1 Tesalonianina 4:1-18

4  Farany, ry rahalahy, izao no angatahinay aminareo sy ananaranay anareo amin’ny alalan’i Jesosy Tompo: Nandray toromarika avy taminay ianareo ny amin’ny fomba tokony handehananareo+ sy hampifalianareo an’Andriamanitra. Toy izany no efa andehananareo, ka tohizo hatrany izany ary ataovy bebe kokoa aza.+  Fa fantatrareo ny didy+ nomenay anareo avy tamin’i Jesosy Tompo.  Fa izao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo+ ka hifadianareo ny fijangajangana+  sy hahaizanareo tsirairay hifehy tena,*+ amin’ny fahamasinana+ sy ny haja,  fa tsy amin’ny filan’ny nofo tsy mety afa-po,+ toy ny filan’ny hafa firenena+ tsy mahalala an’Andriamanitra.+  Sitrapony koa ny hanamasinana anareo ka tsy hisy aminareo ho tonga hatramin’ny fanimbana ny rahalahiny, ka hanitsakitsaka ny zony amin’izany lafiny izany,+ satria i Jehovah no mitaky sazy noho izany rehetra izany,+ araka ny efa nolazainay mialoha sy efa nohazavainay tsara taminareo.+  Fa Andriamanitra tsy niantso antsika mba hilefitra amin’ny fahalotoana, fa niantso antsika kosa ho amin’ny fahamasinana.+  Koa izay tsy miraharaha+ àry, dia tsy olona no tsy raharahainy, fa Andriamanitra+ izay mametraka ny fanahiny masina+ ao anatinareo.  Raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy+ kosa, dia tsy misy tokony hosoratanay aminareo, satria ianareo efa ampianarin’Andriamanitra+ hifankatia,+ 10  ary izany no efa ataonareo amin’ny rahalahy rehetra eran’i Makedonia. Mampirisika anareo ihany anefa izahay, ry rahalahy, mba hanohizanareo hanao izany bebe kokoa, 11  ary mba hataonareo tanjona ny hiaina amim-pilaminana,+ sy ny tsy hitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa,+ ary ny hiasa amin’ny tananareo,+ araka ny nandidianay anareo. 12  Amin’izay dia hitondra tena tsara+ eo anatrehan’ny olona eny ivelany+ ianareo, ary tsy hisy hahory anareo.+ 13  Tsy tianay tsy ho fantatrareo koa, ry rahalahy, ny amin’ireo nodimandry,*+ mba tsy halahelovanareo tahaka ny hafa izay tsy manana fanantenana.+ 14  Fa raha mino isika fa maty i Jesosy ary efa nitsangana,+ dia mino koa isika fa hoentin’Andriamanitra hiaraka amin’i Jesosy ireo nodimandry ao aminy.+ 15  Fa izao no lazainay aminareo araka ny tenin’i Jehovah:+ Isika izay velona ka mahatratra ny fanatrehan’ny Tompo,+ dia tsy mba hialoha mihitsy an’ireo efa nodimandry, 16  satria ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra+ ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely+ sady hihazona ny trompetran’Andriamanitra.+ Koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany.+ 17  Ary aorian’izay, isika izay velona ka mahatratra izany fanatrehany izany, mbamin’izy ireo koa,+ dia hoentina+ anaty rahona,+ mba hihaona+ amin’ny Tompo eny amin’ny rivotra. Dia hiaraka amin’ny Tompo foana isika.+ 18  Koa aoka izany teny izany no hoentinareo hifampiononana mandrakariva.

Fanamarihana

Na: “hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo.”
A.b.t.: “natory (ao amin’ny fahafatesana).”