1 Timoty 3:1-16

3  Azo antoka izao teny izao:+ Raha misy olona miezaka ho tonga mpiandraikitra,+ dia maniry asa tsara izy.  Koa ny mpiandraikitra àry dia tokony ho tsy misy hokianina,+ manambady tokana, mahay mandanjalanja+ eo amin’izay zavatra fanaony, olona misaina tsara,+ tia filaminana,+ tia mandray vahiny,+ mahay mampianatra,+  tsy mpimamo mila ady,+ tsy mpikapoka+ fa mpandefitra,*+ tsy mpila ady,+ tsy tia vola,+  mahay mitondra ny ankohonany,+ sady manana zanaka manaiky azy amim-panajana,+  —fa raha misy tokoa lehilahy tsy mahay mitondra ny ankohonany, ataony ahoana no fikarakara ny fiangonan’Andriamanitra?—  tsy zazavao amin’ny finoana,+ fa sao izy hirehareha+ ka hihatra aminy koa ny fanamelohana azon’ny Devoly.+  Tokony ho tsara laza eo amin’ny olona eny ivelany+ koa izy, mba tsy ho afa-baraka na ho latsaka ao amin’ny fandriky+ ny Devoly.  Ny mpanampy amin’ny fanompoana+ koa dia tokony ho mato-tsaina, tsy mivadibadi-dela, tsy mpiboboka divay, tsy tia tombony azo tamin’ny tsy marina,+  mitana ny zava-miafina masina+ ny amin’ny finoana, amin’ny feon’ny fieritreretana madio.+ 10  Ary aoka aloha izy hozahan-toetra+ mba ho hita raha mendrika, vao manao ny asan’ny mpanompo, noho izy tsy misy hokianina.+ 11  Tokony ho mato-tsaina koa ny vehivavy, fa tsy ho mpanendrikendrika,+ ary tokony hahay handanjalanja+ eo amin’izay zavatra fanaony, sy ho mendri-pitokisana amin’ny zavatra rehetra.+ 12  Aoka ny mpanampy amin’ny fanompoana hanambady tokana,+ hahay hitondra ny zanany sy ny ankohonany.+ 13  Fa izay manompo amin’ny fomba tsara, dia mahazo laza tsara ho an’ny tenany,+ sady afaka miteny amim-pieritreretana madio+ momba ny finoany an’i Kristy Jesosy. 14  Soratako aminao ihany ireo zavatra ireo, na dia manantena hankany aminao tsy ho ela aza aho.+ 15  Amin’izay, raha sendra tara aho, dia mba efa fantatrao izay tokony hataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra,+ izany hoe ny fiangonan’ilay Andriamanitra velona. Andry sy tohana+ ho an’ny fahamarinana izany fiangonana izany. 16  Fa lehibe tokoa ny zava-miafina masina+ momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra: ‘Nofo+ i Jesosy rehefa naseho, fa fanahy+ kosa izy rehefa nambara ho marina, niseho tamin’ny anjely+ izy, notorina teo amin’ny hafa firenena,+ ninoana tetỳ amin’izao tontolo izao,+ ary nakarina tamim-boninahitra.’+

Fanamarihana

Na: “mahay mandanjalanja.”