2 Mpanjaka 17:1-41

17  Tamin’ny taona faharoa ambin’ny folo nanjakan’i Ahaza mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely tany Samaria+ i Hosea+ zanak’i Elaha. Sivy taona no nanjakan’i Hosea,  ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy, saingy tsy toy ireo mpanjakan’ny Israely talohany.+  Niakatra hanafika azy i Salmanesera+ mpanjakan’i Asyria.+ Koa lasa mpanompon’i Salmanesera i Hosea, ka nandoa hetra+ taminy.  Hitan’ny mpanjakan’i Asyria anefa fa nisy tetika+ nokotrehin’i Hosea. Nandefa iraka ho any amin’i So mpanjakan’i Ejipta+ mantsy i Hosea, sady tsy niakatra nitondra hetra ho any amin’ny mpanjakan’i Asyria intsony toy ny tamin’ireo taona teo aloha. Koa nogadrain’ny mpanjakan’i Asyria izy, ka nofatorany tao am-ponja.+  Ary niakatra hamely an’ilay tany manontolo ny mpanjakan’i Asyria. Niakatra tany Samaria koa izy, ka nanao fahirano+ azy telo taona.  Tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea, dia nobaboin’ny mpanjakan’i Asyria i Samaria.+ Ary nataony sesitany+ tany Asyria ny Israely, ka napetrany tany Hala+ sy tany Habora izay eo amin’ny reniranon’i Gozana,+ ary tany amin’ireo tanànan’ny Medianina.+  Izany no nitranga noho ny nanotan’ny+ zanak’Israely tamin’i Jehovah Andriamaniny, izay nitondra azy niakatra avy tany Ejipta avy teo an-tanan’i Farao mpanjakan’i Ejipta.+ Natahotra andriamani-kafa koa izy ireo.+  Ary ny lalàn’ireo+ firenena noroahin’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny zanak’Israely, sy ny lalàna noforonin’ny mpanjakan’ny Israely no notandreman’izy ireo.  Koa nanao zavatra tsy tsara teo imason’i Jehovah Andriamaniny ny zanak’Israely,+ sady nanorina toerana avo+ tany amin’ny tanànany rehetra, nanomboka teo amin’ny tilikambon’ny+ mpitily ka hatrany amin’ny tanàna voaro mafy, 10  ary nanangana tsangambato masina+ sy tsato-kazo masina,+ teny amin’ny havoana avo+ rehetra sy teny ambanin’ny hazo midoroboka rehetra.+ 11  Ary teny amin’ny toerana avo rehetra no nanoloran’izy ireo setroka ho sorona, toy ny nataon’ireo firenena+ nalefan’i Jehovah sesitany noho ny amin’izy ireo. Nanao ratsy foana izy ireo mba hampahatezitra+ an’i Jehovah. 12  Nanompo sampy maharikoriko koa izy ireo,+ nefa i Jehovah efa niteny hoe: “Aza manao izany zavatra izany.”+ 13  I Jehovah anefa efa nampitandrina+ foana ny Israely+ sy ny Joda,+ tamin’ny alalan’ny mpaminaniny+ rehetra sy ny mpahita+ rehetra, nanao hoe: “Mialà amin’ny lalan-dratsinareo+ ary tandremo ny didiko+ sy ny fitsipiko,+ araka ny lalàna+ rehetra izay nandidiako ny razanareo+ sy nalefako tany aminareo tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompoko.”+ 14  Tsy nihaino anefa izy ireo fa nanamafy hatoka+ foana, toy ny nataon’ny razany izay tsy naneho finoana+ an’i Jehovah Andriamaniny. 15  Nolaviny foana ny fitsipik’Andriamanitra sy ny fifanekena+ nataony tamin’ny razany, ary ny fampahatsiahivana+ nolazainy tamin’izy ireo mba hampitandremana azy. Ary nanaraka sampy tsy misy ilana azy+ izy ireo tahaka an’ireo firenena nanodidina azy, ka lasa tsy nisy ilana azy+ koa. Efa nandidy azy anefa i Jehovah mba tsy hanao toy ireny firenena ireny.+ 16  Ary niala tamin’ny didy+ rehetra nomen’i Jehovah Andriamaniny izy ireo, ka nanao sarivongana+ zanak’omby roa+ tamin’ny metaly. Nanao tsato-kazo masina+ koa izy ireo, sady niankohoka tamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra,+ ary nanompo an’i Bala.+ 17  Ary nandoro* ny zanany lahy sy ny zanany vavy tao anaty afo+ izy ireo, sady nanao sikidy+ sy nitady fambara,+ ary tsy nanan-tsaina afa-tsy+ ny hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah, mba hampahatezitra+ azy. 18  Koa tezitra mafy+ tamin’ny Israely i Jehovah, ka nesoriny tsy ho eo imasony izy ireo.+ Tsy navelany hisy hiangana, afa-tsy ny fokon’i Joda.+ 19  Na ny Joda aza anefa tsy nitandrina ny didin’i Jehovah Andriamaniny,+ fa ny lalàna noforonin’ny Israely+ no notandremany. 20  Koa nolavin’i Jehovah ny taranak’Israely+ manontolo, ka nampahoriny foana sady natolony teo an-tanan’ny mpandroba, ary tamin’ny farany dia nariany tanteraka tsy ho eo anatrehany.