2 Mpanjaka 19:1-37

19  Rehefa ren’i Hezekia+ Mpanjaka izany, dia norovitiny avy hatrany ny akanjony.+ Ary nitafy lamba gony izy,+ ka nankao an-tranon’i Jehovah.+  Dia nirahiny ho any amin’i Isaia+ mpaminany zanak’i Amoza,+ i Eliakima+ mpiandraikitra ny ankohonan’ny mpanjaka, sy Sebna+ mpitan-tsoratra, ary ny anti-panahy mpisorona. Ary nitafy lamba gony daholo ireo.  Dia hoy ireo tamin’i Isaia: “Izao no nolazain’i Hezekia: ‘Andro fahoriana+ sy fanaovana teny henjana+ ary famingavingana+ ity andro ity, satria efa ho latsaka ny zaza,+ fa ny hery hiterahana azy no tsy misy.+  Angamba i Jehovah Andriamanitrao handre+ ny teny rehetra nataon’i Rabsake, izay nirahin’ny mpanjakan’i Asyria tompony hihantsy+ an’ilay Andriamanitra velona. Koa rehefa mandre izany teny izany i Jehovah Andriamanitrao, dia hanao ampamoaka azy.+ Ary aoka ianao hanandratra vavaka+ ho an’izay sisa+ mbola eto.’”  Koa nankao amin’i Isaia ireo mpanompon’i Hezekia Mpanjaka.+  Ary hoy i Isaia tamin’ireo: “Lazao amin’ny tomponareo hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah:+ “Aza matahotra+ noho ny teny renao, dia izay nanevatevan’ny mpanompon’ny mpanjakan’i Asyria ahy.+  Fa hanome saina+ azy aho mba hodiany any amin’ny taniny, rehefa mahazo tatitra izy.+ Ary hataoko izay hahalavon-tsabatra azy any.”’”+  Ary ren’i Rabsake+ fa efa niala tany Lakisy+ ny mpanjakan’i Asyria. Koa niverina tany amin’ny mpanjaka izy ka nahita azy niady tamin’i Libna.+  Ary nisy nilaza tamin’ny mpanjaka fa nivoaka hiady aminy i Tiraka mpanjakan’i Etiopia. Dia nandefa iraka+ nankany amin’i Hezekia indray izy, nanao hoe: 10  “Izao no holazainareo amin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda: ‘Aza manaiky ho voafitak’ilay Andriamanitra itokisanao,+ izay manao hoe: “Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asyria i Jerosalema.”+ 11  Efa renao ny nataon’ireo mpanjakan’i Asyria tamin’ny tany rehetra, dia ny nandravany azy.+ Koa ianao indray ve no ho voavonjy?+ 12  Rehefa naringan’ny razako i Gozana+ sy Harana+ sy Rezefa ary ny zanak’i Edena+ tao Tela-asara,+ angaha nisy nahavonjy an’ireny firenena ireny ny andriamaniny?+ 13  Aiza izao ny mpanjakan’i Hamata+ sy ny mpanjakan’i Arpada,+ ary ny mpanjakan’ny tanànan’i Sefarvaima sy Hena ary Iva?’”+ 14  Ary noraisin’i Hezekia teny an-tanan’ireo iraka ny taratasy ka novakiny.+ Dia niakatra tao an-tranon’i Jehovah izy, ka namelatra izany teo anatrehan’i Jehovah.+ 15  Ary nivavaka+ teo anatrehan’i Jehovah i Hezekia hoe: “Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ izay mipetraka eo amin’ny kerobima!+ Ianao irery no tena Andriamanitry ny fanjakana+ rehetra eto an-tany.+ Ianao no nanao ny lanitra+ sy ny tany.+ 16  Aoka ianao hanongilan-tsofina ka hihaino, Jehovah ô!+ Ahirato ny masonao,+ Jehovah ô, ka mijere, ary henoy ny teny nampitondrain’i Sankeriba mba hihantsiana+ an’ilay Andriamanitra velona. 17  Jehovah ô, marina tokoa fa efa noravan’ireo mpanjakan’i Asyria ireo firenena sy ny taniny.+ 18  Ary nodoran’izy ireo ny andriamanitr’ireny, satria tsy andriamanitra+ fa vato aman-kazo, izay asa tanan’olona ihany,+ ka naringany. 19  Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô,+ vonjeo eo an-tanany izahay,+ mba ho fantatry ny fanjakana rehetra eto an-tany fa ianao irery ihany no Andriamanitra, Jehovah ô!”