2 Korintianina 8:1-24

8  Ary tianay hampahafantarina anareo, ry rahalahy, ny amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’Andriamanitra tamin’ireo fiangonana atỳ Makedonia.+  Fa nandritra ny fitsapana nahamay tao anatin’ny fahoriana, dia naneho fifaliana sy fahalalahan-tanana lehibe izy ireo,+ na dia nahantra be aza.  Fa araka izay zakany no nataony,+ eny, manome toky anareo aho fa mihoatra noho izay zakany mihitsy aza.  Ary sitrapon’izy ireo ny niangavy anay mafy tsy an-kijanona mba hahafahany haneho hatsaram-panahy, ka handray anjara amin’ilay fanompoana an’ireo olona masina.+  Ary tsy araka ny nantenainay fotsiny no nataony, fa ny tenany mihitsy aloha no natolony ho an’ny Tompo+ sy ho anay, noho ny sitrapon’Andriamanitra.  Koa izany no nahatonga anay hampirisika an’i Titosy+ mba hamita ny famoriana an’izany fanomezana avy aminareo izany, satria izy no efa nanomboka izany teo aminareo.  Tahaka ny anananareo be dia be amin’ny zava-drehetra+ anefa, na amin’ny finoana izany, na amin’ny teny, na amin’ny fahalalana,+ na amin’ny fahazotoana rehetra, na amin’izao fitiavanay anareo izao, dia enga anie ianareo hahavita be koa amin’izany fanomezana amin-katsaram-panahy izany!  Tsy ny handidy anareo anefa no itenenako,+ fa noho ny fahazotoan’ny hafa sy mba hitsapana ny fahatsoran’ny fitiavanareo.  Fa fantatrareo ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza izy, dia tonga nahantra noho ny aminareo,+ mba hampanan-karena+ anareo ny fahantrany. 10  Ary raha ny amin’izany, dia izao no hevitro:+ Mahasoa anareo io raharaha io,+ satria efa herintaona lasa izay no natombokareo izy io, ary tena naniry mafy hanao azy io ianareo.+ 11  Koa vitao àry ny fanaovana azy io, mba ho tahaka ny fahavononanareo hanao ihany no hamitanareo azy, araka izay anananareo. 12  Fa raha misy aloha ny fahavononana hanome, dia ankasitrahana indrindra izany raha araka izay ananan’ilay olona,+ fa tsy araka izay tsy ananany. 13  Fa tsy te hanamaivana ny hafa+ aho nefa hampitondra enta-mavesatra anareo. 14  Ny iriko kosa dia mba hameno izay tsy ampy eo amin’izy ireo ny ambim-bava anananareo ankehitriny, amin’ny fanaovana izay hisian’ny fitoviana. Amin’izay dia mba hameno ny tsy ampy eo aminareo koa ny ambim-bavan’izy ireo, ka hisy fitoviana.+ 15  Araka ny voasoratra hoe: “Izay nanana be dia tsy nanana be loatra, ary izay nanana kely dia tsy nanana kely loatra.”+ 16  Koa isaorana Andriamanitra noho izy nametraka tao am-pon’i Titosy+ izany fahazotoana ho anareo izany, dia fahazotoana toy ny anay, 17  satria nanaiky tokoa an’ilay fampirisihana i Titosy. Efa mazoto rahateo anefa izy, ka izany no andehanany an-tsitrapo ho any aminareo. 18  Fa irahinay miaraka aminy koa ilay rahalahy izay deraina eran’ny fiangonana rehetra noho ny fitoriany ny vaovao tsara. 19  Ary tsy izany ihany fa efa notendren’ireo+ fiangonana koa io rahalahy io mba hiara-dia aminay hitondra izany fanomezana izany, izay tokony hozarainay ho voninahitry+ ny Tompo sy ho porofon’ny fahavononanay hanampy.+ 20  Izany no ataonay mba tsy hisy olona hanome tsiny+ anay ny amin’io fanomezana+ be dia be tokony hozarainay io. 21  Fa izahay dia “miomana ny hizara izany amim-pahamarinana, tsy eo imason’i Jehovah ihany, fa eo imason’ny olona+ koa.” 22  Ankoatra izany, dia irahinay miaraka amin’izy ireo koa ilay rahalahinay izay efa hitanay porofo matetika fa mazoto amin’ny zavatra maro, ary vao mainka mazoto izy izao satria matoky be anareo. 23  Raha misy fisalasalana momba an’i Titosy anefa, dia fantaro fa namako izy sady mpiara-miasa+ amiko hahasoa anareo. Ary raha misy fisalasalana momba ireo rahalahinay, dia fantaro fa apostolin’ny fiangonana izy ireo sady mitondra voninahitra ho an’i Kristy. 24  Koa asehoy amin’izy ireo eo imason’ny fiangonana ny porofon’ny fitiavanareo+ sy ny porofon’ilay fireharehanay+ ny aminareo.

Fanamarihana