2 Mpanjaka 1:1-18

1  Rehefa maty i Ahaba, dia nikomy+ tamin’ny Israely i Moaba.+  Ary i Ahazia dia nianjera+ avy teo amin’ny makarakaran’ny efitranony tany an-tampon-trano+ tao Samaria, ka narary. Koa nandefa iraka izy, ka nanao tamin’ireo hoe: “Mandehana, anontanio+ i Bala-zeboba+ andriamanitr’i Ekrona,+ raha ho sitrana amin’izao aretina izao aho, na tsia.”+  Ary niteny tamin’i Elia Tisbita+ ny anjelin’i+ Jehovah hoe: “Miakara hihaona amin’ireo iraky ny mpanjakan’i Samaria, ka lazao aminy hoe: ‘Fa angaha dia tsy misy Andriamanitra+ mihitsy eto amin’ny Israely, no mandeha manontany an’i Bala-zeboba andriamanitr’i Ekrona ianareo?  Koa izao no nolazain’i Jehovah: “Tsy hiala eo amin’io fandriana niakaranao io intsony ianao, fa ho faty tokoa.”’”+ Dia lasa i Elia.  Raha vao tonga tany amin’ny mpanjaka ireo iraka, dia nanontaniany hoe: “Fa maninona ianareo no niverina?”  Ary hoy ireo: “Nisy lehilahy niakatra hihaona taminay, ka niteny taminay hoe: ‘Mandehana miverina any amin’ny mpanjaka naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah:+ ‘Fa angaha dia tsy misy Andriamanitra mihitsy eto amin’ny Israely, no mandefa iraka hanontany an’i Bala-zeboba andriamanitr’i Ekrona ianao? Koa tsy hiala eo amin’io fandriana niakaranao io intsony ianao, fa ho faty tokoa.’”’”+  Dia hoy ny mpanjaka: “Lehilahy manao ahoana ilay niakatra hihaona taminareo sy nilaza izany teny izany taminareo?”  Ary hoy ireo: “Lehilahy manao akanjo volom-biby,+ ary misy fehikibo hoditra eo amin’ny andilany.”+ Avy hatrany dia hoy izy: “I Elia Tisbita izany.”  Ary naniraka lehiben’ny dimampolo nankany amin’i Elia ny mpanjaka. Dia niakatra nankany amin’i Elia ralehilahy, niaraka tamin’ny miaramilany dimampolo.+ Nipetraka teo an-tampon’ny tendrombohitra i Elia tamin’izay. Ary hoy ralehilahy taminy: “Ry lehilahin’Andriamanitra!+ ‘Midìna ianao’, hoy ny mpanjaka.” 10  Hoy anefa i Elia taminy: “Raha lehilahin’Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo+ hilatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny miaramilanao dimampolo.” Dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra, ka nandevona azy sy ny miaramilany dimampolo.+ 11  Ary naniraka lehiben’ny dimampolo hafa, mbamin’ny miaramilany dimampolo indray ny mpanjaka.+ Dia hoy koa io tamin’i Elia: “Ry lehilahin’Andriamanitra! ‘Midìna haingana ianao’, hoy ny mpanjaka.”+ 12  Hoy anefa i Elia: “Raha lehilahin’Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny miaramilanao dimampolo.” Dia nisy afon’Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra, ka nandevona azy sy ny miaramilany dimampolo. 13  Ary naniraka lehilahy fahatelo izay lehiben’ny dimampolo, mbamin’ny miaramilany dimampolo indray ny mpanjaka.+ Ary niakatra ralehilahy ka nandohalika+ teo anatrehan’i Elia, ary nitalaho+ ny famindram-pony, nanao hoe: “Ry lehilahin’Andriamanitra ô, mba tsimbino+ re ny aiko sy ny ain’ireto dimampolo lahy mpanomponao ireto e! 14  Efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra, ka nandevona+ an’ireo roa lahy lehiben’ny dimampolo teo aloha mbamin’ny miaramilany dimampolo avy. Fa mba tsimbino kosa re ny aiko e!” 15  Dia hoy ilay anjelin’i Jehovah tamin’i Elia: “Midìna miaraka aminy, ary aza matahotra azy.”+ Koa nitsangana i Elia, ka nidina niaraka taminy ho any amin’ny mpanjaka. 16  Ary hoy izy tamin’ny mpanjaka: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Fa angaha dia tsy misy Andriamanitra hanontaniana mihitsy eto amin’ny Israely, no nandefa iraka+ hanontany an’i Bala-zeboba andriamanitr’i Ekrona+ ianao? Koa tsy hiala eo amin’io fandriana niakaranao io intsony ianao, fa ho faty tokoa.’” 17  Dia maty izy,+ araka ny tenin’i+ Jehovah nolazain’i Elia. Ary tsy nanan-janakalahy izy, ka i Jorama+ no nanjaka nandimby azy, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jorama+ zanak’i Josafata mpanjakan’ny Joda. 18  Ary ny sisa amin’ny zavatra nataon’i Ahazia,+ tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany?

Fanamarihana