+ 20  Ary naniraka olona nankany amin’i Hezekia i Isaia zanak’i Amoza, hanao hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely:+ ‘Efa reko+ ilay vavakao+ tamiko momba an’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria. 21  Koa izao no teny fanamelohan’i Jehovah azy: “Manao tsinontsinona anao i Ziona zanakavavy virjiny,+ sady maneso anao.+Mihivingivin-doha+ ao andamosinao i Jerosalema zanakavavy.+ 22  Mihantsy an’iza ianao,+ ary manevateva an’iza?+Mampiaka-peo amin’iza ianao,+Ary mampiandranandrana ny masonao amin’iza?+Tsy amin’iza fa amin’Ilay Masin’ny Israely!+ 23  Ny iraka+ nalefanao no nampiasainao hihantsiana an’i Jehovah, ka hoy ianao:+‘Ny kalesin’adiko maro be+ no hiakarakoEny amin’ny tendrombohitra avo indrindra,+Any amin’ny faritra lavitra indrindra ao Libanona.+Ary hokapaiko ny hazo sedera+ avo sy ny hazo zenevrie+ tsara indrindra any.Dia hiditra ao amin’ny toeram-ponenana faran’izay lavitra any aho, any amin’ny alany mahavokatra.+ 24  Handavaka aho ka hisotro rano avy any an-tany hafa,Ary ny faladiako no handritako ny lakandrano rehetran’i Neily any Ejipta.’+ 25  Angaha tsy renao+ fa izany no fanapahan-kevitro efa hatry ny ela be?+Efa hatramin’ny taloha aho no nikasa hanao izany.+Koa ankehitriny dia hotanterahiko izany.+Ary ianao no hahatonga ny tanàna voaro mafy ho lasa aolo, toy ny tanàna lasa korontam-bato miavosa.+ 26  Hiraviravy tanana ny mponina ao,+Ka hihorohoro sy ho menatra.+Ho tahaka ny zavamaniry eny an-tsaha sy ny ahi-maitso marefo izy,+Ary ho tahaka ny ahitra eny amin’ny tafo,+ izay mainan’ny rivotra mafana avy any atsinanana.+ 27  Fantatro tsara izay ataonao,+ na mipetraka ianao, na miditra, na mivoaka.+Fantatro tsara koa ny hatezeranao amiko,+ 28  Satria efa tonga atỳ am-poto-tsofiko ny fahatezeranao amiko+ sy ny fieronao.+Koa hasiako faraingo ny oronao, ary hasiako lamboridy eo amin’ny vavanao,+Ka hotaritiko hiverina any amin’ny lalana niavianao ianao.”+ 29  “‘Ary izao no ho famantarana ho anao:+ Amin’ity taona ity dia ny vokatra avy amin’ny voa latsaka tamin’ny tany no hohanin’ny olona,+ ary mbola ho toy izany koa amin’ny herintaona. Amin’ny taona fahatelo kosa dia mamafaza voa+ ka mijinjà, ary manaova tanimboaloboka, dia hano izay vokatra avy aminy.+ 30  Ary izay tafavoaka velona amin’ny taranak’i Joda, eny, izay sisa miangana,+ dia hamaka lalina sy hamokatra.+ 31  Fa hisy sisa hivoaka avy ao Jerosalema,+ ary hisy ho tafavoaka velona avy any amin’ny Tendrombohitra Ziona.+ Ny hafanam-pon’i+ Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka izany. 32  “‘Noho izany, dia hoy i Jehovah momba ny mpanjakan’i Asyria:+ “Tsy ho tafiditra ato amin’ity tanàna ity izy,+ na handefa zana-tsipìka ato,+ na hiady amin’ity tanàna ity miaraka amin’ny ampinga, na hanangana tovon-tany*+ hanaovana fahirano azy. 33  Ny lalana niaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra ato amin’ity tanàna ity izy, hoy i Jehovah.+ 34  Fa hiaro+ an’ity tanàna ity aho, ka hamonjy azy noho ny amiko+ sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.”’”+ 35  Ny alin’iny dia nivoaka ilay anjelin’i Jehovah, ka nandripaka dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ny+ Asyrianina.+ Ary nony nifoha maraina ny olona, dia indreo fa efa maty daholo ny Asyrianina.+ 36  Koa niala teo i Sankeriba+ mpanjakan’i Asyria, ka lasa niverina+ tany Ninive ary nipetraka tany.+ 37  Ary raha mbola niankohoka tao an-tranon’i Nisroka+ andriamaniny izy,+ dia namono azy tamin’ny sabatra i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy,+ ka nandositra tany Ararata.+ Ary i Esara-hadona+ zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

Jereo 2Sa 20:15 f.a.p.