1 Tesalonianina 3:1-13

3  Koa rehefa tsy zakanay intsony ny tsy nahita anareo, dia naleonay nilaozana ho irery tany Atena+ izahay,  ka nirahinay i Timoty,+ rahalahinay sady mpanompon’Andriamanitra mitory ny vaovao tsara+ momba an’i Kristy, mba hanatanjaka anareo sy hampahery anareo hanamafy ny finoanareo.  Amin’izay dia tsy hisy aminareo ho voahozongozon’izao fahoriana izao.+ Fantatrareo tsara mantsy fa efa voatendry ho amin’izany isika.+  Fony teo aminareo koa izahay, dia matetika no nilaza mialoha+ taminareo fa tsy maintsy hampahorina isika.+ Ary izany tokoa no nitranga, araka ny efa fantatrareo.+  Izany indrindra no antony nanirahako azy rehefa tsy zakako intsony ny tsy nahita anareo, mba hahalalako raha mbola tsy mivadika ianareo,+ sao mantsy naka fanahy anareo ilay Mpaka fanahy,+ ka ho very maina ny asa mafy nataonay.+  Fa vao izao mihitsy i Timoty no tonga atỳ aminay rehefa avy tany aminareo,+ ka nitondra ny vaovao tsara momba ny tsy fivadihanareo sy ny fitiavanareo.+ Nilaza koa izy fa mbola misy fahatsiarovana tsara momba anay foana ao aminareo, ka manina anay ianareo, toa anay aminareo koa.+  Izany, ry rahalahy, no antony nahazoanay fampiononana+ noho ny aminareo, na eo aza ny fahantranay sy ny fahorianay rehetra, satria tsy mivadika ianareo.+  Velombelona mantsy izahay ankehitriny raha mafy orina ao amin’ny Tompo ianareo.+  Koa fisaorana manao ahoana no hatolotray an’Andriamanitra, ho valin’ny fifaliana rehetra iravoravoanay+ noho ny aminareo, eo anatrehan’Andriamanitsika? 10  Mbola mitalaho+ fatratra, andro aman’alina koa izahay, mba hifanatri-tava aminareo sy hameno ny tsy ampy amin’ny finoanareo.+ 11  Koa enga anie ilay Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Tompontsika+ hitarika soa aman-tsara ny dianay ho any aminareo! 12  Ary enga anie ny Tompo hampitombo+ be tokoa ny fifankatiavanareo sy ny fitiavanareo ny olona rehetra,+ tahaka ny itomboan’ny fitiavanay anareo koa! 13  Amin’izay dia hohatanjahiny sy hataony tsy misy tsiny+ ny fonareo, raha ny amin’ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, rehefa hanatrika+ i Jesosy Tompontsika, miaraka amin’ny olony masina rehetra.+

Fanamarihana