2 Mpanjaka 23:1-37

23  Ary naniraka olona ny mpanjaka mba hamory ny anti-panahy rehetran’ny Joda sy Jerosalema hankeo aminy.+  Dia niakatra nankao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka sy ny mponina rehetran’i Joda sy Jerosalema, sy ny mpisorona+ sy ny mpaminany ary ny olona rehetra, na kely na lehibe.+ Novakin’ny+ mpanjaka tamin’izy ireo ny teny rehetra tao amin’ilay bokin’ny+ fifanekena+ hita tao an-tranon’i Jehovah.+  Dia nijoro teo akaikin’ny andry+ ny mpanjaka ka nanao fifanekena+ teo anatrehan’i Jehovah, fa hanaraka+ an’i Jehovah sady hitandrina ny didiny+ sy ny fampahatsiahivany+ ary ny lalàny+ amin’ny fony manontolo+ sy ny tenany manontolo,+ ary hanatanteraka izay voalazan’ilay fifanekena voasoratra tao amin’ilay boky.+ Dia nanaiky hiditra tamin’ilay fifanekena ny olona rehetra.+  Ary nodidian’ny mpanjaka i Hilkia+ mpisoronabe sy ny mpisorona hafa ary ny mpiandry varavarana,+ mba hamoaka avy tao an-tempolin’i Jehovah ny fitaovana rehetra natao ho an’i Bala+ sy ho an’ny tsato-kazo masina+ ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.+ Dia nodorany teny ivelan’i Jerosalema ireny, teny amin’ny lohasaha mikitohatohatr’i Kidrona,+ ary nentiny tany Betela+ ny vovony.  Ary nesoriny tamin’ny asany ireo mpisoron’ny andriamani-kafa, izay notendren’ireo mpanjakan’ny Joda hanolotra setroka ho sorona teny amin’ny toerana avo, tany amin’ireo tanànan’i Joda sy ny manodidina an’i Jerosalema. Nesoriny koa ireo nanolotra setroka ho sorona ho an’i Bala,+ sy ho an’ny masoandro sy ny volana sy ireo antokon-kintana fijerena tononandro, ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.+  Navoakany avy tao an-tranon’i Jehovah koa ny tsato-kazo masina+ ka nentiny teny amin’ny sisin’i Jerosalema, teny amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kidrona. Dia nodorany+ teny izany ka notorotoroiny ho vovoka, ary nafafiny teny amin’ny fasam-bahoaka+ ny vovony.  Noravany koa ny tranon’ireo lehilahy mpivaro-tenan’ny+ tempoly, tao an-tranon’i Jehovah. Tao amin’ireny trano ireny ireo vehivavy no nanenona tranolay masina fitoeran’ny tsato-kazo masina.  Ary nampanalain’i Josia ny mpisorona rehetra tany amin’ny tanànan’i Joda. Tiany hozimbazimbaina mantsy ny toerana avo nanoloran’ny mpisorona setroka ho sorona, mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony, hatrany Geba+ ka hatrany Beri-sheba.+ Noravany koa ny toerana avo teny amin’ireo vavahady teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Josoa lehiben’ny tanàna. Eo ankavia no misy an’io vavahadin’i Josoa io, raha miditra eo am-bavahadin’ny tanàna ny olona.  Tsy niakatra ho any amin’ny alitaran’i Jehovah tany Jerosalema ny mpisoron’ny+ toerana avo, nefa nihinana mofo tsy misy lalivay+ niaraka tamin’ny rahalahiny ihany. 10  Ary nozimbazimbain’i Josia i Tofeta,+ izay eo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma,+ mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony, ka tsy hisy handoro* ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo+ ho an’i Moleka intsony eo.+ 11  Ary ny soavaly natokan’ireo mpanjakan’ny Joda ho an’ny masoandro, dia tsy navelany intsony hiditra tao an-tranon’i Jehovah ka handalo teo amin’ny efitra fisakafoana+ izay an’i Natana-meleka tandapa, dia ilay efitra teo amin’ny lala-mitafo. Nodoran’i Josia koa ireo kalesin’ny masoandro.+ 12  Ary ny alitara nataon’ireo mpanjakan’ny Joda teo an-tampon’ilay efitra tany an-tampon-tranon’i+ Ahaza, sy ny alitara+ nataon’i Manase teo amin’ny tokotany roa teo ivelan’ny tranon’i Jehovah, dia narodan’ny mpanjaka ka notorotoroiny teo. Dia nafafiny teny amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kidrona ny vovony. 13  Ary nozimbazimbain’ny mpanjaka ireo toerana avo tandrifin’i+ Jerosalema, mba tsy ho mendrika hatao toeram-pivavahana intsony. Teo ankavanan’ny Tendrombohitry ny Faharavana no nisy ireo toerana avo ireo, ary i Solomona+ mpanjakan’ny Israely no nanorina azy ho an’i Astarta,+ ilay zava-maharikoriko notompoin’ny Sidonianina, sy ho an’i Kemosy,+ ilay zava-maharikoriko notompoin’ny Moabita, ary ho an’i Milkoma,+ ilay zava-maharikoriko notompoin’ny taranak’i Amona. 14  Nopotipotehin’i+ Josia koa ny tsangambato masina, ary nokapainy ny tsato-kazo masina, ka nofenoiny taolam-paty ny toerana nisy an’ireny. 15  Ary narodany ilay alitara tao Betela+ sy ilay toerana avo nataon’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, izay nampanota ny Israely.+ Eny, narodany ny alitara sy ny toerana avo. Ary nodorany ilay toerana avo ka notorotoroiny ho vovoka. Nodorany koa ny tsato-kazo masina. 