2 Mpanjaka 12:1-21

12  Tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Jeho,+ no lasa mpanjaka i Joasy,+ ary efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.  Ary nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah foana i Joasy, tamin’ny andro rehetra nampianaran’i Joiada mpisorona azy.+  Mbola tsy nesorina anefa ny toerana avo,+ ary mbola nanao sorona sy nanolotra setroka ho sorona teny ihany ny olona.  Ary hoy i Joasy tamin’ny mpisorona:+ “Ny vola rehetra ho an’ny fanatitra masina+ ka entina ao an-tranon’i Jehovah,+ izany hoe ny vola tsy maintsy aloan’ny tsirairay,+ sy ny vola omen’ny olona* nanao voady,+ ary ny vola rehetra entin’ny tsirairay an-tsitrapo ao an-tranon’i Jehovah,+  dia halain’ny mpisorona. Samy haka izany amin’ny olom-pantany ny mpisorona tsirairay.+ Dia hanamboatra an’izay triatra amin’ilay trano izy ireo.”+  Tamin’ny taona fahatelo amby roapolo nanjakan’i Joasy Mpanjaka anefa, dia mbola tsy namboarin’ireo mpisorona ihany ny triatra tamin’ilay trano.+  Nantsoin’i Joasy Mpanjaka àry i Joiada+ mpisorona sy ireo mpisorona hafa, ka nanontaniany hoe: “Nahoana no tsy amboarinareo ny triatra amin’ny trano? Aza maka vola amin’ny olom-pantatrareo intsony, fa omeo hanamboarana ny triatra amin’ny trano kosa ny vola efa voangona.”+  Dia nanaiky tsy haka vola amin’ny olona intsony sy tsy hanamboatra ny triatra amin’ny trano ny mpisorona.  Koa naka vata kely+ i Joiada mpisorona, ka nolavahany ny sarony. Dia napetrany teo anilan’ny alitara ilay vata, izany hoe teo ankavanana rehefa niditra tao an-tranon’i Jehovah. Ary tao no napetraky ny mpisorona mpiandry varavarana+ ny vola+ rehetra nentina tao an-tranon’i Jehovah. 10  Raha vao hitan’izy ireo fa nisy vola be tao amin’ilay vata, dia niakatra ny mpitan-tsoratry+ ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka namatotra sy nanisa ny vola hita tao an-tranon’i Jehovah.+ 11  Ary ny vola voaisa dia natolony ny mpanao ny asa,+ izay notendrena ho ao an-tranon’i Jehovah. Ireo indray nanome izany ho an’ny mpandrafitra sy ny mpanorina, izay niasa tao an-tranon’i Jehovah, 12  sy ho an’ny mpandatsa-biriky sy ny mpipai-bato.+ Nomena koa izany mba hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny triatra amin’ny tranon’i Jehovah, sy hampiasaina amin’ny lany rehetra amin’ny fanamboarana ilay trano. 13  Ary ny tranon’i Jehovah dia tsy nanaovana koveta volafotsy, na famonoan-jiro,+ na vilia baolina,+ na trompetra,+ na zavatra vita tamin’ny volamena na volafotsy, avy tamin’ny vola nentina tao an-tranon’i Jehovah.+ 14  Nomena ny mpanao ny asa mantsy ny vola, ka nanamboaran’izy ireo ny tranon’i Jehovah.+ 15  Ary tsy natao ampamoaka+ ireo lehilahy notolorana an’ilay vola homena ny mpanao ny asa,+ satria mendri-pitokisana+ izy ireo tamin’ny asany. 16  Tsy nentina tao an-tranon’i Jehovah kosa ny vola ho an’ny fanatitra noho ny heloka,+ sy ny vola ho an’ny fanatitra noho ny ota. Dia lasa fananan’ny mpisorona izany.+ 17  Dia niakatra hamely an’i Gata+ sy hamabo azy i Hazaela+ mpanjakan’i Syria. Avy eo dia tapa-kevitra*+ hiakatra hamely an’i Jerosalema izy.+ 18  Ary nalain’i Joasy mpanjakan’ny Joda ny fanatitra masina+ rehetra, izay nohamasinin’ireo razambeny mpanjakan’ny Joda, dia i Josafata sy Jorama ary Ahazia. Nalainy koa ny fanatitra masina natolony, sy ny volamena rehetra tao amin’ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’i Jehovah sy tao an-tranon’ny mpanjaka, ka nalefany+ tany amin’i Hazaela mpanjakan’i Syria. Koa lasa i Hazaela fa tsy namely an’i Jerosalema. 19  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Joasy, mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany? 20  Niray tetika+ hamono an’i Joasy anefa ny mpanompony,+ ka namono azy tao amin’ilay trano+ teo amin’ny Dongon-tany,+ izay tany amin’ny lalana midina ho any Sila. 21  I Jozakara zanak’i Simata sy Jozabada+ zanak’i Somera, mpanompony no namono azy ka maty izy. Koa nalevina any amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida izy. Ary i Amazia+ zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “nampitodika ny tavany.”