1 Timoty 5:1-25

5  Aza dia kianina mafy loatra ny lehilahy zokiolona,+ fa iangavio toy ny ray kosa, ary ny tanora toy ny rahalahy,  ny vehivavy zokiolona+ toy ny reny, ary ny tanora toy ny anabavy,+ amin’ny fahadiovana tanteraka.  Omeo voninahitra ny vehivavy mpitondratena, izay tena mpitondratena tokoa.+  Fa raha misy mpitondratena manan-janaka na zafy, dia aoka ireo aloha hianatra hampiseho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra amin’ny ankohonany,+ sy hamaly babena ny ray aman-dreniny+ mbamin’ny raibe sy ny renibeny, fa izany no ankasitrahana eo imason’Andriamanitra.+  Ary ny vehivavy, izay tena mpitondratena tokoa, sady tsy manana na inona na inona,+ dia manantena an’Andriamanitra+ sy maharitra amin’ny fitalahoana sy ny vavaka, na andro na alina.+  Fa izay mpitondratena manaram-po amin’ny fahafinaretan’ny nofo+ kosa dia efa maty+ na dia mbola velona aza.  Koa izany zavatra izany hatrany no andidio azy,+ mba hahatonga azy tsy hisy hokianina.+  Ary raha misy tsy manome izay ilain’ny olona tokony ho adidiny,+ indrindra fa ny ankohonany,+ dia efa nanda+ ny finoana+ izy ka ratsy noho ny tsy mino.  Ampidiro ao amin’ny lisitry ny vehivavy mpitondratena ny mpitondratena maherin’ny enimpolo taona, nanambady tokana,+ 10  tsara laza amin’ny asa tsara,+ raha toa izy ka nitaiza zanaka,+ nampiantrano vahiny,+ nanasa ny tongotry ny olona masina,+ namonjy ny ory,+ ary nazoto tamin’ny asa tsara rehetra.+ 11  Fa aza ampidirina ao kosa ny vehivavy mpitondratena tanora, satria rehefa mitady hampisaraka azy amin’i Kristy ny filan’ny nofony,+ dia te hanambady izy. 12  Meloka izy amin’izany, satria tsy niraharaha ny teny nataony tamin’ny voalohany ny amin’ny finoany.+ 13  Ary lasa zatra tsy manao na inona na inona koa izy ireny, ka mitety tranon’olona, eny, tsy vitan’ny hoe tsy manao na inona na inona, fa mpifosafosa sy mitsabaka amin’ny fiainan’ny olona+ koa, ka miresaka zavatra tsy tokony horesahiny. 14  Koa iriko hanambady ny vehivavy mpitondratena tanora,+ ka hiteraka+ sy hitondra tokantrano, ary tsy hanao zavatra hahatonga ny mpanohitra hanevateva antsika.+ 15  Efa nisy mpitondratena navilin’i Satana hanaraka azy mantsy. 16  Raha misy vehivavy mpino manan-kavana mpitondratena, dia aoka izy hanampy azy.+ Ary aza ampitondraina enta-mavesatra ny fiangonana, mba ho afaka hanampy an’ireo tena mpitondratena tokoa.+ 17  Aoka hatao mendrika hahazo fanajana roa heny+ ny anti-panahy mahay mitondra,+ indrindra fa izay mikely aina amin’ny fitenenana sy ny fampianarana.+ 18  Hoy mantsy ny Soratra Masina hoe: “Aza asiana fehivava ny omby miasa eny am-pamoloana”,+ sy hoe: “Mendrika hahazo karama ny mpiasa.”+ 19  Aza ekena izay fiampangana atao amin’ny anti-panahy, raha tsy misy porofo avy amin’ny vavolombelona roa na telo.+ 20  Ary anaro+ eo imason’ny rehetra ny olona zatra manota,+ mba hatahotra koa ny sisa.+ 21  Mandidy mafy anao eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy+ ary ny anjely voafidy aho, mba hitandrina izany zavatra izany tsy misy fitsarana an-tendrony, ka tsy hiangatra ianao amin’izay rehetra ataonao.+ 22  Aza malaky mametra-tanana+ amin’olona na iza na iza,+ ary aza miombona ota amin’ny olona,+ fa arovy ny tenanao mba hadio hatrany.+ 23  Aza misotro rano intsony fa divay kely+ sotroina, noho ny vavoninao sy noho ny tsy fahasalamanao matetika. 24  Miharihary amin’ny rehetra ny fahotan’ny sasany,+ ka mitarika avy hatrany ho amin’ny fanamelohana, fa ny an’ny sasany kosa any aoriana vao miharihary.+ 25  Miharihary amin’ny rehetra koa ny asa tsara,+ ary na ireo tsy miharihary aza dia tsy azo afenina tsy misy farany.+

Fanamarihana