2 Korintianina 2:1-17

2  Fa izao no fanapahan-kevitra noraisiko: Tsy ataoko mahatonga alahelo+ ny fitsidihako anareo indray.  Fa raha manao izay hampalahelo+ anareo aho, iza indray no hampifaly ahy afa-tsy ilay nampalaheloviko?  Ary nanoratra izany indrindra aho, mba tsy halahelovako+ noho ny amin’ireo tokony hifaliako,+ rehefa tonga aho. Matoky+ anareo rehetra mantsy aho fa ny fifaliako dia fifalianareo rehetra koa.  Fa tamin’ny fahoriana be sy tamin’alahelom-po mafy no nanoratako taminareo tamin-dranomaso be,+ tsy ny hampalahelo+ anareo anefa, fa mba hahafantaranareo fa miavaka kokoa ny fitiavako anareo.  Fa raha nisy nanao izay hampalahelo ny hafa,+ dia tsy izaho no nampalaheloviny, fa ianareo rehetra. Na izany aza, dia tsy te hampiasa teny henjana loatra aho eto.  Ampy ho an’ilay olona izany fananarana mafy+ nataon’ny maro izany.  Koa tokony ho vonona hamela ny helony+ amin-katsaram-panahy kosa ianareo, ka hampionona azy sao ho difotry ny alahelo be loatra izy.+  Mananatra anareo àry aho mba hanaporofo ny fitiavanareo+ azy.  Ny antony anoratako koa, dia mba hahitako ny porofo avy aminareo raha mankatò amin’ny zava-drehetra+ ianareo na tsia. 10  Izay heloka avelanareo amin-katsaram-panahy, dia mba avelako koa.+ Eny, raha ny amiko, izay heloka navelako tamin-katsaram-panahy, raha nisy navelako tamin-katsaram-panahy, dia noho ny aminareo eo imason’i Kristy izany, 11  mba tsy ho voafitak’i Satana+ ianareo, fa fantatsika ny teti-dratsiny.+ 12  Rehefa tonga tany Troasy+ hitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy aho, ary nisy varavarana nosokafana ho ahy tao amin’ny Tompo,+ 13  dia tsy nilamina ny saiko* noho ny tsy nahitako an’i Titosy+ rahalahiko. Ary nataoko veloma ry zareo tany, dia niainga ho atỳ Makedonia+ aho. 14  Fa hisaorana anie Andriamanitra izay mitarika+ antsika foana eo amin’ny filaharan’ny mpandresy, miaraka+ amin’i Kristy! Ary ataony mamerovero eny rehetra eny+ amin’ny alalantsika ny hanitry ny fahalalana azy. 15  Fa amin’Andriamanitra, dia hanitr’i+ Kristy eo amin’ireo hovonjena sy eo amin’ireo ho ringana+ isika: 16  Amin’ireo ho ringana, dia fofona avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana,+ ary amin’ireo hovonjena dia hanitra avy amin’ny fiainana ho amin’ny fiainana. Ary iza no ampy fahaizana mba hanao izany?+ 17  Izahay. Fa tsy toy ny maro+ izay mivarotra ny tenin’Andriamanitra izahay.+ Fa amim-pahatsorana no itenenanay, eny, noho izahay nirahin’Andriamanitra sy eo ambany masony ary tafaray amin’i Kristy no itenenanay.+

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.