2 Mpanjaka 10:1-36

10  Ary nanan-janakalahy fitopolo+ tany Samaria+ i Ahaba. Nanoratra taratasy àry i Jeho, ka nandefa izany tany Samaria, ho an’ireo andrianan’i+ Jezirela sy ny anti-panahy+ ary ny mpikarakara ny zanak’i Ahaba, nanao hoe:  “Eo aminareo ny zanakalahin’ny tomponareo sy ny kalesin’ady sy ny soavaly+ sy ny tanàna voaro mafy ary ny fiadiana. Koa raha vao tonga any aminareo ity taratasy ity,  dia jereo izay tsara sy mendrika indrindra amin’ny zanakalahin’ny tomponareo, ka apetraho eo amin’ny seza fiandrianan-drainy.+ Dia miadia ho an’ny ankohonan’ny tomponareo.”  Koa natahotra be izy ireo, ka niteny hoe: “Mpanjaka roa+ aza tsy nahatohitra azy, ka ataontsika ahoana no hahatohitra azy?”+  Dia nandefa iraka ho any amin’i Jeho ny mpiandraikitra ny trano, sy ny mpiandraikitra ny tanàna, sy ny anti-panahy rehetra, ary ny mpikarakara+ rehetra, ka nanao hoe: “Mpanomponao izahay, ka hataonay izay rehetra lazainao aminay. Tsy hanendry na iza na iza ho mpanjaka izahay, fa ataovy izay hitanao fa mety.”  Dia nanoratra taratasy ho azy ireo indray i Jeho, nanao hoe: “Raha ahy ianareo,+ ary ny teniko no ankatoavinareo, dia tapaho ny lohan’ireo zanakalahin’ny+ tomponareo, ary tongava atỳ amiko atỳ Jezirela,+ rahampitso toy izao.” Niaraka tamin’ireo olo-manan-kaja teo an-tanàna izay nitaiza azy mantsy izy fitopolo lahy zanaky ny mpanjaka.  Ary raha vao tonga tany amin’izy ireo ilay taratasy, dia nalain’izy ireo izy fitopolo lahy zanaky ny mpanjaka, ka novonoiny.+ Dia nataony tao anaty sobika ny lohan’izy ireo, ka nalefany tany amin’i Jeho tany Jezirela.  Dia nankao amin’i Jeho ny iraka+ ka nilaza hoe: “Nentin-dry zareo ao ny lohan’ireo+ zanaky ny mpanjaka.” Koa hoy izy: “Ataovy antontany roa eo amin’ny fidirana amin’ny vavahady izany, mandra-paharainan’ny andro.”+  Ary nankeny ivelany izy nony maraina, ka nijoro teo anatrehan’ny olona rehetra ary nilaza hoe: “Olo-marina ianareo,+ fa izaho kosa no nanao tetika+ hamelezana ny tompoko sy namono azy ho faty.+ Iza anefa no namono an’ireto rehetra ireto? 10  Fantaro àry fa tsy hisy ho raraka an-tany ny tenin’i Jehovah+ izay nolazain’i Jehovah hanamelohana ny ankohonan’i Ahaba,+ fa i Jehovah mihitsy no efa nanatanteraka izay nolazainy tamin’ny alalan’i Elia mpanompony.”+ 11  Dia novonoin’i Jeho koa ny sisa rehetra tamin’ny ankohonan’i Ahaba tao Jezirela, mbamin’ny olo-manan-kajany+ rehetra sy ny namany ary ny mpisorony,+ ka tsy nasiany niangana na iray aza.+ 12  Dia niainga nankany Samaria izy. Nisy trano fanetezana ondry teny an-dalana. 13  Ary nifanena tamin’ireo rahalahin’i+ Ahazia+ mpanjakan’ny Joda i Jeho, ka nanontany hoe: “Iza moa ianareo?” Dia hoy ireo: “Rahalahin’i Ahazia izahay, ary handeha hanontany hoe manahoana ireo zanaky ny mpanjaka sy ny zanaky ny andriambavy.” 14  Koa niteny avy hatrany i Jeho hoe: “Ataovy sambo-belona ireo!”+ Dia nataony sambo-belona izy roa amby efapolo lahy, ka novonoiny teo amin’ny lavaka fanangonan-drano teo amin’ilay trano fanetezana ondry, ary tsy nasiany niangana na iray aza.+ 15  Rehefa niala teo izy, dia nifanena tamin’i Jonadaba+ zanak’i Rekaba,+ izay tamy hitsena azy. Dia niarahaba+ an’i Jonadaba izy, ka niteny taminy hoe: “Mahitsy amiko ve ny fonao, tahaka ny foko amin’ny fonao?”+ Ary hoy i Jonadaba: “Eny!” “Atolory ahy àry ny tananao.” Dia natolony azy ny tanany. Ary nosintonin’i Jeho hiakatra tao amin’ny kalesiny niaraka taminy izy.+ 16  Dia hoy i Jeho: “Andao hiaraka amiko, ary jereo fa tsy leferiko mihitsy ny fandrafiana+ an’i Jehovah.” Ary nentina tao amin’ny kalesin’adin’i Jeho izy. 17  Tonga tany Samaria i Jeho tamin’ny farany. Dia novonoiny ny sisa rehetra tamin’ny ankohonan’i Ahaba tany Samaria, mandra-pandringany azy tanteraka,+ araka ny tenin’i Jehovah tamin’i Elia.