2 Mpanjaka 11:1-21

11  Rehefa hitan’i Atalia+ renin’i Ahazia+ fa maty ilay zanany, dia naripany avokoa ny tarana-mpanjaka.+  Nalain’i Joseba,+ zanakavavin’i Jorama Mpanjaka sady anabavin’i Ahazia, anefa i Joasy+ zanak’i Ahazia, ka nangalariny avy teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka efa hovonoina. Dia nataony tao amin’ny efitra anatiny nisy ny fandriana i Joasy sy ilay vehivavy mpampinono azy. Koa nafenina+ tsy ho hitan’i Atalia i Joasy, ka tsy novonoina.  Nafenina tao an-tranon’i Jehovah enin-taona izy, niaraka tamin’ilay vehivavy, raha mbola nanjaka nanerana ilay tany i Atalia.+  Ary tamin’ny taona fahafito dia nampanalain’i Joiada+ ny lehiben’ny zato tamin’ny Karianina+ mpiaro ny mpanjaka sy ny lehiben’ny mpihazakazaka,+ ka nentiny nankany aminy tao an-tranon’i Jehovah. Dia nanao fifanekena+ tamin’izy ireo izy, ary nampianiana+ azy ireo tao an-tranon’i Jehovah. Avy eo dia nasehony azy ireo ilay zanaky ny mpanjaka.  Dia nomeny baiko ireo hoe: “Izao no hataonareo: Ny ampahatelony aminareo izay miditra amin’ny andro sabata, dia hiambina tsara ny tranon’ny mpanjaka,+  ary ny ampahatelony ho eo amin’ny Vavahadin’ny+ Fototra, ary ny ampahatelony ambiny ho eo amin’ny vavahady ao ambadik’ireo mpihazakazaka. Ary hifandimby hiambina tsara ny tranon’ny mpanjaka+ ianareo.  Ny antokony roa aminareo izay tokony hivoaka amin’ny andro sabata no hiambina tsara ny tranon’i Jehovah, mba hiarovana ny mpanjaka.  Koa hodidino ny mpanjaka, ka samia mitana ny fiadiany avy. Ary hovonoina ho faty izay rehetra mitsofotsofoka eo amin’ireo laharana. Araho foana ny mpanjaka, na mivoaka na miditra.”  Dia nanao araka izay rehetra nandidian’i Joiada mpisorona ireo lehiben’ny zato,+ ka samy naka an’izay olom-peheziny, dia izay niditra tamin’ny andro sabata+ sy izay nivoaka tamin’ny andro sabata. Dia nankao amin’i Joiada mpisorona izy ireo. 10  Dia nomen’ilay mpisorona an’ireo lehiben’ny zato ny lefon’i Davida Mpanjaka sy ny ampingany boribory, izay tao an-tranon’i Jehovah.+ 11  Ary nijoro ny mpihazakazaka+ ka samy nitana ny fiadiany avy, nanomboka teo amin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatreny amin’ny lafiny ankavian’ny trano, sy teo akaikin’ny alitara+ ary teo akaikin’ny trano. Ary nisy koa nanodidina ny mpanjaka. 12  Avy eo dia navoakany ilay zanaky+ ny mpanjaka, ka nataony teo ambony lohany ny diadema+ sy ny horonam-boky misy ny Lalàna,+ ary nataony mpanjaka izy.+ Koa nanosotra azy ho mpanjaka izy ireo.+ Dia nitehaka izy ireo,+ sady nilaza hoe: “Ho ela velona anie ny mpanjaka!”+ 13  Rehefa ren’i Atalia ny firodorodon’ny olona nihazakazaka, dia nankany amin’ny vahoaka tany an-tranon’i Jehovah avy hatrany izy.+ 14  Dia hitan’i Atalia ny mpanjaka nitsangana teo akaikin’ny andry,+ araka ny fomba fanao. Teo akaikin’ny mpanjaka koa ireo lehibe sy ny mpitsoka trompetra.+ Hitany koa ny vahoaka manontolo nifaly+ sy nitsoka trompetra. Dia norovitin’i Atalia+ avy hatrany ny akanjony, sady niantso mafy izy hoe: “Fikomiana! Fikomiana!”+ 15  Nobaikoin’i Joiada mpisorona anefa ny lehiben’ny zato voatendry hitari-tafika,+ hoe: “Avoahy eny ivelan’ny filaharana izy. Ary izay rehetra manaraka azy, dia vonoy amin’ny sabatra!”+ Efa nilaza mantsy ilay mpisorona hoe: “Aza vonoina ao an-tranon’i Jehovah izy.” 16  Koa nosamborin’izy ireo ravehivavy. Dia novonoiny ho faty izy,+ raha vao tongany teo amin’ny lalana fidiran-tsoavaly+ teo amin’ny tranon’ny mpanjaka.+ 17  Avy eo dia nasain’i Joiada nanao fifanekena+ tamin’i Jehovah+ ny mpanjaka+ sy ny vahoaka, mba hanaporofoan’izy ireo fa olon’i Jehovah izy ireo. Nasainy nanao fifanekena tamin’ny mpanjaka koa ny vahoaka.+ 18  Taorian’izay, dia nankany amin’ny tranon’i Bala ny vahoaka manontolo, ka narodany ny alitarany.+ Dia nopotehin’izy ireo tanteraka ny sariny.+ Novonoin’izy ireo teo anoloan’ny alitara koa i Matana+ mpisoron’i Bala.+ Ary nanendry mpiandraikitra hikarakara ny tranon’i Jehovah ny mpisorona.+ 19  Ary nentiny niaraka taminy ireo lehiben’ny zato sy ny Karianina+ mpiaro ny mpanjaka sy ny mpihazakazaka+ ary ny vahoaka manontolo, mba hitondra ny mpanjaka hidina avy tao an-tranon’i Jehovah. Dia teo amin’ny vavahadin’ny+ mpihazakazaka no lalan’izy ireo hankany an-tranon’ny mpanjaka. Ary nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’ny+ mpanjaka i Joasy. 20  Dia nifaly ny vahoaka manontolo,+ ary nandry feizay ny tanàna. Ary i Atalia efa novonoina tamin’ny sabatra teo akaikin’ny tranon’ny mpanjaka.+ 21  Fito taona i Joasy+ tamin’izy nanomboka nanjaka.+

Fanamarihana