2 Mpanjaka 22:1-20

22  Valo taona i Josia+ tamin’izy nanomboka nanjaka, ary iraika amby telopolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jedida zanak’i Adaia avy any Bozkata.+  Ary nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah izy,+ sady nanao hoatran’izay rehetra nataon’i Davida razambeny.+ Nanaraka an-tsakany sy an-davany ny didin’Andriamanitra izy.+  Ary tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folo nanjakan’i Josia Mpanjaka, dia nirahiny ho any an-tranon’i Jehovah i Safana+ mpitan-tsoratra, zanak’i Azalia zanak’i Mesolama, ka nilazany hoe:  “Miakara any amin’i Hilkia+ mpisoronabe,+ ary asaivo angoniny ny vola+ nentin’ny olona tao an-tranon’i Jehovah,+ dia ny vola voangon’ny mpiandry varavarana.+  Asaivo atolony eo an-tanan’ireo voatendry hanao ny asa ao an-tranon’i Jehovah izany.+ Ireo indray no hanome izany mba hanamboarana ny triatra amin’ny trano. Homena an’ireo miasa ao an-tranon’i Jehovah izany,+  dia ny mpanao asa tanana sy ny mpanao trano ary ny mpandatsa-biriky, ary homena koa mba hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny trano.+  Tsy tokony hanontaniana an’ireo notolorana an’ilay vola anefa ny kaontim-bola,+ satria mendri-pitokisana+ izy ireo amin’ny asany.”  Tatỳ aoriana, dia hoy i Hilkia+ mpisoronabe tamin’i Safana+ mpitan-tsoratra:+ “Hitako tao an-tranon’i Jehovah ny boky misy ny lalàna.”+ Dia nomeny an’i Safana ilay boky, ka novakin’i Safana.  Ary nankao amin’ny mpanjaka i Safana mpitan-tsoratra, ka niteny taminy hoe: “Efa nararaky ny mpanomponao ny vola azo tao an-tranon’Andriamanitra, ka natolony teo an-tanan’ireo voatendry hanao ny asa ao an-tranon’i Jehovah.”+ 10  Hoy koa i Safana mpitan-tsoratra tamin’ny mpanjaka: “Misy boky+ nomen’i Hilkia mpisorona ahy.” Dia novakin’i Safana teo anatrehan’ny mpanjaka izany. 11  Raha vao nandre izay voalaza tao amin’ilay boky misy ny lalàna ny mpanjaka, dia nandrovitra ny akanjony avy hatrany.+ 12  Dia nodidian’ny mpanjaka i Hilkia mpisorona, sy Ahikama+ zanak’i Safana, sy Akbora zanak’i Mikaia, sy Safana mpitan-tsoratra, ary Asaia+ mpanompon’ny mpanjaka, nanao hoe: 13  “Mandehana manontany+ an’i Jehovah, ho ahy sy ho an’ny vahoaka ary ny Joda rehetra, momba ireo teny ao amin’io boky vao hita io. Fa lehibe ny fahatezeran’i Jehovah+ hihatra amintsika, satria tsy nihaino ny teny voalaza ao amin’io boky io ny razantsika,+ ka tsy nanaraka izay rehetra voasoratra momba antsika.”+ 14  Koa lasa i Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia, ka nankany amin’i Holda mpaminanivavy,+ vadin’i Saloma mpikarakara ny fitafiana,+ zanak’i Tikva zanak’i Harasa. Nipetraka tao amin’ny tanàna vaovao tao Jerosalema ravehivavy. Ary niresaka taminy izy ireo.+ 15  Dia hoy i Holda: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely:+ ‘Lazao amin’ilay lehilahy naniraka anareo ho atỳ amiko hoe: 16  “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hahatonga loza+ amin’ity toerana ity sy ny mponina eo aminy aho,+ araka ny teny rehetra+ ao amin’ilay boky novakin’ny mpanjakan’ny Joda.+ 17  Nahafoy ahy mantsy izy ireo ka nanolotra setroka ho sorona ho an’andriamani-kafa,+ mba hampahatezitra ahy amin’ny asan’ny tanany rehetra.+ Ary nirehitra tamin’ity toerana ity ny fahatezerako ka tsy hovonoina.’”’+ 18  Izao koa lazaina amin’ny mpanjakan’ny Joda, izay naniraka anareo hanontany an’i Jehovah: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely momba ireo teny izay renao:+ 19  “Koa satria mora nanaiky ny fonao+ ka nanetry tena+ ianao noho ny amin’i Jehovah, rehefa nandre izay nolazaiko hamelezana ity toerana ity sy ny mponina eo aminy, mba hahatonga azy ity higagan’ny olona sy ho voaozona,+ ary nandrovitra+ ny akanjonao koa ianao ka nitomany teo anatrehako, dia nihaino anao aho”, hoy i Jehovah.+ 20  “Koa hangoniko+ any amin’ny razanao ianao, ary amin’ny fotoana mampandry feizay ny tany no hahafatesanao,+ ka tsy ho hitan’ny masonao ny loza rehetra hamelezako ity toerana ity.”’” Dia nentin’izy ireo tany amin’ny mpanjaka izany valin-teny izany.

Fanamarihana