+ 21  Ary efa nendahany niala tamin’ny taranak’i Davida ny Israely. Koa nataon’izy ireo mpanjaka i Jeroboama zanak’i Nebata. Nampiala ny Israely tsy hanaraka an’i Jehovah anefa i Jeroboama,+ ka nahatonga ny Israely hanao fahotana lehibe.+ 22  Ary tsy niala tamin’ny fahotana rehetra nataon’i Jeroboama ny zanak’Israely.+ Eny, tsy niala tamin’izany izy ireo, 23  mandra-panaisotr’i Jehovah ny Israely tsy ho eo imasony,+ araka izay nolazainy tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony rehetra.+ Nesorina tamin’ny taniny àry ny Israely ka natao sesitany any Asyria, ary mbola any mandraka androany.+ 24  Tatỳ aoriana, dia nitondra olona avy any Babylona+ sy Kota sy Ava+ sy Hamata+ ary Sefarvaima+ ny mpanjakan’i Asyria. Ary napetrany hisolo ny zanak’Israely tao amin’ireo tanànan’i Samaria+ ireo olona ireo. Dia naka an’i Samaria ho fananany izy ireo, ka nonina tao amin’ireo tanàna tao. 25  Ary tsy natahotra+ an’i Jehovah izy ireo, raha vao nanomboka nonina tao, ka nandefasan’i Jehovah liona.+ Dia namono olona teo amin’izy ireo ny liona. 26  Koa nandefa hafatra tany amin’ny mpanjakan’i Asyria izy ireo, nanao hoe: “Ireo firenena nataonao sesitany sy napetrakao ao amin’ireo tanànan’i Samaria, dia tsy mahalala ny fivavahana amin’ny Andriamanitr’ilay tany, ka andefasany liona.+ Ary vonoin’ny liona izy ireo satria tsy misy mahalala ny fivavahana amin’ny Andriamanitr’ilay tany.” 27  Dia namoaka didy ny mpanjakan’i Asyria, hoe: “Asaivo mankany ny iray amin’ny mpisorona,+ izay nipetraka tany talohan’ny nanaovana azy sesitany. Asaivo mipetraka any izy mba hampianatra azy ireo ny fivavahana amin’ny Andriamanitr’ilay tany.” 28  Koa tonga ny iray tamin’ny mpisorona izay nipetraka tany Samaria talohan’ny nanaovana azy sesitany. Ary nipetraka tao Betela+ izy ka nampianatra ny fomba hatahorana an’i Jehovah.+ 29  Samy nanao ny andriamaniny avy anefa ny firenena tsirairay,+ ka nametraka izany tao amin’ireo trano teny amin’ny toerana avo nataon’ny Samaritanina. Eny, samy nanao ny azy ny firenena tsirairay, tao amin’ny tanàna nipetrahany. 30  Ny olona avy any Babylona dia nanao an’i Sokota-benota, ny avy any Kota+ nanao an’i Nergala, ary ny avy any Hamata kosa nanao an’i Asima. 31  Ny Avita+ indray nanao an’i Nibaza sy Tartaka. Ny Sefarvita+ kosa nandoro ny zanany tao anaty afo+ ho an’i Adrameleka sy Anameleka andriamanitr’i Sefarvaima. 32  Nanjary natahotra an’i Jehovah izy ireo, ary nanendry mpisoron’ny+ toerana avo avy tamin’ny sarambabem-bahoaka, ka ireny no niasa ho azy ireo tao amin’ireo trano teny amin’ny toerana avo. 33  I Jehovah no nanjary natahoran’izy ireo,+ nefa ny andriamaniny ihany no nivavahany,+ araka ny fivavahan’ireo firenena niaviany talohan’ny sesitany.+ 34  Araka ny fivavahany taloha ihany no nataon’izy ireo mandraka androany.+ Tsy nisy natahotra an’i Jehovah,+ na nitandrina ny fitsipiny sy ny didim-pitsarany,+ mbamin’ny lalàna+ sy ny didy+ nomen’i Jehovah ny taranak’ilay Jakoba+ novany anarana hoe Israely,+ 35  tamin’i Jehovah nanao fifanekena+ tamin’ny taranak’Israely, ka nandidy azy hoe: “Aza matahotra andriamani-kafa,+ na miankohoka eo anatrehany, na manompo azy na manao sorona ho azy.+ 36  Fa i Jehovah izay nitondra anareo niakatra avy tany Ejipta tamin-kery lehibe sy sandry nahinjitra+ no tokony hatahoranareo,+ ary eo anatrehany no tokony hiankohofanareo,+ ary ho azy no tokony hanaovanareo sorona.+ 37  Ny fitsipika+ sy ny didim-pitsarana+ ary ny lalàna mbamin’ny didy nosoratany ho anareo+ no tokony hotandremanareo tsara foana.+ Aza matahotra andriamani-kafa. 38  Ary aza hadinoina ny fifanekena nataoko taminareo.+ Aza matahotra andriamani-kafa.+ 39  I Jehovah+ Andriamanitrareo kosa no tokony hatahoranareo, fa izy no hamonjy anareo eo an-tanan’ny fahavalonareo rehetra.”+ 40  Tsy nankatò anefa izy ireo, fa araka ny fivavahany taloha ihany no nataony.+ 41  Ary lasa natahotra an’i Jehovah ireny firenena ireny,+ nefa ny sary sokitra nataony ihany no notompoiny. Ary ny zanany sy ny zafikeliny kosa, dia toy ny nataon’ny razany ihany no nataony mandraka androany.

Fanamarihana

A.b.t.: “nampandalo.”