Timoty Voalohany 4:1-16

  • Fampitandremana momba ny fampianaran’ny demonia (1-5)

  • Raha te ho mpanompo tsaran’i Kristy (6-10)

    • Tsy mitovy ny soa azo amin’ny fampiasana vatana sy ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra (8)

  • Tandremo tsara izay ampianarinao (11-16)

4  Milaza mazava tsara anefa ny fanahy masina fa hiala amin’ny finoana ny sasany any aoriana any, satria mihaino teny mamitaka avy amin’ny fanahy*+ sy mihaino fampianaran’ny demonia. 2  Hiala koa izy ireny noho ny lainga lazain’ireo mpihatsaravelatsihy,+ izay toy ny hoe voatomboky ny vy mahamay ny feon’ny fieritreretany. 3  Mandrara ny olona tsy hanambady+ izy ireo, ary mamoaka didy hoe tsy azo hanina ny sakafo sasany.+ Noforonin’Andriamanitra anefa ireny mba hohanina+ ka ho afaka hisaotra Azy amin’izany ny olona mino+ sy mahalala tsara ny fahamarinana. 4  Fa tsara daholo ny zava-drehetra noforonin’Andriamanitra,+ ary tsy misy tokony holavina+ raha raisina amim-pankasitrahana. 5  Hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka mantsy izy ireny. 6  Raha manome an’izany torohevitra izany an’ireo rahalahy ianao, dia ho mpanompo tsaran’i Kristy Jesosy, izany hoe ho mpanompo mivelona amin’ny tenin’ny finoana sy ny tenin’ny fampianarana tsara izay efa arahinao akaiky.+ 7  Fa aza mihaino tantara tsy marina izay tsy manaja zava-masina,+ toy ireo tantara fanaon’ny vaviantitra. Zaro foana kosa ny tenanao mba hahafoy tena ho an’Andriamanitra. 8  Mahasoa kely ihany mantsy ny mampiasa vatana,* fa ny mahafoy tena ho an’Andriamanitra kosa no mahasoa amin’ny zava-drehetra. Ahazoana fitahiana amin’izao fiainana izao sy amin’ilay fiainana ho avy mantsy izany, araka ny efa nampanantenaina.+ 9  Tena azo atokisana sy tokony hekena tanteraka izany teny izany. 10  Izany no mahatonga antsika hiasa mafy sy hikely aina,+ satria isika manantena an’Andriamanitra velona, Mpamonjy+ ny karazan’olona rehetra,+ indrindra fa ireo tsy mivadika. 11  Resaho amin’izy ireo foana izany didy izany, sady ampianaro foana. 12  Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao satria hoe tanora ianao. Miezaha kosa ho modely ho an’ny olona tsy mivadika, amin’ny teny sy ny fitondran-tena sy ny fitiavana sy ny finoana ary ny fahadiovana.* 13  Mandra-pahatongako, dia miezaha mafy foana hahay hamaky teny ampahibemaso+ sy handrisika* ny hafa ary hampianatra. 14  Aza atao tsinontsinona izay nomena anao tamin’ny alalan’ny faminaniana, dia izay nomena anao rehefa nametra-tanana taminao+ ny anti-panahy* rehetra. 15  Eritrereto* tsara ireo zavatra ireo, ary mifantoha tanteraka amin’izany, mba ho hitan’ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16  Tandremo tsara foana ny tenanao sy izay zavatra ampianarinao.+ Ataovy foana ireo zavatra ireo, fa raha manao an’izany ianao, dia ho voavonjy ianao sy izay mihaino anao.+

Fanamarihana

Abt: “mihaino fanahy mamitaka.”
Na: “manao fanazaran-tena; manao fanatanjahan-tena.”
Na: “fahadiovam-pitondran-tena.”
Na: “hampahery.”
Jereo F.T.
Na: “Saintsaino.”