2 Mpanjaka 14:1-29

14  Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Joasy+ zanak’i Joahaza mpanjakan’ny Israely, no lasa mpanjaka i Amazia+ zanak’i Joasy mpanjakan’ny Joda.  Dimy amby roapolo taona izy, tamin’izy nanomboka nanjaka, ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadina+ avy any Jerosalema.  Nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah foana izy,+ saingy tsy toy ny nataon’i Davida razambeny.+ Toy izay rehetra nataon’i Joasy rainy no nataony.+  Mbola tsy nesorina anefa ny toerana avo,+ ary mbola nanao sorona sy nanolotra setroka ho sorona teny ihany ny olona.+  Ary raha vao mafy orina ny fanjakana nentiny, dia novonoiny ho faty+ ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.+  Tsy novonoiny anefa ny zanak’ireo mpamono, araka ny voasoratra ao amin’ny boky misy ny lalàn’i Mosesy, izay misy izao didin’i Jehovah izao:+ “Ny ray tsy tokony hovonoina ho faty noho ny ataon’ny zanaka, ary ny zanaka tsy tokony hovonoina ho faty noho ny ataon’ny ray. Noho ny fahotany ihany no tokony hamonoana ny tsirairay.”+  Ary nahafaty lehilahy edomita+ iray alina teo amin’ny Lohasahan-tsira+ i Amazia. Azony tamin’ny ady koa ny tanànan’i Sela, ka natao hoe Joktela ny anaran’izy io mandraka androany.  Dia nandefa iraka ho any amin’i Joasy zanak’i Joahaza, zanak’i Jeho mpanjakan’ny Israely, i Amazia nanao hoe: “Tongava, andao isika hifanandrina.”+  Dia naniraka olona nankany amin’i Amazia mpanjakan’ny Joda i Joasy mpanjakan’ny Israely, hilaza hoe: “Nandefa iraka ho any amin’ny hazo sedera+ tany Libanona ny tsilo tany Libanona, nanao hoe: ‘Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy.’ Nandalo anefa ny bibidia iray tany Libanona, ka nanosihosy an’ilay tsilo.+ 10  Marina fa nandresy+ an’i Edoma ianao, ka nasesiky ny fonao hanandra-tena.+ Mifalia anefa amin’ny voninahitrao,+ ary mitoera ihany ao an-tranonao. Aza mila ady,+ fa ho resy ianao sy ny Joda miaraka aminao satria atody miady amam-bato+ ianareo.” 11  Tsy nanaiky anefa i Amazia.+ Niakatra àry i Joasy mpanjakan’ny Israely, ka nifanandrina+ tany Beti-semesy+ any Joda izy ireo, dia izy sy Amazia mpanjakan’ny Joda. 12  Dia resy teo anoloan’ny Israely ny Joda,+ ka samy nandositra nankany amin’ny tranolainy avy. 13  Ary i Amazia mpanjakan’ny Joda zanak’i Joasy zanak’i Ahazia, no nosamborin’i Joasy mpanjakan’ny Israely tany Beti-semesy. Dia nankany Jerosalema izy ireo. Ary nanagorobahan’i Joasy efajato hakiho* ny mandan’i Jerosalema, nanomboka teo amin’ny Vavahadin’i Efraima+ ka hatreo amin’ny Vavahady An-jorony.+ 14  Dia nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy ary ny fitaovana tao an-tranon’i Jehovah,+ sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’ny mpanjaka. Nisy koa olona nalainy ho takalon’aina. Dia niverina tany Samaria izy. 15  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Joasy, dia izay nataony sy ny heriny, ary ny niadiany tamin’i Amazia mpanjakan’ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany? 16  Farany dia nodimandry any amin’ny razany i Joasy,+ ka nalevina tany Samaria+ niaraka tamin’ireo mpanjakan’ny Israely. Ary i Jeroboama+ zanany no nanjaka nandimby azy. 17  Mbola velona dimy ambin’ny folo taona i Amazia+ zanak’i Joasy mpanjakan’ny Joda, taorian’ny nahafatesan’i Joasy+ zanak’i Joahaza mpanjakan’ny Israely.+ 18  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Amazia, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany?+ 19  Tatỳ aoriana, dia nisy niray tetika+ hanohitra azy tany Jerosalema, ka nandositra tany Lakisy+ izy. Nisy nirahina hanenjika azy tany anefa ka namono azy tany.+ 20  Ary nentina tamin’ny soavaly ny fatiny ka nalevina+ any amin’ny razany tany Jerosalema, tao amin’ny Tanànan’i Davida.+ 21  Dia nalain’ny mponin’i Joda rehetra i Azaria,+ izay enina ambin’ny folo taona,+ ka nataony mpanjaka handimby an’i Amazia rainy.+ 22  Izy no nanorina an’i Elata+ ka nampody azy tamin’ny Joda, rehefa nodimandry any amin’ny razany ny mpanjaka. 23  Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Amazia zanak’i Joasy mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjaka tany Samaria i Jeroboama+ zanak’i Joasy mpanjakan’ny Israely. Ary iraika amby efapolo taona no nanjakany. 24  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy, ka tsy niala tamin’ny fahotana rehetra nataon’i Jeroboama zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely.+ 25  Izy no namerina tamin’ny Israely ny sisin-taniny, hatreo amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata+ ka hatrany amin’ny ranomasin’i Araba.+ Izany dia araka ny tenin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, tamin’ny alalan’i Jona+ mpanompony, zanak’i Amitahy, dia ilay mpaminany avy any Gata-hefera.+ 26  Fa hitan’i Jehovah ny fahoriana tena mangidy nanjo ny Israely.+ Ary na ny tsy misy mpiaro sy ny tsy misy ilana azy aza, dia tsy nisy teo amin’ny Israely. Tsy nisy mpamonjy koa ny Israely.+ 27  Efa nampanantena anefa i Jehovah fa tsy hanafoana ny anaran’ny Israely tsy ho etỳ ambanin’ny lanitra.+ Koa novonjeny+ tamin’ny alalan’i Jeroboama zanak’i Joasy izy ireo. 28  Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve ny sisa amin’ny tantaran’i Jeroboama, mbamin’izay rehetra nataony sy ny heriny, sy ny niadiany ary ny nampodiany an’i Damaskosy+ sy Hamata+ tamin’ny Joda sy Israely? 29  Farany dia nodimandry any amin’ny razany, any amin’ireo mpanjakan’ny Israely, i Jeroboama. Ary i Zakaria+ zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

178 m eo ho eo.