2 Korintianina 3:1-18

3  Mbola mila midera ny tenanay aminareo indray ve izahay,+ sa angamba kosa toy ny sasany ka mila taratasy+ fiderana homena anareo, na avy aminareo?  Ianareo no taratasinay,+ voasoratra ato am-ponay, ary fantatra sy vakin’ny olona rehetra.+  Miharihary fa taratasin’i Kristy nosoratanay mpanompo+ ianareo, tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny fanahin’Andriamanitra+ velona, ary tsy teo amin’ny takela-bato,+ fa teo amin’ny takelaka nofo, dia ny fo.+  Manana izany fatokisana+ an’Andriamanitra izany amin’ny alalan’i Kristy izahay.  Tsy ny tenanay akory no mahatonga anay ho ampy fahaizana ka hanjary hihevitra fa avy aminay izany fahaizana izany.+ Fa Andriamanitra kosa no mahatonga anay ho ampy fahaizana.+  Izy tokoa no nahatonga anay ho ampy fahaizana mba ho tonga mpanompon’ny fifanekena vaovao,+ eny, tsy mpanompon’ny fehezan-dalàna an-tsoratra+ fa mpanompon’ny fanahy.+ Fa manameloka+ ho faty ilay fehezan-dalàna an-tsoratra, fa ny fanahy kosa mahavelona.+  Ary ilay fehezan-dalàna mitondra fahafatesana+ sy nosoratana teo amin’ny vato+ dia niseho tamim-boninahitra,+ ka tsy afa-nibanjina ny tarehin’i Mosesy ny zanak’Israely noho ny voninahitry ny tarehiny,+ izay voninahitra hofoanana.  Koa raha izany, tsy vao mainka ve tokony ho be voninahitra+ ny fanomezana ny fanahy?+  Raha be voninahitra+ ilay fehezan-dalàna nitondra fanamelohana,+ dia vao mainka heni-boninahitra+ ny fanomezana ny fahamarinana.+ 10  Fa na ilay natao be voninahitra taloha aza dia nalana voninahitra,+ noho ny amin’ilay voninahitra tsara kokoa.+ 11  Raha ilay hofoanana aza nampidirina tamim-boninahitra,+ mainka fa ilay mitoetra! Hitoetra amim-boninahitra tokoa izy.+ 12  Koa satria manana izany fanantenana+ izany isika, dia afaka miteny amim-pahatsorana, 13  ary tsy manao tahaka an’i Mosesy izay nanarona lamba+ ny tarehiny, mba tsy hibanjinan’ny zanak’Israely ny faran’ilay+ hofoanana. 14  Donto anefa ny fisainan’izy ireo,+ fa mandraka ankehitriny, rehefa vakina ilay fifanekena taloha, dia mbola tsy nesorina foana ilay lamba manarona,+ satria amin’ny alalan’i Kristy no anesorana azy io.+ 15  Fa misy lamba manarona ny fon’izy ireo+ tokoa mandraka androany, isaky ny vakina izay nosoratan’i Mosesy.+ 16  Rehefa misy fiverenana amin’i Jehovah anefa, dia esorina ilay lamba manarona.+ 17  I Jehovah no ilay Fanahy,*+ ary izay misy ny fanahin’i+ Jehovah+ dia misy fahafahana.+ 18  Ary tahaka ny fitaratra, dia manome taratry ny voninahitr’i Jehovah+ amin’ny tarehy tsy misarona isika+ rehetra, ka ovana+ hitovy endrika aminy,+ avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra bebe kokoa,+ ary ho lasa tsy misy hafa mihitsy amin’izay ataon’i Jehovah,+ izay Fanahy.*

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.