2 Jaona 1:1-13

 Izaho, anti-panahy,*+ manoratra amin’ilay vehivavy voafidy+ sy ny zanany, izay tena tiako,+ ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra efa mahalala ny fahamarinana+ koa.  Tianay ianareo noho ny fahamarinana izay mitoetra ao am-pontsika,+ sady ho amintsika mandrakizay.+  Ho amintsika ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ sy ny famindram-po ary ny fiadanana izay avy amin’Andriamanitra Ray+ sy Jesosy Kristy Zanaky ny Ray. Ho amintsika koa ny fahamarinana sy ny fitiavana.+  Ravoravo tokoa aho nahafantatra fa mandeha ao amin’ny fahamarinana+ ny zanakao+ sasany, araka ny didy voaraintsika avy tamin’ny Ray.+  Koa manoratra aminao àry aho, ravehivavy, ka mangataka aminao mba hanarahanao ilay didy momba ny tokony hifankatiavantsika.+ Tsy didy vaovao+ izy io, fa didy efa ananantsika hatrany am-piandohana.+  Izao no fitiavana,+ dia ny handehanantsika hatrany araka ny didiny.+ Izao ilay didy, araka ny efa renareo hatrany am-piandohana: Tokony handeha amin’ny fitiavana foana ianareo.+  Maro mantsy ny mpamitaka efa eo amin’izao tontolo izao,+ dia olona tsy manaiky fa tonga tamin’ny nofo i Jesosy Kristy.+ Izany ilay mpamitaka+ sy antikristy.+  Tandremo sao ho verinareo ny vokatry ny ezaka nataonay, fa mitandrema kosa mba hahazoanareo valisoa feno.+  Izay rehetra mihoa-pefy+ ka tsy mitoetra+ amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’Andriamanitra.+ Izay mitoetra amin’izany fampianarana izany kosa no manana ny Ray sy ny Zanaka.+ 10  Raha misy tonga eo aminareo, ka tsy mitondra izany fampianarana izany, dia aza mampiantrano azy+ mihitsy na miarahaba azy akory.+ 11  Miombona amin’ny ratsy ataony mantsy izay miarahaba azy.+ 12  Manan-javatra maro tiako hosoratana aminareo aho. Tsy te hanao izany an-taratasy sy amin’ny ranomainty anefa aho,+ fa manantena ny ho tonga any aminareo sy hiresaka mifanatrika aminareo,+ mba ho feno+ ny fifalianareo.+ 13  Mampamangy,+ hono, ianao, hoy ny zanak’ilay rahavavinao, dia ilay rahavavinao voafidy.

Fanamarihana

Na: “zokiolona.”