Korintianina Faharoa 5:1-21

  • Hahazo an’ilay fonenana any an-danitra (1-10)

  • Fanompoana fampihavanana (11-21)

    • Zavaboary vaovao (17)

    • Ambasadaoro solon’i Kristy (20)

5  Fa fantatsika fa raha horavana* ny tranontsika eto an-tany, izany hoe ity vatana toy ny tranolay ity,+ dia homen’Andriamanitra trano tsy nataon-tanana+ sady maharitra mandrakizay any an-danitra isika. 2  Mitaraindraina tokoa mantsy isika ato amin’ity trano* ity, ary maniry mafy hahazo an’ilay trano* avy any an-danitra,*+ izay hanaovantsika hoatran’ny akanjo, 3  mba tsy ho hita hoe mitanjaka isika rehefa tena manao an’ilay izy. 4  Mitaraindraina tokoa isika ato amin’ity tranolay ity sady vesaran’ny tebiteby. Tsy hoe te hanala azy ity anefa isika, fa te hitafy an’ilay iray kosa.+ Amin’izay dia hatelin’ny fiainana ilay mety maty.+ 5  Ary ilay nanomana antsika ho amin’izany dia Andriamanitra,+ izay nanome antsika ny fanahiny ho antoka ny amin’izay ho avy.*+ 6  Be herim-po foana àry isika ary fantatsika fa raha mbola monina ato amin’ity vatana ity isika, dia mbola tsy any amin’ny Tompo.+ 7  Fa finoana no andehanantsika, fa tsy ny hitan’ny maso. 8  Be herim-po anefa isika, ary aleontsika tsy ao amin’ity vatana ity fa hiara-mipetraka amin’ny Tompo.+ 9  Ataontsika tanjona àry ny hahazo sitraka aminy, na miara-mipetraka aminy isika na tsy any aminy. 10  Tsy maintsy hiseho* eo anatrehan’ny toeram-pitsaran’i Kristy mantsy isika rehetra, mba hovaliana arakaraka izay nataony ny tsirairay, na tsara na ratsy ny nataony+ tamin’izy mbola tao amin’ilay vatana. 11  Koa satria fantatray hoe tokony hatahotra ny Tompo izahay, dia resenay lahatra foana ny olona mba hino an’izay ampianarinay. Mahafantatra tsara anay anefa Andriamanitra,* ary antenaiko fa nanampy anareo hahafantatra tsara anay koa ny feon’ny fieritreretanareo.* 12  Tsy hoe midera tena aminareo indray izahay, fa mampirisika anareo kosa hirehareha ny aminay. Amin’izay ianareo dia ho afaka hamaly an’ireo mirehareha ny amin’izay miseho etỳ ivelany+ fa tsy ny amin’izay ao am-po. 13  Raha adala+ mantsy izahay dia ho an’Andriamanitra, ary raha misaina tsara izahay dia ho anareo. 14  Fa ny fitiavan’i Kristy no manery* anay, satria lasa fantatray hoe olona iray no maty ho an’ny rehetra.+ Efa maty mantsy izy rehetra, raha ny marina. 15  Ary maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona,+ fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana. 16  Koa tsy mijery olona araka ny fomba fijerin’olombelona*+ intsony izahay manomboka izao. Na dia nijery an’i Kristy araka ny fomba fijerin’olombelona* aza izahay taloha, dia tsy hoatr’izany intsony ny fahitanay azy amin’izao.+ 17  Raha misy olona tafaray amin’i Kristy àry, dia zavaboary vaovao+ izy. Efa lasa ny zavatra taloha, ary ireo misy zava-baovao. 18  Ny zava-drehetra anefa dia avy amin’Andriamanitra, izay nampihavana anay taminy tamin’ny alalan’i Kristy.+ Ary nomeny fanompoana fampihavanana+ izahay, 19  dia ny hanambara fa nampiasain’Andriamanitra i Kristy mba hahatonga an’izao tontolo izao hihavana aminy,+ ka nodiany tsy hita* ny fahadisoan’izy ireo.+ Ary nankininy taminay ny fitoriana ny hafatra momba ny fampihavanana.+ 20  Ambasadaoro+ solon’i Kristy+ àry izahay, ka toy ny hoe miangavy amin’ny alalanay Andriamanitra. Solon’i Kristy izahay ka miangavy hoe: “Mba mihavàna amin’Andriamanitra re ianareo e!” 21  Ilay tsy mba nanota+ no nataony fanatitra noho ny ota* hamonjena anay, mba ho lasa olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra+ izahay, amin’ny alalany.

Fanamarihana

Na: “ho levona.”
Na: “fonenana.”
Na: “fonenantsika.”
Na: “avy any amin’ny fonenantsika any an-danitra.”
Na: “ho vodiondrim-barotra.”
Na: “haseho miharihary.”
Na: “Miharihary eo anatrehan’Andriamanitra anefa izahay.”
Na: “miharihary ao amin’ny feon’ny fieritreretanareo koa izahay.”
Na: “mandrisika.”
Abt: “araka ny nofo.”
Abt: “araka ny nofo.”
Na: “ka tsy nisainy.”
Na: “nataony ho ota.”