2 Mpanjaka 16:1-20

16  Tamin’ny taona fahafito ambin’ny folo nanjakan’i Peka zanak’i Remalia, no lasa mpanjaka i Ahaza+ zanak’i Jotama mpanjakan’ny Joda.  Roapolo taona i Ahaza tamin’izy nanomboka nanjaka, ary enina ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah Andriamaniny izy, tsy mba toa an’i Davida razambeny.+  Nanao hoatran’izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely kosa izy,+ ka nandoro* ny zanany tao anaty afo.+ Zava-maharikoriko+ fanaon’ireo firenena noroahin’i Jehovah noho ny amin’ny zanak’Israely, izany nataony izany.  Ary nanao sorona sy nanolotra setroka ho sorona foana izy, teny amin’ny toerana avo+ sy ny havoana+ ary teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra.+  Tamin’izay i Rezina+ mpanjakan’i Syria sy Peka+ zanak’i Remalia mpanjakan’ny Israely, no niakatra hiady tamin’i Jerosalema sy hanao fahirano an’i Ahaza, nefa tsy naharesy.+  Tamin’izay koa i Rezina mpanjakan’i Syria no nampody an’i Elata+ tamin’i Edoma. Dia nesoriny tany Elata ny Jiosy. Koa niditra tany Elata ny Edomita, ka monina any mandraka androany.  Nandefa iraka ho any amin’i Tiglato-pilesera+ mpanjakan’i Asyria àry i Ahaza, nanao hoe: “Mpanomponao aho+ sady zanakao. Koa miakara hamonjy+ ahy eo am-pelatanan’ny mpanjakan’i Syria sy ny mpanjakan’ny Israely, fa mitsangana hamely ahy ry zareo.”  Ary nalain’i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena tao an-tranon’i Jehovah sy tao amin’ireo zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’ny mpanjaka,+ ka nalefany hatao tsolotra ho an’ny mpanjakan’i Asyria.+  Dia nihaino ny teniny ny mpanjakan’i Asyria ka niakatra tany Damaskosy+ ary namabo azy.+ Ary nataony sesitany tany Kira+ ny vahoaka tao, fa i Rezina+ kosa novonoiny ho faty. 10  Ary nandeha nitsena an’i Tiglato-pilesera+ mpanjakan’i Asyria tany Damaskosy i Ahaza+ Mpanjaka. Dia hitany ilay alitara+ tany Damaskosy. Koa nalefany tany amin’i Oria mpisorona ny drafitr’ilay alitara sy ny modely nanaovana azy manontolo.+ 11  Ary nanorina alitara+ i Oria+ mpisorona, araka ny toromarika rehetra nalefan’i Ahaza Mpanjaka avy tany Damaskosy. Dia nataon’i Oria izany, mandra-pahatongan’i Ahaza Mpanjaka avy tany Damaskosy. 12  Rehefa tonga avy tany ny mpanjaka, dia hitany ilay alitara.+ Ary nankeo izy ka nanolotra fanatitra teo amboniny.+ 13  Ary nodorany mba hidona-tsetroka+ ny fanatitra dorana+ sy ny fanatitra varimbazaha+ natolony. Nandraraka fanatitra zava-pisotro+ koa izy, ary nafafiny teo ambonin’ilay alitara ny ran’ny sorona iombonana natolony. 14  Dia nafindrany nankeo avaratry ny alitarany ilay alitara varahina+ teo anatrehan’i Jehovah, izay teo anoloan’ilay trano, izany hoe teo anelanelan’ny alitarany sy ny tranon’i Jehovah.+ 15  Ary nandidy an’i Oria+ mpisorona i Ahaza Mpanjaka hoe: “Eo ambonin’ilay alitara lehibe no dory mba hidona-tsetroka ny fanatitra dorana amin’ny maraina,+ sy ny fanatitra varimbazaha amin’ny takariva,+ mbamin’ny fanatitra dorana sy ny fanatitra varimbazaha avy amin’ny mpanjaka,+ ary ny fanatitra dorana sy ny fanatitra varimbazaha sy ny fanatitra zava-pisotro avy amin’ny vahoaka manontolo. Ary afafazo eo ambonin’io alitara io ny ra rehetra avy amin’ny fanatitra dorana sy avy amin’ny sorona. Fa mbola hodinihiko izay hatao amin’ilay alitara varahina.” 16  Dia nanao araka izay rehetra nandidian’i Ahaza Mpanjaka i Oria+ mpisorona.+ 17  Nopotipotehin’i+ Ahaza Mpanjaka koa ireo takela-barahina+ tamin’ireo kalesin’ny tempoly,+ ary nesoriny ny koveta+ teny ambonin’ireo kalesy. Ilay fitoeran-drano lehibe nantsoina hoe ranomasina varahina+ kosa nampidininy avy teo amin’ireo omby varahina,+ ka napetrany teo amin’ny tokotany vato. 18  Ary noho ny amin’ny mpanjakan’i Asyria, dia nesorin’i Ahaza tsy ho ao an-tranon’i Jehovah ny faritra mitafo fampiasa amin’ny sabata, izay efa tao amin’ilay trano, sy ny varavarana ivelany fidiran’ny mpanjaka. 19  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Ahaza, dia izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany? 20  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Ahaza, ka nalevina any amin’ny razany, tao amin’ny Tanànan’i Davida.+ Ary i Hezekia+ zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

A.b.t.: “nampandalo.”