2 Mpanjaka 18:1-37

18  Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Hosea+ zanak’i Elaha mpanjakan’ny Israely, no lasa mpanjaka i Hezekia+ zanak’i Ahaza+ mpanjakan’ny Joda.  Dimy amby roapolo taona i Hezekia tamin’izy nanomboka nanjaka, ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Abia, zanak’i Zakaria.+  Ary nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah foana i Hezekia,+ toy izay rehetra nataon’i Davida razambeny.+  Izy no nanala ny toerana avo+ sy namotipotika ny tsangambato masina+ sy nikapa ny tsato-kazo masina+ ary nanorotoro an’ilay bibilava+ varahina nataon’i Mosesy.+ Mbola nanolotra setroka ho sorona+ ho an’io bibilava varahina io mantsy ny zanak’Israely hatramin’izany andro izany, ka nantsoina hoe sampy bibilava varahina ilay izy.+  I Jehovah Andriamanitry ny Israely no nitokisan’i Hezekia.+ Ary tsy nisy tahaka azy ny mpanjakan’ny Joda rehetra,+ na ny taoriany na ny talohany.+  Nifikitra tamin’i Jehovah foana izy,+ ary nanaraka azy foana. Notandremany foana ireo didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy,+  ary nomba azy i Jehovah.+ Malina foana izy tamin’izay rehetra nataony.+ Ary nikomy tamin’ny mpanjakan’i Asyria izy, ka tsy nanompo azy.+  Izy no namely ny Filistinina+ hatrany Gaza+ sy ny faritaniny, nanomboka teo amin’ny tilikambon’ny+ mpitily ka hatrany amin’ny tanàna voaro mafy.  Ary tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Hezekia Mpanjaka, izany hoe ny taona fahafito nanjakan’i Hosea+ zanak’i Elaha mpanjakan’ny Israely, no niakatra hamely an’i Samaria i Salmanesera+ mpanjakan’i Asyria ka nanao fahirano azy.+ 10  Ary namabo an’ilay tanàna+ izy ireo rehefa hifarana ny telo taona naharetan’ny fahirano. Koa voababo i Samaria tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Hezekia, izany hoe ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea mpanjakan’ny Israely.+ 11  Dia nataon’ny mpanjakan’i Asyria+ sesitany+ tany Asyria ny Israely, ka napetrany tany Hala+ sy tany Habora+ izay eo amin’ny reniranon’i Gozana, ary tany amin’ireo tanànan’ny Medianina.+ 12  Tsy nihaino+ ny feon’i Jehovah Andriamaniny mantsy izy ireo, fa nivadika tamin’ny fifanekena nataony,+ eny, nivadika tamin’izay rehetra nandidian’i Mosesy+ mpanompon’i Jehovah.+ Tsy nihaino izy ireo sady tsy nankatò. 13  Ary tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo nanjakan’i Hezekia Mpanjaka, dia niakatra hamely an’ireo tanàna voaro mafy rehetra tany Joda i Sankeriba+ mpanjakan’i Asyria,+ ka naka an’ireny. 14  Koa nandefa iraka nankany amin’ny mpanjakan’i Asyria tany Lakisy i Hezekia mpanjakan’ny Joda, nanao hoe: “Efa nanota aho! Mandehana miverina fa aza mamely ahy. Ary homeko anao izay angatahinao amiko.”+ Koa nasain’ny mpanjakan’i Asyria nanome talenta volafotsy+ telonjato sy talenta volamena telopolo i Hezekia mpanjakan’ny Joda. 15  Dia nomen’i Hezekia azy ny volafotsy rehetra tao an-tranon’i Jehovah,+ mbamin’ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’ny mpanjaka.+ 16  Tamin’izany andro izany, dia nendahan’i Hezekia mpanjakan’ny Joda ny varavaran’ny tempolin’i Jehovah+ sy ny tolàna izay efa nopetahany+ takela-bolamena, ka nomeny ho an’ny mpanjakan’i Asyria. 17  Ary nirahin’ny mpanjakan’i Asyria+ avy tao Lakisy+ i Tartana+ sy Rabsarisa ary Rabsake+ mbamin’ny miaramila be dia be, mba hiakatra ho any amin’i Hezekia Mpanjaka any Jerosalema. Koa niakatra izy ireo ka tonga tany Jerosalema. Dia nijanona teo akaikin’ny lakandranon’ny+ dobo ambony+ izy ireo, teo amin’ny lalambe mankany amin’ny sahan’ny mpanasa lamba.+ 18  Dia nantsoin’izy ireo ny mpanjaka. Kanjo i Eliakima+ zanak’i Hilkia, mpiandraikitra ny ankohonan’ny mpanjaka, sy Sebna+ mpitan-tsoratra, ary Joa zanak’i Asafa mpanoratra ny raharaham-panjakana, no nivoaka ho eo amin’izy ireo. 19  Koa hoy i Rabsake+ tamin’izy ireo: “Mba ilazao i Hezekia hoe: ‘Izao no nolazain’ny mpanjaka lehibe,+ dia ny mpanjakan’i Asyria: “Fa inona koa izao itokisanao izao?