16  Rehefa nitodika i Josia, dia hitany ny toeram-pandevenana teny an-tendrombohitra. Koa nampanalainy ny taolam-paty tao amin’ireny, ka nodorany+ teo ambonin’ilay alitara, mba hanazimbazimbany azy io ho tsy mendrika hatao toeram-pivavahana intsony, araka ny tenin’i+ Jehovah nambaran’ilay lehilahin’Andriamanitra,+ izay nanambara izany. 17  Ary hoy i Josia: “Inona itsy tsangambatom-pasana hitako itsy?” Dia hoy ny olona tao an-tanàna: “Io no fasan’ilay+ lehilahin’Andriamanitra avy any Joda,+ izay nanambara izao zavatra nataonao tamin’ilay alitara teto Betela izao.”+ 18  Koa hoy izy: “Avelao izy.+ Aza avela hisy hikitikitika ny taolambalony.” Dia tsy nokitihin’izy ireo ny taolambalony sy ny an’ilay mpaminany+ avy any Samaria. 19  Ary ny trano+ rehetra teny amin’ny toerana avo tany amin’ireo tanànan’i+ Samaria, eny, ny trano naorin’ireo mpanjakan’ny+ Israely mba hampahatezitra an’Andriamanitra,+ dia nesorin’i Josia koa, ka nataony araka izay rehetra efa nataony tany Betela.+ 20  Ary nataony sorona teo ambonin’ireo alitara ny mpisorona rehetra teo, izay mpisoron’ny+ toerana avo. Nandoro taolam-paty teo ambonin’ireo alitara ireo koa izy.+ Dia niverina nankany Jerosalema izy avy eo. 21  Ary nandidy ny olona rehetra ny mpanjaka hoe: “Mankalazà Paska+ ho an’i Jehovah Andriamanitrareo, araka izay voasoratra ato amin’ity bokin’ny fifanekena ity.”+ 22  Mbola tsy nisy Paska nankalazaina toy izany tamin’ny andron’ireo mpitsara izay nitsara ny Israely,+ na tamin’ny andro rehetra nanjakan’ireo mpanjakan’ny Israely sy mpanjakan’ny Joda.+ 23  Fa tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folo nanjakan’i Josia Mpanjaka no nankalazana izany Paska izany ho an’i Jehovah, tany Jerosalema.+ 24  Ary ny mpamoha angatra+ sy ny mpilaza ny hoavy,+ mbamin’ny terafima*+ sy ny sampy maharikoriko+ ary ny zava-maharikoriko+ rehetra hita tany Joda sy Jerosalema, dia nesorin’i Josia koa, mba hanatanterahany izay voalazan’ny lalàna+ voasoratra ao amin’ilay boky+ hitan’i Hilkia mpisorona tao an-tranon’i Jehovah.+ 25  Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy talohany, izay niverina+ tamin’i Jehovah tamin’ny fony manontolo sy ny tenany manontolo+ ary ny heriny manontolo, araka ny lalàn’i Mosesy rehetra. Ary tsy nisy tahaka azy intsony koa taoriany. 26  Tsy nitony mihitsy anefa ny fahatezeran’i Jehovah, fa mbola nirehitra mafy foana tamin’ny Joda+ noho ny zava-drehetra mahatezitra izay nampahatezeran’i Manase azy.+ 27  Ary hoy i Jehovah: “Hesoriko tsy ho eo imasoko+ koa ny Joda,+ toy ny nanesorako ny Israely.+ Ary holaviko ity tanànan’i Jerosalema nofidiko ity, sy ilay trano izay nolazaiko hoe: ‘Hitoetra ao ny anarako.’”+ 28  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Josia, mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany? 29  Tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka no niakaran’i Farao Neko+ mpanjakan’i Ejipta ho any amin’ny mpanjakan’i Asyria, tany amoron’ny reniranon’i Eofrata.+ Ary nandeha hifanandrina tamin’i Farao i Josia,+ kanjo novonoin’i Farao ho faty+ tao Megido+ izy raha vao hitany. 30  Koa nataon’ny mpanompony tao anaty kalesy ny fatiny, ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema,+ dia naleviny tao amin’ny fasany. Ary nalain’ny vahoaka i Joahaza+ zanak’i Josia, ka nohosorany ary nataony mpanjaka handimby an-drainy. 31  Telo amby roapolo taona i Joahaza+ tamin’izy nanomboka nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala,+ zanak’i Jeremia avy any Libna. 32  Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy, toy izay rehetra nataon’ny razany.+ 33  Dia nafatotr’i+ Farao Neko+ tao Ribla+ any Hamata izy, mba tsy hanjaka tany Jerosalema. Ary nampandoavin’i Farao sazy+ ilay tany, dia talenta volafotsy+ zato sy talenta volamena iray.+ 34  Ary nataon’i Farao Neko ho mpanjaka handimby an’i Josia rainy i Eliakima+ zanak’i Josia Mpanjaka, ka novany hoe Joiakima ny anarany. Fa i Joahaza kosa nalainy ka nentiny tany Ejipta, ary maty tany.+ 35  Ary nomen’i Joiakima an’i Farao ny volafotsy+ sy ny volamena. Nampandoaviny hetra+ anefa ny taniny, mba hanomezana ny volafotsy notakin’i Farao. Arakaraka ny hetra+ tokony haloan’ny tsirairay no nitakiany ny volafotsy sy ny volamena tamin’ny vahoaka, mba homena an’i Farao Neko. 36  Dimy amby roapolo taona i Joiakima+ tamin’izy nanomboka nanjaka, ary iraika ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.+ Ny anaran-dreniny dia Zebida, zanak’i Pedaia avy any Romaha. 37  Ary nanao izay ratsy+ teo imason’i Jehovah foana izy, toy izay rehetra nataon’ny razany.+

Fanamarihana

A.b.t.: “hampandalo.”
sampy.