2 Mpanjaka 3:1-27

3  Lasa mpanjakan’ny Israely tao Samaria i Jorama+ zanak’i Ahaba, tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folo nanjakan’i Josafata mpanjakan’ny Joda. Ary roa ambin’ny folo taona no nanjakany.  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah+ foana izy, saingy tsy toy ny nataon’ny rainy+ na ny reniny, satria mba nesoriny ihany ilay tsangambato masin’i+ Bala nataon-drainy.+  Nifikitra tamin’ny fahotan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata anefa izy, dia ny fahotan’i Jeroboama izay nampanotany ny Israely.+ Tsy niala tamin’izany izy.  I Mesa+ mpanjakan’i Moaba dia lasa mpiompy ondry. Ary nandoa hetra ho an’ny mpanjakan’ny Israely izy, dia zanak’ondry iray hetsy sy ondrilahy iray hetsy mbola tsy nohetezana.  Raha vao maty anefa i Ahaba,+ dia nikomy+ tamin’ny mpanjakan’ny Israely ny mpanjakan’i Moaba.  Koa nivoaka avy any Samaria i Jorama Mpanjaka tamin’izay, ka novoriny+ ny Israely rehetra.  Ankoatra izany, dia nandefa iraka tany amin’i Josafata mpanjakan’ny Joda izy, nanao hoe: “Mikomy amiko ny mpanjakan’i Moaba. Koa hiaraka amiko hiady any Moaba ve ianao?” Dia hoy i Josafata: “Handeha aho,+ fa izay ahy dia anao, ny oloko dia olonao,+ ary ny soavaliko dia soavalinao.”  Hoy koa izy: “Avy aiza isika no hiakatra?” Dia hoy i Jorama: “Avy any amin’ny lalana mankany an-tany efitr’i Edoma.”+  Dia niainga ny mpanjakan’ny Israely sy ny mpanjakan’ny Joda ary ny mpanjakan’i Edoma,+ ka nandeha nanodidina nandritra ny fito andro. Ary tsy nisy rano ho an’ny tao an-toby sy ho an’ny biby fiompy izay nanara-dia azy ireo. 10  Farany, dia hoy ny mpanjakan’ny Israely: “Indrisy! Nantsoin’i Jehovah isika mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tanan’i Moaba!”+ 11  Dia hoy i Josafata:+ “Tsy misy mpaminanin’i Jehovah angaha atỳ?+ Andao asaintsika manontany an’i Jehovah izy.”+ Ary hoy ny lehilahy iray mpanompon’ny mpanjakan’ny Israely: “Atỳ i Elisa+ zanak’i Safata, ilay mpanondraka rano ny tanan’i Elia.”+ 12  Dia hoy i Josafata: “Nankinina taminy ny tenin’i Jehovah.” Koa nidina tany aminy ny mpanjakan’ny Israely sy Josafata ary ny mpanjakan’i Edoma. 13  Ary hoy i Elisa tamin’ny mpanjakan’ny Israely: “Misy zavatra iombonako aminao angaha moa?+ Mandehana any amin’ny mpaminanin-drainao+ sy ny mpaminanin-dreninao.” Hoy anefa ny mpanjakan’ny Israely: “Aza miteny an’izany, fa ny hanolotra anay eo an-tanan’i Moaba no niantsoan’i Jehovah anay mpanjaka telo ireto.”+ 14  Dia hoy i Elisa: “Raha mbola velona koa i Jehovah Tompon’ny tafika, izay tompoiko,+ dia tsoriko aminao fa raha tsy noho ny amin’i Josafata mpanjakan’ny Joda sy noho ny fanajako azy,+ dia tsy ho nijery anao akory aho.+ 15  Koa akao mpitendry lokanga aho.”+ Raha vao nitendry ny lokangany ilay mpitendry, dia niasa tamin’i Elisa ny tanan’i+ Jehovah. 16  Dia hoy izy: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Aoka hasiana tatatra be dia be ity lohasaha falehan-driaka ity.+ 17  Fa izao no nolazain’i Jehovah: “Tsy hahita rivotra na oram-be ianareo, nefa ho feno rano io lohasaha falehan-driaka io.+ Ary hisotro rano avy aminy ianareo+ sy ny biby fiompinareo.”’ 18  Zavatra tsotra amin’i Jehovah ny hanao izany.+ Koa hanolotra an’i Moaba eo an-tananareo tokoa izy.+ 19  Ary tafiho ny tanàna voaro mafy+ rehetra sy ny tanàna tena tsara rehetra. Kapao ny hazo tsara+ rehetra,+ tampeno ny loharano rehetra, ary simbasimbao amin’ny vato ny tany tsara rehetra.” 20  Nony maraina,+ tamin’ny fotoana fanolorana fanatitra varimbazaha,+ dia nisy rano tonga avy any amin’ny faritr’i Edoma, ka feno rano ilay tany. 21  Ary ren’ny Moabita rehetra fa niakatra hiady taminy ireo mpanjaka ireo. Koa novoriny ny lehilahy rehetra ampy taona hiady. Dia nijoro teo amin’ny sisin-tany ireo. 22  Efa notarafin’ny masoandro ny rano rehefa nifoha ny Moabita teny ampita, ny ampitso maraina. Koa mena sahala amin’ny ra no fahitan’izy ireo ny rano. 23  Dia hoy izy ireo: “Ra io! Tena nifamely tamin’ny sabatra ireo mpanjaka ka nifamono. Andao haka babo,+ ry Moaba ô!” 24  Kanjo nony niditra tao an-tobin’ny Israely izy ireo, dia nitsangana avy hatrany ny Israelita+ ka namely azy. Dia nandositra teo anoloan’ny Israelita ny Moabita.+ Ary tonga tany Moaba ny Israelita, ka sady namono ny Moabita izy ireo no nandroso ihany. 25  Noravany koa ireo tanàna.+ Samy nanipy vato teny amin’ny tany tsara rehetra izy ireo, ka nofenoiny vato izany. Ary notampenany+ ny loharano rehetra, nokapainy ny hazo tsara rehetra,+ ary ny vato tao Kira-haresa+ sisa no navelany. Dia nanodidina an’ilay tanàna ireo mpampiasa pilotra, ka namely azy. 26  Raha vao hitan’ny mpanjakan’i Moaba fa efa ho resy izy, dia nitondra fitonjato lahy mpitan-tsabatra izy mba hanavatsava teo amin’ny mpanjakan’i Edoma.+ Tsy nahomby anefa izy ireo. 27  Farany, dia nalain’ny mpanjakan’i Moaba ny zanany lahimatoa, izay tokony hanjaka handimby azy, ka natolony+ ho fanatitra dorana teo ambony manda. Niharan’ny fahatezerana mafy àry ny Israely, dia niala ka tsy nanafika azy intsony, ary niverina tany amin’ny taniny.

Fanamarihana