2 Mpanjaka 25:1-30

25  Ary tamin’ny andro fahafolon’ny+ volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy+ nanjakan’i Zedekia, dia tonga hamely an’i Jerosalema i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona+ sy ny tafiny manontolo. Dia nitoby hanafika an’i Jerosalema izy ireo, ka nanao manda nanodidina mba hanaovana fahirano azy.+  Koa natao fahirano ilay tanàna, hatramin’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakan’i Zedekia Mpanjaka.  Ary mafy ny mosary+ tao an-tanàna tamin’ny andro fahasivin’ny+ volana fahefatra, ka tsy nisy sakafo+ hohanin’ny vahoaka.  Ary voagorobaka ny mandan’ny tanàna.+ Koa nandositra ny lehilahy mpiady rehetra raha mbola alina ny andro, ka nanaraka ny lalana mankany amin’ilay vavahady teo anelanelan’ny manda roa sosona, izay teo akaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka.+ Efa nanodidina ny tanàna ny Kaldeanina+ tamin’izay. Dia nandeha+ tamin’ny lalana mankany Araba+ ny mpanjaka.  Nisy andia-miaramila kaldeanina+ nanenjika azy anefa, ka nahatratra azy+ teny amin’ny lemaka karakaina any Jeriko.+ Koa niparitaka sy nandao azy ny miaramilany rehetra.  Dia nosamborin’ny Kaldeanina ny mpanjaka,+ ka nentiny niakatra tany amin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla,+ mba hisy didim-pitsarana havoaka momba azy.  Ary ny zanakalahin’i Zedekia dia novonoin’izy ireo teo imasony,+ ary ny mason’i Zedekia kosa nopotsiriny.+ Dia nofatorany tamin’ny gadra varahina+ izy, ka nentiny tany Babylona.+  Ary tamin’ny andro fahafiton’ny volana fahadimy, izany hoe tamin’ny taona fahasivy ambin’ny folo+ nanjakan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, dia tonga tao Jerosalema+ i Nebozaradana+ lehiben’ny mpiaro ny mpanjakan’i Babylona, sady mpanompony.  Dia nodoran’i Nebozaradana ny tranon’i Jehovah+ sy ny tranon’ny mpanjaka+ ary ny trano rehetra tao Jerosalema.+ Nodorany koa ny tranon’ny olona ambony rehetra.+ 10  Ary ny manda nanodidina an’i Jerosalema dia narodan’ny tafika manontolon’ny Kaldeanina, izay niaraka tamin’ilay lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka.+ 11  Ary ny vahoaka sisa+ tao an-tanàna, sy ireo nitsoaka mba hitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babylona, ary ny olona sisa tavela, dia nentin’i Nebozaradana lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, ka nataony sesitany.+ 12  Navelany hijanona tao amin’ilay tany kosa ny sasany tamin’ireo olona ambany saranga,+ mba hikarakara tanimboaloboka. Ary nampanaovina asa an-terivozona koa izy ireny.+ 13  Nopotipotehin’ny Kaldeanina ireo andry+ varahina teo amin’ny tranon’i Jehovah sy ireo kalesy+ ary ny ranomasina varahina+ izay tao an-tranon’i Jehovah, ka nentin’izy ireo tany Babylona ny varahina tamin’ireny.+ 14  Dia nalainy ny fitoeran-davenona sy ny lapelina sy ny famonoan-jiro sy ny kaopy ary ny fitaovana+ varahina rehetra izay nampiasaina tamin’ny fanompoana. 15  Nalain’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, koa ny fitondrana afo sy ny vilia baolina, izay tena volamena+ sy tena volafotsy daholo.+ 16  Efa tsy hay lazaina intsony ny lanjan’ny varahina tamin’ny fitaovana rehetra, izany hoe tamin’ny andry roa sy ilay ranomasina ary ireo kalesy izay nataon’i Solomona ho an’ny tranon’i Jehovah.