2 Mpanjaka 2:1-25

2  Rehefa nadiva hitondra an’i Elia+ hiakatra ho any amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra i Jehovah,+ dia niainga avy tany Gilgala+ i Elia sy Elisa.+  Ary hoy i Elia tamin’i Elisa: “Mijanòna eto, azafady, fa nirahin’i Jehovah ho any Betela aho.” Hoy anefa i Elisa: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ ary raha mbola velon’aina koa ianao,+ dia tsy handao anao aho.”+ Koa nidina nankany Betela izy roa lahy.+  Dia nivoaka nankany amin’i Elisa ireo zanaky ny mpaminany+ tao Betela, ka nanao taminy hoe: “Mba fantatrao tokoa moa fa anio no hakan’i Jehovah ny tomponao, ka tsy ho tomponao intsony izy?”+ Dia hoy izy: “Izaho koa mahalala tsara an’izany,+ fa mangìna ianareo.”  Ary hoy i Elia tamin’i Elisa: “Mijanòna eto, ry Elisa, azafady, fa nirahin’i Jehovah ho any Jeriko+ aho.” Hoy anefa i Elisa: “Raha mbola velona koa i Jehovah, ary raha mbola velon’aina koa ianao, dia tsy handao anao aho.” Koa tonga tany Jeriko izy roa lahy.  Dia nanatona an’i Elisa ireo zanaky ny mpaminany tao Jeriko, ka nanao taminy hoe: “Mba fantatrao tokoa moa fa anio no hakan’i Jehovah ny tomponao, ka tsy ho tomponao intsony izy?” Dia hoy i Elisa: “Izaho koa mahalala tsara an’izany, fa mangìna ianareo.”+  Ary hoy i Elia taminy: “Mijanòna eto, azafady, fa nirahin’i Jehovah ho any Jordana aho.”+ Hoy anefa i Elisa: “Raha mbola velona koa i Jehovah, ary raha mbola velon’aina koa ianao, dia tsy handao anao aho.”+ Koa nanohy ny diany izy roa lahy.  Ary nisy dimampolo lahy zanaky ny mpaminany, nanaraka azy roa lahy ka nijanona nitazana teny lavidavitra teny.+ Fa izy roa lahy kosa nijoro teo amoron’i Jordana.  Koa nesorin’i Elia ilay akanjona mpaminany+ nanaovany, ary navalony ka nikapohany ny rano. Dia nisaraka nankeo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny rano, ka niampita tamin’ny tany maina izy roa lahy.+  Raha vao tonga teny ampita izy ireo, dia hoy i Elia tamin’i Elisa: “Angataho izay tokony hataoko ho anao, alohan’ny hakana ahy hiala aminao.”+ Dia hoy i Elisa: “Aoka aho mba hahazo anjaran’olon-droa+ amin’ny fanahy*+ miasa aminao.”+ 10  Hoy anefa i Elia: “Sarotra izany zavatra angatahinao+ izany. Raha hitanao ny hakana ahy hiala aminao, dia ho azonao izany. Fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho azonao izany.” 11  Raha mbola nandeha izy ireo, sady niresaka teny am-pandehanana, dia nisy kalesy afo+ sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy. Ary niakatra ho any amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra i Elia.+ 12  Nahita izany rehetra izany i Elisa, ka niantsoantso hoe: “Ry raiko ô, ry raiko ô,+ ny kalesin’adin’ny Israely mbamin’ny mpitaingin-tsoavaliny!”+ Dia tsy nahita an’i Elia intsony izy. Koa noraisiny ny fitafiany, ka norovitiny hizara roa.+ 13  Ary noraisiny ilay akanjona mpaminany+ nanaovan’i Elia, izay latsaka avy teny aminy. Dia niverin-dalana izy ka nijoro teo amoron’i Jordana. 14  Ary nalainy ilay akanjo nanaovan’i Elia, izay latsaka avy teny aminy, ka nikapohany ny rano.+ Dia hoy izy: “Aiza i Jehovah Andriamanitr’i Elia?”+ Ary nokapohiny ny rano, ka nisaraka nankeo amin’ny andaniny sy ny ankilany, dia niampita izy. 15  Rehefa nahatazana azy teny lavidavitra teny ny zanaky ny mpaminany tao Jeriko, dia nanao hoe: “Efa mitoetra ao amin’i Elisa ny fanahy+ niasa tamin’i Elia.” Koa nitsena azy izy ireo, ka niankohoka+ tamin’ny tany teo anatrehany. 16  Dia hoy ireo taminy: “Misy dimampolo lahy mahery fo eto amin’ny mpanomponao. Aoka re izy ireo hitady ny tomponao e! Angamba nampiakarin’ny fanahin’i+ Jehovah izy, ka nazerany any an-tendrombohitra any, na any an-dohasaha any.” Hoy anefa i Elisa: “Aza irahina ry zareo.” 17  Niangavy an’i Elisa foana anefa izy ireo. Koa sanganehana i Elisa, ka niteny hoe: “Iraho àry ry zareo!” Dia naniraka dimampolo lahy izy ireo. Ary nitady nandritra ny telo andro ireny, fa tsy nahita an’i Elia. 18  Efa nipetraka tao Jeriko+ i Elisa, rehefa niverina tany aminy izy ireo. Dia hoy i Elisa: “Tsy efa nilazako moa ianareo hoe: ‘Aza mandeha’?” 19  Tatỳ aoriana, dia hoy ny mponina tao an-tanàna tamin’i Elisa: “Tsara honenana ity tanàna ity,+ araka izao ahitan’ny tompoko azy izao. Ratsy anefa ny rano,+ ary mahatonga ny olona ho afa-jaza koa ny tany.”+ 20  Dia hoy i Elisa: “Akao vilia baolina kely vaovao aho, ary asio sira ao anatiny.” Dia nakan’izy ireo izy. 21  Ary nankany amin’ilay loharano izy, dia nanipy sira tao+ sady nanao hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Ataoko mahasalama ity rano ity.+ Tsy hahatonga ny olona ho faty na ho afa-jaza intsony izy ity.’” 22  Ary mbola sitrana mandraka androany ilay rano,+ araka ny tenin’i Elisa. 23  Ary niakatra avy tany Jeriko i Elisa, ka nankany Betela.+ Raha mbola teny an-dalana izy, dia indreny nisy ankizilahikely+ nivoaka avy ao an-tanàna, ka nanakora+ azy tsy an-kijanona hoe: “Miakara, ry ilay sola!+ Miakara, ry ilay sola!” 24  Farany dia niherika tany aoriany i Elisa ka nahita an’ireo ankizy, ary nanozona+ azy tamin’ny anaran’i Jehovah. Dia nisy orsavavy+ roa nivoaka avy tao anaty ala, ka namiravira roa amby efapolo tamin’ireo ankizy.+ 25  Ary nanohy ny diany i Elisa ka nankany amin’ny Tendrombohitra Karmela.+ Avy eo dia niverina nankany Samaria izy.

Fanamarihana

Na: “risi-po.”