2 Mpanjaka 15:1-38

15  Tamin’ny taona fahafito amby roapolo nanjakan’i Jeroboama mpanjakan’ny Israely, no lasa mpanjaka i Azaria+ zanak’i Amazia+ mpanjakan’ny Joda.  Enina ambin’ny folo taona i Azaria, tamin’izy nanomboka nanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema.+ Ny anaran-dreniny dia Jekolia avy any Jerosalema.  Ary nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah izy, toy izay rehetra nataon’i Amazia rainy.+  Mbola tsy nesorina anefa ny toerana avo,+ ary mbola nanao sorona sy nanolotra setroka ho sorona teny ihany ny olona.+  Farany, dia namely ny mpanjaka i Jehovah.+ Koa boka+ mandra-pahafatiny izy, ka nipetraka tao an-tranony, fa tsy afaka namita ny andraikiny.+ Ary i Jotama+ zanaky ny mpanjaka no niandraikitra ny trano, ka nitsara+ ny vahoaka.  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Azaria, mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany?  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Azaria,+ ka nalevina any amin’ny razany, tao amin’ny Tanànan’i Davida. Ary i Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.+  Tamin’ny taona fahavalo amby telopolo nanjakan’i Azaria+ mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely i Zakaria+ zanak’i Jeroboama. Ary enim-bolana no nanjakan’i Zakaria tany Samaria.  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy, toy ny nataon’ny razany,+ ka tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely.+ 10  Ary nanao tetika+ i Saloma zanak’i Jabesy ka namely+ azy tany Ibleama,+ dia namono azy ho faty, ary nanjaka nandimby azy. 11  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Zakaria, dia efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely. 12  Izany ilay nolazain’i Jehovah+ tamin’i Jeho hoe:+ “Hisy zanakao lahy+ handimby anao eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely, hatrany amin’ny zafiafinao.” Dia tanteraka tokoa izany.+ 13  Ary lasa mpanjaka i Saloma zanak’i Jabesy, tamin’ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan’i Ozia+ mpanjakan’ny Joda. Ary iray volana feno no nanjakany tany Samaria.+ 14  I Menahema+ zanak’i Gady kosa niakatra avy any Tirza,+ ka tonga tany Samaria. Dia namely an’i Saloma+ zanak’i Jabesy tany Samaria izy, ka namono azy ho faty. Ary izy no nanjaka nandimby azy. 15  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Saloma sy ny teti-dratsiny,+ dia efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely. 16  Tamin’izay i Menahema no tonga avy any Tirza, mba hamely ny tanànan’i Tifsa sy izay rehetra tao aminy ary ny faritaniny. Tsy nanokatra vavahady mantsy ny mponina tao, ka nasiany. Ary notatahiny ny kibon’ny vehivavy bevohoka rehetra tao.+ 17  Tamin’ny taona fahasivy amby telopolo+ nanjakan’i Azaria mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely i Menahema zanak’i Gady. Ary folo taona no nanjakan’i Menahema tany Samaria. 18  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy tamin’ny andro rehetra niainany,+ ka tsy niala tamin’ny fahotana rehetra nataon’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely.+ 19  Ary tonga teo amin’ilay tany i Pola+ mpanjakan’i Asyria.+ Dia nomen’i+ Menahema talenta volafotsy arivo i Pola,+ mba hanampian’i Pola azy hanamafy orina ny fahefany teo amin’ny fanjakany.+ 20  Dia navoakan’i Menahema ny volafotsy nasainy naloan’ny Israely, mba homena ny mpanjakan’i Asyria. Nasainy nandoa sekely volafotsy dimampolo avy mantsy ny lehilahy matanjaka sy mahery fo rehetra.+ Dia lasa ny mpanjakan’i Asyria, fa tsy nijanona teo amin’ilay tany. 21  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Menahema,+ mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany? 22  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Menahema, ary i Pekahia+ zanany no nanjaka nandimby azy. 23  Tamin’ny taona fahadimampolo nanjakan’i Azaria mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely i Pekahia zanak’i Menahema. Ary roa+ taona no nanjakan’i Pekahia tany Samaria. 24  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy,+ ka tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely.+ 25  Ary nikomy+ taminy i Peka+ zanak’i Remalia manamboninahitra lefiny.+ Dia novonoin’i Peka tao amin’ny tilikambo fonenana teo amin’ny tranon’ny mpanjaka+ izy sy Argoba ary Aria, tany Samaria. Nisy dimampolo lahy taranak’i Gileada, niaraka tamin’i Peka. Dia namono azy i Peka, ka nanjaka nandimby azy. 26  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Pekahia, mbamin’izay rehetra nataony, dia efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely. 27  Tamin’ny taona faharoa amby dimampolo nanjakan’i Azaria mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely tany Samaria i Peka+ zanak’i Remalia.+ Ary roapolo taona no nanjakan’i Peka. 28  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy,+ ka tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, izay nampanotany ny Israely.+ 29  Tamin’ny andron’i Peka mpanjakan’ny Israely i Tiglato-pilesera+ mpanjakan’i Asyria+ no tonga naka ny tanin’i Naftaly+ manontolo, dia i Iona+ sy Abela-beti-maka+ sy Janoha sy Kedesy+ sy Hazora+ sy Gileada+ ary Galilia.+ Ary nataony sesitany tany Asyria ny mponin’ireo.+ 30  Farany, dia nikomy+ tamin’i Peka zanak’i Remalia i Hosea+ zanak’i Elaha, ary namely+ azy ka nahafaty azy. Ary izy no nanjaka nandimby azy, tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Jotama+ zanak’i Ozia. 31  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Peka, mbamin’izay rehetra nataony, dia efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely. 32  Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Peka zanak’i Remalia mpanjakan’ny Israely, no lasa mpanjaka i Jotama+ zanak’i Ozia+ mpanjakan’ny Joda. 33  Dimy amby roapolo taona i Jotama tamin’izy nanomboka nanjaka, ary enina ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jerosa zanak’i Zadoka.+ 34  Ary nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah foana izy,+ toy izay rehetra nataon’i Ozia rainy.+ 35  Mbola tsy nesorina anefa ny toerana avo, ary mbola nanao sorona sy nanolotra setroka ho sorona teny ihany ny olona.+ Izy no nanorina ny vavahady ambony tamin’ny tranon’i Jehovah.+ 36  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Jotama, dia izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany?+ 37  Tamin’izany andro izany i Jehovah no nanomboka nandefa+ an’i Rezina+ mpanjakan’i Syria sy Peka+ zanak’i Remalia, mba hamely ny Joda. 38  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Jotama, ka nalevina any amin’ny razany, tao amin’ny Tanànan’i Davida razambeny.+ Ary i Ahaza+ zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana