Korintianina Faharoa 11:1-33

  • Paoly sy ireo apostoly tsara loatra (1-15)

  • Zava-tsarotra niaretan’i Paoly noho izy apostoly (16-33)

11  Enga anie mba handefitra amiko ianareo amin’ny hadalana kely ataoko! Efa mandefitra amiko ihany ange ianareo, raha ny marina e! 2  Fa saro-piaro aminareo aho, hoatran’Andriamanitra saro-piaro* aminareo. Izaho mihitsy mantsy no nanolotra anareo ho fofombadin’ny lehilahy iray. Te hanolotra anareo ho virjiny madio ho an’i Kristy+ aho. 3  Matahotra anefa aho sao ianareo ho voafitaka toa an’i Eva izay nofitahin’ny menarana tamin-kafetsena,+ ka ho simba ny sainareo, dia tsy ho ao aminareo intsony ilay fahatsorana sy fahadiovana mendrika an’i Kristy.+ 4  Raha misy mantsy olona tonga mitory Jesosy hafa noho ilay efa notorinay, na misy mampirisika anareo hanana toe-tsaina hafa noho izay efa nanananareo, na misy mitory vaovao tsara hafa noho izay efa nekenareo,+ dia tsy mampaninona anareo ny mandefitra amin’izany olona izany. 5  Fa amiko dia tsy misy na inona na inona mampiseho hoe ambany aho, raha oharina amin’ireo apostolinareo tsara loatra ireo.+ 6  Na tsy mahay mandaha-teny aza anefa aho,+ dia tena manana fahalalana. Efa nasehonay anareo tsara izany tamin’ny lafiny rehetra sy tamin’ny zava-drehetra. 7  Faly aho nitory maimaim-poana ny vaovao tsaran’Andriamanitra taminareo. Dia nanota ve aho raha nanetry tena hoatr’izany mba hisandratanareo?+ 8  Hoatran’ny hoe nandroba ny fiangonana hafa aho rehefa nandray fanampiana* mba hanompoako anareo.+ 9  Rehefa teo aminareo anefa aho ary tao anatin’ny tsy fisiana, dia tsy lasa enta-mavesatra na ho an’iza na ho an’iza, satria nanome izay nilaiko ireo rahalahy avy eto Makedonia sady nanome ahy be dia be.+ Tena niezaka aho mba tsy ho enta-mavesatra ho anareo tamin’ny lafiny rehetra, ary mbola hiezaka hanao an’izany foana aho.+ 10  Raha mbola ato amiko ny fahamarinan’i Kristy, dia mbola hirehareha momba an’izany foana aho+ any amin’ireo faritr’i Akaia. 11  Fa nahoana? Satria ve tsy tiako ianareo? Fantatr’Andriamanitra fa tia anareo aho. 12  Izay ataoko izao anefa dia mbola hataoko ihany.+ Amin’izay dia ho tampina ny vavan’ireo mitady antony hanaporofoana hoe mitovy aminay izy ireo ka mirehareha amin’ny zava-bitany.* 13  Fa apostoly sandoka ireny, mpiasa mamitaka, ka mody miseho ho apostolin’i Kristy.+ 14  Ary tsy mahagaga izany fa i Satana aza mody miseho foana ho anjelin’ny mazava.+ 15  Tsy mahagaga àry raha mody miseho foana ho mpanompon’ny fahamarinana koa ny mpanompony. Arakaraka izay ataon’izy ireo anefa no hiafarany.+ 16  Averiko indray hoe: Aoka tsy hisy hihevitra ahy ho adala. Raha mihevitra ahy ho toy izany anefa ianareo, dia raiso ihany aho na adala aza, mba ho afaka hirehareha kely koa. 17  Tsy manaraka ny modelin’ny Tompo aho raha milaza an’izao zavatra izao, fa miteny hoatran’ny olona adala matoky tena loatra sy mirehareha. 18  Koa satria maro no mirehareha araka ny nofo,* dia mba hirehareha koa aho. 19  Faly erỳ ianareo mandefitra amin’ny olona adala, satria ianareo tena “misaina.” 20  Mandefitra tokoa ianareo amin’izay manandevo anareo, na mandany ny fanananareo, na maka an-keriny an’izay anananareo, na manandra-tena ho ambony noho ianareo, na mamely ny tarehinareo. 21  Manala baraka anay izany teniko izany satria toy ny hoe malemy izahay aminareo. Izay sahin’ny olona atao anefa—miteny toy ny adala aho—dia mba sahiko koa. 22  Hebreo ve izy ireo? Izaho koa.+ Israelita ve izy ireo? Izaho koa. Taranak’i Abrahama ve izy ireo? Izaho koa.+ 23  Mpanompon’i Kristy ve izy ireo? Mamaly hoatran’ny adala aho. Mpanompon’i Kristy aho ary miavaka kokoa noho izy ireo aza: Betsaka kokoa ny asa nataoko,+ natao am-ponja matetika kokoa aho,+ tsy voaisa intsony ny kapoka nahazo ahy, ary efa saika maty imbetsaka aho.+ 24  Indimy aho no nokapohin’ny Jiosy in-40 latsaka iray avy,+ 25  intelo aho no nokapohina tamin’ny hazo,+ indray mandeha notoraham-bato,+ intelo vaky sambo,+ ary indray andro sy indray alina aho no tavela teny an-dranomasina. 26  Nandeha lavitra matetika aho, saika nahita loza tamin’ny renirano, saika nahita loza tamin’ny jiolahy, saika nahita loza tamin’ny mpiray firenena amiko,+ saika nahita loza tamin’ny hafa firenena,+ saika nahita loza tao an-tanàna,+ saika nahita loza tany an-tany efitra, saika nahita loza tany an-dranomasina, ary saika nahita loza teo anivon’ny rahalahy sandoka. 27  Niasa mafy sy nikely aina aho, tsy nahita tory matetika,+ noana sy nangetaheta,+ tsy nihinan-kanina matetika,+ nangatsiaka ary tsy nanana akanjo.* 28  Ankoatra an’ireo zavatra ivelany ireo, dia misy manavesatra ahy koa isan’andro: Manahy momba ny fiangonana rehetra aho.+ 29  Iza no malemy ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina ka tsy tezitra aho? 30  Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia amin’izay zavatra ahitana ahy hoe malemy no hireharehako. 31  Tsy mandainga aho, ary mahafantatra an’izany ilay Andriamanitra Rain’i Jesosy Tompo, Ilay tokony hoderaina mandrakizay. 32  Tany Damaskosy, dia nanome baiko hiambenana an’ilay tanàna ny governora notendren’i Areta Mpanjaka mba hisamborana ahy. 33  Nampidinina tamin’ny sobika avy teo am-baravarankelin’ny mandan’ilay tanàna anefa aho,+ ka afa-nandositra.

Fanamarihana

Abt: “hoatran’ny hafanam-pon’Andriamanitra.”
Na: “vatsy.”
Na: “andraikiny.”
Izany hoe amin’ny zavatra mampirehareha ny olombelona.
Abt: “ary nitanjaka.”