2 Mpanjaka 20:1-21

20  Tamin’izany andro izany, dia narary efa ho faty i Hezekia.+ Koa nankao aminy i Isaia+ mpaminany zanak’i Amoza, ka niteny hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Mamelà hafatra amin’ny ankohonanao,+ satria ho faty ianao fa tsy ho velona.’”+  Dia nitodika tany amin’ny rindrina+ i Hezekia ka nivavaka tamin’i Jehovah,+ nanao hoe:  “Mitalaho aminao aho, Jehovah ô! Mba tsarovy+ re ny nandehanako+ teo anatrehanao tamim-pahitsiana*+ sy tamin’ny foko manontolo,+ ary ny nanaovako izay tsara teo imasonao e!”+ Dia nitomany be izy.+  Ary raha mbola tsy tafavoaka teny amin’ny tokotany afovoany i Isaia, dia tonga taminy ny tenin’i Jehovah,+ nanao hoe:  “Miverena ka lazao amin’i Hezekia mpitarika+ ny oloko hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah, Andriamanitr’i+ Davida razambenao: “Efa reko+ ny vavakao,+ ary efa hitako ny ranomasonao.+ Koa hanasitrana anao aho.+ Ary rahafakampitso dia hiakatra any an-tranon’i Jehovah ianao.+  Dia hampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao. Ary hovonjeko eo am-pelatanan’ny mpanjakan’i Asyria ianao sy ity tanàna ity, ka harovako+ ity tanàna ity noho ny amiko sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.”’”+  Ary hoy i Isaia: “Makà mofo vita amin’ny aviavy maina noporetina.”+ Koa nalaina izany, ka natao teo amin’ilay fery.+ Dia nihasitrana i Hezekia.+  Tamin’izay fotoana izay ihany, dia hoy i Hezekia tamin’i Isaia: “Inona no famantarana+ fa hositranin’i Jehovah aho, ka hiakatra any an-tranon’i Jehovah rahafakampitso?”  Dia hoy i Isaia: “Izao no famantarana+ avy amin’i Jehovah hahalalanao fa hotanterahin’i Jehovah ny teniny: Hiroso zanatohatra folo ve ny aloka, sa hihemotra zanatohatra folo?” 10  Dia hoy i Hezekia: “Mora ny hirosoan’ny aloka zanatohatra folo, noho ny hihemorany zanatohatra folo.”+ 11  Koa niantso an’i Jehovah i Isaia mpaminany. Ary nataony nihemotra zanatohatra folo ny aloka izay efa nidina teo amin’ny zanatohatr’i Ahaza.+ 12  Tamin’izany andro izany, dia nandefa taratasy+ sy fanomezana ho an’i Hezekia i Berodaka-baladana+ mpanjakan’i Babylona,+ zanak’i Baladana, satria reny fa narary i Hezekia. 13  Ary nihaino azy ireo i Hezekia, ka nasehony azy ny zava-drehetra tao amin’ny fitehirizan-karenany,+ dia ny volafotsy sy ny volamena+ sy ny menaka balsama+ sy ny menaka sarobidy ary ny fitaovam-piadiany, mbamin’izay rehetra tao amin’ny fitehirizan-karenany. Tsy nisy tsy nasehon’i Hezekia azy ny tao an-tranony sy ny tao amin’ny fanjakany manontolo.+ 14  Avy eo dia nankao amin’i Hezekia Mpanjaka i Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe:+ “Inona no nolazain’ireny olona ireny? Ary avy aiza, hono, ry zareo no nankatỳ?”+ Dia hoy i Hezekia: “Avy any an-tany lavitra, avy any Babylona, izy ireny.” 15  Ary hoy i Isaia: “Inona no hitany tato an-tranonao?” Dia hoy i Hezekia: “Izay rehetra ato an-tranoko dia hitany daholo. Tsy nisy tsy nasehoko azy ny tao amin’ny fitehirizan-karenako.”+ 16  Dia hoy i Isaia tamin’i Hezekia: “Henoy ny tenin’i Jehovah:+ 17  ‘“Ho avy ny andro hitondrana an’izay rehetra ato an-tranonao+ sy izay rehetra notehirizin’ny razanao mandraka androany, ho any Babylona.+ Tsy hisy na inona na inona ho tavela”,+ hoy i Jehovah. 18  “Hoentina+ koa ny sasany amin’ny zanakao lahy izay haterakao, ka ho lasa tandapa+ any an-dapan’ny mpanjakan’i Babylona.”’”+ 19  Dia hoy i Hezekia tamin’i Isaia: “Mety izany tenin’i Jehovah nolazainao izany.”+ Ary hoy koa izy: “Tsy ho tsara tokoa ve raha mbola hisy fiadanana sy fahamarinana+ foana amin’ny androko?”+ 20  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Hezekia, mbamin’ny heriny rehetra sy ny nanaovany an’ilay dobo+ sy ilay lakandrano+ ka nitarihany rano nankao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany? 21  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany+ i Hezekia, ary i Manase+ zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

A.b.t.: “tamim-pahamarinana.”