza sy Ahihoda. 8  Niteraka tany amin’ny faritr’i* Moaba i Saharaima rehefa avy nandroaka an’ireny. Ary i Hosima sy Bara no vadiny.* 9  Ilay vadiny atao hoe Hodesy kosa no niterahany an’i Jobaba, Ziba, Mesa, Malkama, 10  Jeoza, Sakia, ary Mirma. Ireo no zanakalahiny, izay samy lohan’ny fianakaviambe. 11  I Hosima indray no niterahany an’i Abitoba sy Elpala. 12  Ary ny zanakalahin’i Elpala dia i Ebera sy Misama ary Samada izay nanorina an’i Ono+ sy Loda+ ary ireo tanàna niankina taminy,* 13  Beria, ary Sema. Lohan’ireo fianakaviamben’ny mponina tao Aialona+ izy ireo, ary nandroaka ny mponina tao Gata. 14  I Ahio, Sasaka, Jeremota, 15  Zebadia, Arada, Edera, 16  Mikaela, Jispa, ary Joha no zanakalahin’i Beria. 17  I Zebadia, Mesolama, Hizky, Hebera, 18  Jismeray, Jizlia, ary Jobaba no zanakalahin’i Elpala. 19  I Jakima, Zikry, Zabdy, 20  Elienay, Ziletahy, Eliela, 21  Adaia, Beraia, ary Simrata no zanakalahin’i Simey. 22  I Jispana, Ebera, Eliela, 23  Abdona, Zikry, Hanana, 24  Hanania, Elama, Antotia, 25  Jifdia, ary Penoela no zanakalahin’i Sasaka. 26  I Samseray, Seharia, Atalia, 27  Jaresia, Elia, ary Zikry no zanakalahin’i Jerohama. 28  Lohan’ny fianakaviambe izy ireo, araka ny voasoratra tao amin’ny tetirazana. Nipetraka tao Jerosalema izy ireo. 29  Nipetraka tao Gibeona+ i Jeiela rain’i Gibeona, ary Maka no anaran’ny vadiny.+ 30  I Abdona no zanany lahimatoa, ary nanarakaraka azy i Zora, Kisy, Bala, Nadaba, 31  Gedora, Ahio, ary Zakera. 32  I Miklota niteraka an’i Simea. Nipetraka teny akaikin’ny rahalahiny tao Jerosalema daholo izy ireo, niaraka tamin’ny rahalahiny hafa. 33  I Nera+ niteraka an’i Kisy, ary Kisy niteraka an’i Saoly.+ I Saoly indray niteraka an’i Jonatana,+ Malkisoa,+ Abinadaba,+ ary Esbala.*+ 34  Ny zanakalahin’i Jonatana dia i Meri-bala,*+ ary i Meri-bala niteraka an’i Mika.+ 35  Ny zanakalahin’i Mika dia i Pitona, Meleka, Tarea, ary Ahaza. 36  I Ahaza niteraka an’i Joada, ary Joada niteraka an’i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry. I Zimry niteraka an’i Moza, 37  Moza niteraka an’i Binea, Binea niteraka an’i Rafa, Rafa niteraka an’i Elasa, ary Elasa niteraka an’i Azela. 38  Nanan-janakalahy enina i Azela ka ireto avy ny anarany: Azrikama, Bokero, Ismaela, Searia, Obadia, ary Hanana. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Azela. 39  Ireto avy ny zanakalahin’i Eseka rahalahiny: I Olama no lahimatoa, Jeosy no faharoa, ary Elifeleta no fahatelo. 40  Miaramila matanjaka ny zanakalahin’i Olama sady nahay nampiasa* tsipìka. Nanana zanaka aman-jafy be dia be izy ireo, ka 150 ny isany. Ireo rehetra ireo no taranak’i Benjamina.

Fanamarihana

Abt: “tany ambanivohitr’i.”
Na mety hoe “rehefa avy nandroaka an’i Hosima sy Bara vadiny izy.”
Na: “nanodidina azy.”
Antsoina koa hoe Isboseta.
Antsoina koa hoe Mefiboseta.
Abt: “sady nanitsaka.”