+ 17  Valo ambin’ny folo hakiho+ ny haavon’ny andry tsirairay. Varahina ny loha andry+ teo amboniny, ary telo hakiho ny haavon’ny loha andry. Ary varahina daholo ny harato nifampidipiditra sy ny ampongabendanitra+ nanodidina ny loha andry. Nisy toy izany koa teo ambonin’ny harato nifampidipiditra, teo amin’ilay andry faharoa. 18  Dia nalain’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, i Seraia+ lehiben’ny mpisorona, sy Zefania+ mpisorona lefitra. Naka olona telo mpiandry varavarana koa izy.+ 19  Ireto kosa no nalainy avy tao an-tanàna: Tandapa iray nifehy ny lehilahy mpiady; lehilahy dimy anisan’ireo afaka nankeo anatrehan’ny mpanjaka ka hita tao an-tanàna; ny mpitan-tsoratry ny lehiben’ny tafika, izany hoe ilay mpanangona vahoaka; ary enimpolo lahy teo amin’ny vahoaka ka hita tao an-tanàna.+ 20  Nalain’i Nebozaradana,+ lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, ireo+ ka nentiny tany amin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla.+ 21  Dia namely an’ireo ny mpanjakan’i Babylona,+ ka namono azy ho faty tao Ribla, tany Hamata.+ Koa nesorina tamin’ny taniny ny Joda ka natao sesitany.+ 22  Ary i Gedalia+ zanak’i Ahikama+ zanak’i Safana+ no notendren’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona hiandraikitra ny vahoaka+ sisa navelany tany Joda. 23  Raha vao ren’ny lehiben’ny tafika rehetra+ sy ny miaramilany fa nanendry an’i Gedalia ny mpanjakan’i Babylona, dia nankany amin’i Gedalia tany Mizpa izy ireo,+ izany hoe i Ismaela zanak’i Netania, sy Johanana zanak’i Karea, sy Seraia zanak’i Tanometa Netofatita, ary Jazania zanak’ilay Makatita, niaraka tamin’ny miaramilany avy. 24  Dia nianiana+ tamin’izy ireo sy ny miaramilany i Gedalia, ary nanao hoe: “Aza matahotra ny ho mpanompon’ny Kaldeanina. Mitoera eto amin’ity tany ity ary manompoa ny mpanjakan’i Babylona, dia hahita soa ianareo.”+ 25  Tamin’ny volana fahafito,+ dia tonga i Ismaela+ zanak’i Netania zanak’i Elisama tarana-mpanjaka, ary nisy folo lahy niaraka taminy. Ary namely an’i Gedalia izy ireo,+ ka maty i Gedalia sy ny Jiosy ary ny Kaldeanina niaraka taminy tany Mizpa.+ 26  Dia niainga ny olona rehetra, na kely na lehibe, mbamin’ireo lehiben’ny tafika, ka nankany Ejipta,+ noho izy ireo natahotra ny Kaldeanina.+ 27  Ary tamin’ny taona fahafito amby telopolo nanaovana sesitany an’i Joiakina+ mpanjakan’ny Joda, tamin’ny andro fahafito amby roapolon’ny volana faharoa ambin’ny folo, tamin’ny taona naha lasa mpanjaka an’i Evila-merodaka+ mpanjakan’i Babylona, dia nahazo sitraka taminy* i Joiakina mpanjakan’ny Joda, ka navoakany+ avy tao am-ponja. 28  Dia nilaza zava-tsoa taminy i Evila-merodaka, ary nataony ambony noho ny seza fiandrianan’ireo mpanjaka niaraka taminy tany Babylona ny seza fiandrianan’i Joiakina.+ 29  Koa nesorin’i Joiakina ny fitafiana nanaovany tao am-ponja,+ ary nihinan-kanina+ teo anatrehan’ny mpanjaka mandrakariva izy, nandritra ny androm-piainany. 30  Ary nomena anjara sakafo+ tsy tapaka avy tamin’ny mpanjaka izy, araka izay tokony ho azy isan’andro, nandritra ny androm-piainany.

Fanamarihana

A.b.t.: “nasandrany ny lohan’i.”