+ 18  Novorin’i Jeho koa ny olona rehetra, ka hoy izy: “Kely ihany no nanompoan’i Ahaba an’i Bala,+ fa i Jeho kosa hanompo azy fatratra. 19  Koa antsoy ho eto amiko daholo ny mpaminanin’i+ Bala sy ny mpivavaka aminy+ ary ny mpisorony+ rehetra. Aza avela hisy tsy ho tonga na iray aza, fa hanao sorona lehibe ho an’i Bala aho. Hovonoina ho faty izay tsy tonga.” Hafetsena anefa no nanaovan’i Jeho izany,+ satria te handringana ny mpivavaka tamin’i Bala izy. 20  Hoy koa i Jeho: “Ambarao fa hisy fivoriambe manetriketrika ho an’i Bala!” Dia nambaran’izy ireo izany. 21  Ary nandefa iraka hitety ny Israely rehetra i Jeho,+ ka tonga daholo ny mpivavaka tamin’i Bala. Tsy nisy tsy tonga na iray aza. Ary tonga tsikelikely tao an-tranon’i Bala izy ireo,+ ka feno hipoka ilay trano. 22  Dia hoy izy tamin’ny mpiandraikitra ny fitoeran’akanjo: “Amoahy akanjo ny mpivavaka amin’i Bala rehetra.” Koa namoaka akanjo ho azy ireo izy. 23  Dia nankao an-tranon’i Bala i Jeho, niaraka tamin’i Jonadaba+ zanak’i Rekaba. Ary hoy izy tamin’ireo mpivavaka tamin’i Bala: “Jereo tsara ka hamarino sao misy mpivavaka amin’i Jehovah tafaraka aminareo ato, fa mpivavaka amin’i Bala ihany no tokony ho ato.”+ 24  Farany dia niditra izy ireo mba hanao sorona sy fanatitra dorana. Ary nisy valopolo lahy napetrak’i Jeho mba hiandry tany ivelany, ka nilazany hoe: “Raha misy tafatsoaka ireo lehilahy natolotro eo an-tananareo ireo, dia ny ain’ny iray aminareo no ho solon’ny ainy.”+ 25  Raha vao avy nanolotra ny fanatitra dorana i Jeho, dia niteny tamin’ireo mpihazakazaka sy manamboninahitra lefitra hoe: “Midira, ka vonoy ireo! Aza avela hisy ho tafavoaka na iray aza.”+ Dia namono azy ireo tamin’ny lelan-tsabatra ny mpihazakazaka sy ny manamboninahitra lefitra,+ ka nanipy ny fatiny tany ivelany. Ary nandeha hatrany amin’ny tanàna nisy ny tranon’i Bala izy ireo. 26  Avy eo dia navoakan’izy ireo ny tsato-kazo masina+ tao an-tranon’i Bala, ka nodorany+ tsirairay. 27  Noravany koa ny tsangambato masin’i Bala.+ Ary narodany ny tranon’i Bala+ ka nataony kabine+ mandraka androany. 28  Toy izany no namongoran’i Jeho an’i Bala tsy ho eo amin’ny Israely. 29  Tsy mba nialan’i Jeho anefa ny fahotan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, dia ireo fahotana nampanotan’i Jeroboama ny Israely,+ izany hoe ny fivavahana tamin’ilay zanak’omby volamena+ tany Betela sy ilay tany Dana.+ 30  Koa hoy i Jehovah tamin’i Jeho: “Tsara ny nataonao satria nanao izay mahitsy teo imasoko ianao,+ sady araka izay rehetra tao am-poko no nataonao tamin’ny ankohonan’i Ahaba.+ Noho izany, dia hisy zanakao lahy handimby anao eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely, hatrany amin’ny zafiafinao.”+ 31  Tsy nanaraka tsara ny lalàn’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin’ny fony manontolo anefa i Jeho.+ Tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, izay nampanotany ny Israely, mantsy izy.+ 32  Nanomboka nampisaratsaraka ny Israely i Jehovah, tamin’izany andro izany. Ary namely azy ireo foana i Hazaela,+ tany amin’ny faritra rehetran’ny Israely, 33  dia ny faritra nanomboka teo amin’ny Reniranon’i Jordana tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, nanerana an’i Gileada,+ sy ny tanin’ny Gadita+ sy ny Robenita+ ary ny Manasita,+ sy ny faritra nanomboka tany Aroera,+ any akaikin’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona, izany hoe i Gileada sy Basana.+ 34  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Jeho, mbamin’izay rehetra nataony sy ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany? 35  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Jeho,+ ka nalevina tany Samaria. Ary i Joahaza+ zanany no nanjaka nandimby azy. 36  Ary ny andro nanjakan’i Jeho teo amin’ny Israely dia valo amby roapolo taona, tany Samaria.

Fanamarihana