1 Timoty 6:1-21

6  Aoka ny mpanompo rehetra izay mitondra zioga hihevitra foana ny tompony ho mendrika hahazo fanajana feno,+ mba tsy hitenenan-dratsy mihitsy ny anaran’Andriamanitra sy ny fampianarana.+  Ary raha mpino ny tompon’izy+ ireo, dia aoka tsy hohamavoiny,+ satria rahalahiny+ ihany izy. Vao mainka kosa aza izy ireo tokony ho vonon-kanompo kokoa, satria mpiray finoana aminy sady rahalahy malalany ihany no mandray soa amin’ny fanompoana tsara ataony. Aza mitsahatra mampianatra sy mananatra momba izany.+  Raha misy mampianatra zavatra hafa,+ ka tsy manaiky ny teny mahasoa,+ izany hoe ny tenin’i Jesosy Kristy Tompontsika, ary tsy manaiky ny fampianarana mifanaraka amin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra,+  dia olona mieboebo+ izy, ary tsy mahalala na inona na inona,+ fa adalam-panontaniana+ sy adihevitra momba ny teny.+ Ireo zavatra ireo no miteraka fialonana,+ fifamaliana, fanevatevana,+ fiahiahian-dratsy,  fifandirana mafy momba ny zavatra tsy misy dikany. Ny fifandirana toy izany dia fanaon’olona maloto saina+ sy tsy manana ny fahamarinana intsony,+ ka manao ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra ho fomba hahazoan-tombony.+  Fomba hahazoan-tombony be+ tokoa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra,+ raha ampiarahina amin’ny fahaiza-mianina amin’izay ananana.+  Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady tsy hahatondra na inona na inona hiala.+  Koa raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.+  Fa izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy+ sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba,+ izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena.+ 10  Fitiavam-bola+ mantsy no anisan’ny fototr’izao+ karazan-javatra ratsy rehetra izao.+ Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.+ 11  Fa ianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra, andosiro izany zavatra izany.+ Fa katsaho kosa ny fahamarinana, ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana, ary ny fahalemem-panahy.+ 12  Miadia ny ady tsaran’ny finoana,+ fikiro mafy ny fiainana mandrakizay, fa ho amin’izany no niantsoana anao sy nanaovanao fanambarana ampahibemaso+ tsara teo anatrehan’ny vavolombelona maro. 13  Eo anatrehan’Andriamanitra izay mahatonga ny zava-drehetra ho mbola velona, sy eo anatrehan’i Kristy Jesosy, izay vavolombelona+ nanao fanambarana ampahibemaso tsara+ teo anatrehan’i Pontio Pilato,+ no andidiako+ anao 14  mba hitandrina ny didy, ary hanao izany tsy misy tomika sy tsy misy hokianina, mandra-pisehon’i+ Jesosy Kristy Tompontsika. 15  Amin’ny fotoana voatondro,+ dia hampiharihary ny tenany ilay Tompom-pahefana+ falifaly sady tokana, dia ilay Mpanjakan’izay+ manjaka sy Tompon’ny+ tompo. 16  Izy irery ihany no tsy mety maty,+ ary mitoetra ao amin’ny hazavana+ tsy hay hatonina. Koa tsy misy olona mahita azy na mahajery azy.+ Ho azy anie ny voninahitra+ sy ny hery mandrakizay! Amena. 17  Anaro ny manankarena+ eto amin’ity tontolo ity, mba tsy hanambony tena,+ na hametraka ny fanantenany amin’ny harena+ tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra izay manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika.+ 18  Anaro koa izy ireny mba hanao soa,+ sy hanan-karena amin’ny asa tsara,+ ho tia manome, ho vonon-kizara,+ 19  ka hanana harena+ tsara tahiry ho an’ny tenany, izany hoe fototra tsara+ ho amin’ny hoavy. Amin’izay izy dia hifikitra mafy amin’ny tena fiainana.+ 20  Ry Timoty, tano izay nankinina taminao,+ ka ialao ny resaka tsy misy fotony izay manazimbazimba zava-masina, sy ny fifanoheran-kevitra avy amin’ilay atao hoe “fahalalana” nefa sandoka.+ 21  Nampideradera fahalalana toy izany mantsy ny sasany, ka nivily niala tamin’ny finoana.+ Ho aminareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa!

Fanamarihana