2 Mpanjaka 13:1-25

13  Tamin’ny taona fahatelo amby roapolo nanjakan’i Joasy+ zanak’i Ahazia+ mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely tany Samaria i Joahaza+ zanak’i Jeho.+ Ary fito ambin’ny folo taona no nanjakany.  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana i Joahaza,+ ka tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely.+ Tsy niala tamin’izany izy.  Koa nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’i Jehovah,+ ka natolony teo an-tanan’i Hazaela+ mpanjakan’i Syria sy Beni-hadada+ zanak’i Hazaela izy ireo, tamin’ny andro rehetra niainan’izy ireo.  Tatỳ aoriana, dia nampitony+ an’i Jehovah i Joahaza. Dia nihaino+ azy i Jehovah, satria hitany ny fahorian’ny Israely,+ noho ny fampahorian’ny mpanjakan’i Syria azy ireo.+  Koa nomen’i Jehovah mpamonjy ny Israely,+ ka tsy teo ambany fahefan’i Syria intsony. Ary afaka nonina tao an-tranony toy ny teo aloha ny zanak’Israely.+  Tsy niala tamin’ny fahotan’ny ankohonan’i Jeroboama, izay nampanotany ny Israely, anefa izy ireo,+ fa nanao izany foana.+ Ary na ilay tsato-kazo masina+ aza mbola nijoro tany Samaria ihany.  Ary tsy nisy afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimampolo sy kalesy folo ary lehilahy iray alina mandeha an-tongotra sisa no tao amin’ny tafik’i Joahaza,+ satria naringan’ny mpanjakan’i Syria ireny,+ ka nohosihoseny toy ny vovoka eny am-pamoloana.+  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Joahaza, mbamin’izay rehetra nataony sy ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany?  Farany dia nodimandry any amin’ny razany i Joahaza, ka nalevina tany Samaria.+ Ary i Joasy+ zanany no nanjaka nandimby azy. 10  Tamin’ny taona fahafito amby telopolo nanjakan’i Joasy mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely tany Samaria i Joasy+ zanak’i Joahaza. Ary enina ambin’ny folo taona no nanjakany. 11  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy,+ ka tsy niala tamin’ny fahotana rehetra nataon’i Jeroboama zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely,+ fa nanao izany foana. 12  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Joasy, mbamin’izay rehetra nataony sy ny heriny ary ny niadiany+ tamin’i Amazia mpanjakan’ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany? 13  Farany dia nodimandry any amin’ny razany i Joasy, ary i Jeroboama+ no nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany. Dia nalevina tany Samaria, tany amin’ireo mpanjakan’ny Israely, i Joasy.+ 14  Ary i Elisa+ dia nararin’ny aretina hahafaty azy.+ Koa nidina tany aminy i Joasy mpanjakan’ny Israely, ka nihohoka nitomany teo amin’ny tarehiny, sady nilaza hoe: “Ry raiko ô,+ ry raiko ô, ny kalesin’adin’ny Israely mbamin’ny mpitaingin-tsoavaliny!”+ 15  Ary hoy i Elisa taminy: “Makà tsipìka sy zana-tsipìka.” Dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy. 16  Ary hoy i Elisa tamin’ny mpanjakan’ny Israely: “Ataovy eo amin’ny tsipìka ny tananao.” Dia nataony teo ny tanany, ary ny tanan’i Elisa kosa nataony teo amin’ny tanan’ny+ mpanjaka. 17  Hoy izy avy eo: “Sokafy ny varavarankely atsinanana.” Dia nosokafany izany. Ary hoy i Elisa: “Mitifira!” Dia nitifitra izy. Hoy indray i Elisa: “Zana-tsipìkan’ny famonjen’i Jehovah, dia ny zana-tsipìkan’ny famonjena+ hamelezana an’i Syria! Ary hamely an’i Syria ianao ao Afeka,+ mandra-pandringanao azy.” 18  Hoy indray i Elisa: “Raiso ny zana-tsipìka.” Dia noraisiny izany. Ary hoy i Elisa tamin’ny mpanjakan’ny Israely: “Kapohy ny tany.” Ary nikapoka intelo izy, dia nijanona.+ 19  Koa tezitra taminy ilay lehilahin’Andriamanitra,+ ka niteny hoe: “Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao! Amin’izay mantsy dia hamely an’i Syria ianao, ka handringana azy. Fa izao kosa dia intelo ihany ianao no hamely azy.”+ 20  Ary maty i Elisa ka nalevina.+ Ary nisy Moabita+ mpandroba+ tonga teo amin’ilay tany, isaky ny fiandohan’ny taona. 21  Indray andro, dia nisy olona nandevina lehilahy iray, ka sendra nahatazana an’ireo mpandroba. Koa natsipiny avy hatrany tao amin’ny toerana nandevenana an’i Elisa ilay faty, dia lasa izy ireo. Rehefa nikasika ny taolan’i Elisa anefa ilay faty, dia velona avy hatrany+ ka nijoro tamin’ny tongony.+ 22  Ary nampahorin’i+ Hazaela+ mpanjakan’i Syria ny Israely, tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Joahaza. 23  Tsara fanahy tamin’izy ireo+ sy niantra+ azy anefa i Jehovah ka nitsinjo azy, noho ny fifanekena nataony+ tamin’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Jakoba.+ Tsy tiany ho ringana izy ireo,+ ka tsy nariany tanteraka tsy ho eo anatrehany hatramin’izao. 24  Farany dia maty i Hazaela mpanjakan’i Syria, ary i Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy. 25  Ary nalain’i Joasy zanak’i Joahaza indray ireo tanàna teo am-pelatanan’i Beni-hadada zanak’i Hazaela. Tamin’ny ady mantsy no nahazoan’i Beni-hadada an’ireo tanàna ireo teo am-pelatanan’i Joahaza rain’i Joasy. Koa namely azy intelo i Joasy, ka azony indray ireo tanànan’ny Israely.+

Fanamarihana