+ 20  Nilaza ianao hoe: ‘Ananako daholo na ny saina+ na ny hery hoenti-miady.’ Rediredy fotsiny izany teninao izany. Fa iza no mba itokisanao no mikomy+ amiko ianao? 21  I Ejipta+ no mba itokisanao hanampy anao. Bararata torotoro+ anefa izy, ka raha itehenana dia hanindrona sy handoaka tanana. Toy izany i Farao+ mpanjakan’i Ejipta ho an’izay rehetra mitoky aminy. 22  Raha hoy kosa ianareo hoe: ‘I Jehovah+ Andriamanitray no itokisanay!’+ Fa angaha moa tsy izy no tompon’ireo toerana avo+ sy alitara nesorin’i Hezekia,+ izay nilaza tamin’ny Joda sy Jerosalema hoe: ‘Eto anoloan’ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo’?”’+ 23  Koa aoka ianao hifanamby+ amin’ny tompoko, dia ny mpanjakan’i Asyria: Homeko soavaly roa arivo ianao, dia ho hita eo raha manana olona afaka hitaingina azy.+ 24  Hataonao ahoana no hampandositra governora anankiray, na dia izay anisan’ny kely indrindra amin’ny mpanompon’ny tompoko aza,+ nefa ianao aza mila mitoky amin’i Ejipta mba hahazoana kalesy+ sy mpitaingin-tsoavaly?+ 25  Ary angaha moa izaho tsy nahazo alalana avy tamin’i Jehovah matoa miakatra hanafika sy handrava an’ity toerana ity? I Jehovah mihitsy no niteny tamiko hoe:+ ‘Miakara hanafika an’io tany io, ary ravao izy.’” 26  Dia hoy i Eliakima+ zanak’i Hilkia, sy Sebna+ ary Joa+ tamin’i Rabsake:+ “Fiteny syrianina re, azafady, no iteneno amin’ny mpanomponao,+ fa azonay ihany izany e! Aza manao fitenin’ny Jiosy aminay+ fa ren’ny olona etsy ambony manda.” 27  Hoy anefa i Rabsake tamin’izy ireo: “Angaha moa izaho nirahin’ny tompoko hilaza izany teny izany aminao sy amin’ny tomponao, fa tsy amin’ny olona mipetraka etsy ambony manda, mba hihinanany ny tsy fihinany*+ sy hisotroany ny tsy fisotrony* miaraka aminareo?”+ 28  Ary nijoro teo ihany i Rabsake, ka niteny mafy tamin’ny fitenin’ny Jiosy,+ nanao hoe: “Henoy ny tenin’ny mpanjakan’i Asyria, ilay mpanjaka lehibe!+ 29  Izao no nolazain’ny mpanjaka: ‘Aza manaiky hofitahin’i Hezekia ianareo, fa tsy mahavonjy anareo eo an-tanako izy.+ 30  Ary aza manaiky hotarihin’i Hezekia hitoky amin’i Jehovah,+ ka hilazany hoe: “Tena hamonjy+ antsika tokoa i Jehovah, ary tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria ity tanàna ity.”+ 31  Aza mihaino an’i Hezekia, fa izao no nolazain’ny mpanjakan’i Asyria: “Meteza hitolo-batana amiko, ka mivoaha hankatỳ amiko, dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny+ avy ianareo, ary samy hisotro ny rano avy amin’ny lavaka fanangonan-dranony,+ 32  mandra-pahatongako hitondra anareo ho any amin’ny tany izay tahaka ny taninareo,+ dia tany misy varimbazaha sy divay vaovao, tany misy mofo+ sy tanimboaloboka,+ tany misy hazo oliva fakana menaka ary tany misy tantely.+ Dia ho velona ianareo fa tsy ho faty. Ary aza mihaino an’i Hezekia, fa mamitaka anareo izy raha milaza hoe: ‘I Jehovah no hamonjy antsika.’+ 33  Fa angaha ny andriamanitr’ireo firenena nahavonjy+ ny taniny teo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria?+ 34  Aiza izao ireo andriamanitr’i Hamata+ sy Arpada?+ Aiza koa ireo andriamanitr’i Sefarvaima+ sy Hena+ ary Iva?+ Nahavonjy an’i Samaria teo an-tanako angaha ireny?+ 35  Iza tamin’ny andriamanitra rehetran’ireo tany ireo no nahavonjy ny taniny teo an-tanako?+ Koa ahoana no hahafahan’i Jehovah hamonjy an’i Jerosalema eo an-tanako?”’”+ 36  Nangina anefa ny olona,+ ka tsy namaly azy+ na indraim-bava aza, satria efa nodidian’ny mpanjaka hoe: “Aza mamaly azy.”+ 37  Fa nankao amin’i Hezekia kosa i Eliakima+ zanak’i Hilkia, mpiandraikitra ny ankohonan’ny mpanjaka, sy Sebna+ mpitan-tsoratra, ary Joa+ zanak’i Asafa, mpanoratra ny raharaham-panjakana. Ary samy efa nandrovitra ny akanjony avy izy ireo.+ Dia nolazain’izy ireo tamin’i Hezekia ny tenin’i Rabsake.

Fanamarihana

A.b.t.: “ny tainy.”
A.b.t.: “ny amaniny.”