2 Mpanjaka 21:1-26

21  Roa ambin’ny folo taona i Manase+ tamin’izy nanomboka nanjaka, ary dimy amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hefziba.  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy.+ Zava-maharikoriko fanaon’ireo firenena+ noroahin’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny zanak’Israely, no nataony.  Koa naoriny indray ireo toerana avo efa noravan’i Hezekia rainy.+ Ary nanorina alitara ho an’i Bala sy nanao tsato-kazo masina izy, toy ny nataon’i Ahaba+ mpanjakan’ny Israely. Dia niankohoka+ teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra+ izy, ka nanompo an’ireny.+  Nanorina alitara tao an-tranon’i Jehovah izy,+ nefa efa nilaza momba io trano io i Jehovah hoe: “Ao Jerosalema no hametrahako ny anarako.”+  Ary nanorina alitara ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra+ izy, teo amin’ny tokotany roa ivelan’ny tranon’i Jehovah.+  Ary nandoro* ny zanany tao anaty afo izy,+ sady nampiasa herin’ny maizina+ sy nitady fambara ary nampiasa mpamoha angatra+ sy mpilaza ny hoavy.+ Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy mba hampahatezitra azy, ary be tokoa ny ratsy vitany.  Ary ilay tsato-kazo masina natao sokitra,+ dia napetrany tao amin’ilay trano+ izay nolazain’i Jehovah tamin’i Davida sy Solomona zanany hoe: “Ato amin’ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko teo amin’ny foko rehetran’ny Israely, no hametrahako ny anarako mandritra ny fotoana tsy voafetra.+  Ary ny tongotry ny Israely dia tsy havelako intsony hirenireny hiala eo amin’ny tany nomeko ny razany,+ raha tandreman’izy ireo tsara izay rehetra nandidiako azy,+ dia ny lalàna rehetra nandidian’i Mosesy mpanompoko azy.”  Tsy nihaino anefa izy ireo,+ fa notaomin’i Manase foana hanao ratsy+ mihoatra noho izay nataon’ireo firenena+ naringan’i Jehovah tsy ho eo anatrehan’ny zanak’Israely. 10  Ary hoy foana i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony:+ 11  “Koa satria nahavita ireo zava-maharikoriko+ ireo i Manase+ mpanjakan’ny Joda, ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ny Amorita+ talohany, sady nampanota+ ny Joda tamin’ny alalan’ireo sampiny maharikoriko, 12  dia izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Hahatonga loza amin’i Jerosalema+ sy Joda aho, ka hangorintsina ny sofin’izay mandre izany.+ 13  Ary hohenjaniko eo amin’i Jerosalema ny tady fandrefesana+ nampiasaina tamin’i Samaria,+ sy ny filamatra* nampiasaina tamin’ny taranak’i Ahaba.+ Dia hodioviko+ i Jerosalema, toy ny manadio vilia baolina izay diovina ka ahohoka.+ 14  Ary hafoiko ny sisa+ amin’ny lovako+ ka hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony. Dia hobaboin’ny fahavalony rehetra sy horobainy izy ireo,+ 15  satria nanao izay ratsy teo imasoko, sady nampahatezitra ahy foana, hatramin’ny andro nivoahan’ny razany avy tany Ejipta ka mandraka androany.’”+ 16  Ary be dia be ny ran’olona tsy manan-tsiny nalatsak’i Manase,+ ka nofenoiny ra i Jerosalema. Izany dia ankoatra ny fahotana izay nataony sy nampanotany ny Joda, ka nahatonga ny Joda hanao izay ratsy teo imason’i Jehovah.+ 17  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Manase mbamin’izay rehetra nataony sy ny fahotany, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany? 18  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Manase,+ ka nalevina tao amin’ny zaridainan’ny tranony, tao amin’ny zaridainan’i Oza.+ Ary i Amona zanany no nanjaka nandimby azy. 19  Roa amby roapolo taona i Amona+ tamin’izy nanomboka nanjaka, ary roa taona+ no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mesolemeta, zanak’i Haroza avy any Jotba. 20  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana i Amona, toy ny nataon’i Manase rainy.+ 21  Nanao hoatran’izay rehetra nataon-drainy foana izy,+ sady nanompo an’ireo sampy+ maharikoriko notompoin-drainy, ary niankohoka teo anatrehan’ireny. 22  Koa nahafoy an’i Jehovah+ Andriamanitry ny razany izy, ka tsy nandeha tamin’ny lalan’i Jehovah.+ 23  Tatỳ aoriana, dia niray tetika hamely ny mpanjaka ny mpanompony, ka namono azy ho faty+ tao an-tranony ihany. 24  Novonoin’ny vahoaka anefa izay rehetra niray tetika+ namono an’i Amona Mpanjaka, ary i Josia+ zanany no nataon’izy ireo mpanjaka nandimby azy. 25  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Amona, dia izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany? 26  Dia nalevin’izy ireo tao amin’ny fasany, tao amin’ny zaridainan’i Oza,+ izy. Ary i Josia+ zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanamarihana

A.b.t.: “nampandalo.”
Fitaovana itsapana ny fitovian-tantana.