2 Mpanjaka 24:1-20

24  Tamin’ny andron’i Joiakima no niakaran’i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona hanafika ilay tany. Koa lasa mpanompon’i+ Nebokadnezara nandritra ny telo taona i Joiakima. Nikomy taminy anefa izy.  Ary nalefan’i Jehovah hamely azy ny mpandroba avy tamin’ny Kaldeanina+ sy ny Syrianina sy ny Moabita+ ary ny taranak’i Amona. Nalefany ireny mba hamely ny Joda sy handrava azy foana, araka ny tenin’i Jehovah+ nolazainy tamin’ny alalan’ireo mpaminany mpanompony.  Noho ny baikon’i Jehovah tokana ihany no nahatonga izany tamin’ny Joda, mba hanesorana+ azy tsy ho eo imasony, noho ny fahotan’i Manase,+ dia ny ratsy rehetra nataony,  sy noho ny ran’olona tsy manan-tsiny+ nalatsany, ka nataony feno ran’olona tsy manan-tsiny i Jerosalema. Koa tsy nety namela heloka i Jehovah.+  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Joiakima,+ mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany?  Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Joiakima,+ ary i Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.  Ary tsy nivoaka avy ao amin’ny taniny intsony+ ny mpanjakan’i Ejipta,+ satria nalain’ny mpanjakan’i Babylona ny tany rehetran’ny mpanjakan’i Ejipta,+ nanomboka teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i+ Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata.+  Valo ambin’ny folo taona i Joiakina+ tamin’izy nanomboka nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema.+ Ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanak’i Elnatana avy any Jerosalema.  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy, toy izay rehetra nataon-drainy.+ 10  Nandritra izany fotoana izany, dia niakatra tany Jerosalema ny mpanompon’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Ary natao fahirano ilay tanàna.+ 11  Raha mbola nanao fahirano azy io ny mpanompony, dia tonga hanafika an’ilay tanàna i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona.+ 12  Farany, dia nivoaka ho any amin’ny mpanjakan’i Babylona i Joiakina mpanjakan’ny Joda,+ sy ny reniny+ sy ny mpanompony sy ny andrianany ary ny tandapany. Ary tamin’ny taona fahavalo+ nanjakan’ny mpanjakan’i Babylona, dia nalainy ho babo i Joiakina. 13  Dia navoakan’i Nebokadnezara ny zava-tsarobidy rehetra notehirizina tao an-tranon’i Jehovah, sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’ny mpanjaka.+ Ary nopotipotehiny ny fitaovana volamena rehetra+ nataon’i Solomona mpanjakan’ny Israely tao amin’ny tempolin’i Jehovah, araka izay nolazain’i Jehovah. 14  Ary nataony sesitany+ i Jerosalema manontolo sy ny andriana+ rehetra ary ny lehilahy matanjaka sy mahery fo+ rehetra mbamin’ny mpanao asa tanana+ rehetra sy ny mpanorina manda fiarovana rehetra. Iray alina ny isan’izy rehetra. Tsy nisy navelany afa-tsy ny vahoaka ambany saranga.+ 15  Nataony sesitany tany Babylona+ àry i Joiakina.+ Ary nentiny avy any Jerosalema koa ny renin’ny mpanjaka+ sy ireo vadin’ny mpanjaka ary ny tandapany,+ mbamin’ny olona ambony teo amin’ilay tany, mba hatao sesitany tany Babylona. 16  Ary nentin’ny mpanjakan’i Babylona natao sesitany tany Babylona avokoa ny lehilahy matanjaka mpiady rehetra, dia ny lehilahy mahery fo niisa fito arivo, sy lehilahy arivo mpanao asa tanana sy mpanorina manda fiarovana.+ 17  Nataon’ny mpanjakan’i Babylona+ ho mpanjaka handimby an’i Joiakina i Matania dadatoan’i+ Joiakina, ary novany hoe Zedekia ny anarany.+ 18  Iraika amby roapolo taona i Zedekia+ tamin’izy nanomboka nanjaka, ary iraika ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Hamotala,+ zanak’i Jeremia avy any Libna. 19  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy, sahala amin’izay rehetra nataon’i Joiakima.+ 20  Nahatezitra+ an’i Jehovah ny zava-nisy tany Jerosalema sy Joda, ka nesoriny tsy ho eo imasony ny olona tany.+ Ary nikomy tamin’ny mpanjakan’i Babylona i Zedekia.+

Fanamarihana