2 Korintianina 4:1-18

4  Izany no mahatonga anay tsy ho kivy, satria manana izany fanompoana+ izany izahay, araka ny famindram-po naseho taminay.+  Efa nialanay ny zava-mahamenatra+ afenimpenina, ka tsy manao zavatra amin-kafetsena na manatsatso ny tenin’Andriamanitra+ izahay. Mampiseho miharihary ny fahamarinana kosa izahay, ka ohatra tsara ho an’ny olona* rehetra, eo imason’Andriamanitra.+  Koa raha tsy mazava ny vaovao tsara torinay, toy ny hoe misy lamba manarona, dia amin’izay ho ringana+ izany no tsy mazava.  Eo amin’izy ireny ny andriamanitr’ity tontolo ity+ no manajamba ny sain’ny tsy mino,+ mba tsy hamirapiratra+ amin’izy ireo ny fahazavan’ny+ vaovao tsara be voninahitra,+ dia ilay vaovao tsara momba an’i Kristy, izay endrik’Andriamanitra.+  Fa tsy ny tenanay no torinay, fa i Kristy Jesosy Tompo,+ ary mpanomponareo+ izahay, noho ny amin’i Jesosy.  Fa Andriamanitra no niteny hoe: “Aoka ny hazavana hamirapiratra avy ao amin’ny haizina.”+ Ary mamirapiratra ao am-ponay Andriamanitra mba hanazava+ ny fonay amin’ny fahalalana an’Andriamanitra, izay fahalalana+ be voninahitra. Eny, hanazava ny fonay amin’ny alalan’ny tarehin’i Kristy izy.+  Manana izany harena+ izany ao anaty vilany+ tany+ anefa izahay, mba ho avy amin’Andriamanitra+ ny hery+ fanampiny, fa tsy avy aminay.+  Voageja amin’ny lafiny rehetra izahay,+ nefa tsy hoe tery loatra ka tsy afa-mihetsika. Very hevitra izahay, nefa tsy hoe tsy misy lalan-kivoahana mihitsy.+  Enjehina izahay, nefa tsy afoy.+ Azera izahay,+ nefa tsy maty.+ 10  Na aiza na aiza misy anay, dia miatrika loza mahafaty toy ny an’i Jesosy izahay,+ mba haseho eo amin’ny vatanay koa ny fiainan’i Jesosy.+ 11  Fa miatrika fahafatesana mandrakariva+ noho ny amin’i Jesosy izahay izay velona, mba haseho koa eo amin’ny nofonay mety maty+ ny fiainan’i Jesosy. 12  Koa miasa ao aminay ny fahafatesana, fa miasa ao aminareo kosa ny fiainana.+ 13  Koa satria ny finoana* anananay dia araka ilay voasoratra hoe: “Nino aho, ka niteny”,+ dia mino koa izahay ka miteny. 14  Fantatray mantsy fa ilay nanangana an’i Jesosy dia hanangana anay koa toy ny nananganana an’i Jesosy, ary hampiseho anay miaraka aminareo eo anatrehany.+ 15  Fa noho ianareo no anaovana ny zava-drehetra,+ mba ho vao mainka hitombo ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa efa be dia be, noho ny fisaoran’ny olona maro kokoa, ho voninahitr’Andriamanitra.+ 16  Koa tsy kivy izahay, fa na mihaosa aza ny tenanay ivelany, dia azo antoka fa havaozina isan’andro kosa ny tenanay anaty.+ 17  Fa na mihelina+ sy maivana aza ny fahoriana, dia mitondra voninahitra bebe kokoa sy mandrakizay ho anay,+ 18  raha mbola mampifantoka ny masonay amin’ny zavatra tsy hita+ izahay, fa tsy amin’ny hita. Fa mihelina+ ny zavatra hita, fa ny tsy hita kosa maharitra mandrakizay.+

Fanamarihana

A.b.t.: “feon’ny fieritreretan’ny olona.”
A.b.t.: “fanahin’ny finoana.”