2 Mpanjaka 4:1-44

4  Ary nisy vehivavy iray vadin’ny zanaky+ ny mpaminany, tonga nitaraina tamin’i Elisa hoe: “Maty ny vadiko mpanomponao, ary fantatrao tsara fa natahotra+ an’i Jehovah foana izy. Tonga anefa izao ny tompon-trosa+ haka ny zanako roa ho andevony.”  Dia hoy i Elisa taminy: “Inona àry no hataoko ho anao?+ Lazao ahy izay anananao ao an-trano.” Ary hoy ravehivavy: “Tsy manana na inona na inona ao an-trano ny mpanompovavinao, afa-tsy siny iray fasiana menaka.”+  Ary hoy i Elisa: “Mankanesa any amin’ny mpiara-monina aminao rehetra, ka mangataha siny tsy misy na inona na inona. Mitondrà betsaka araka izay azonao atao.  Dia aoka hihidy ao an-trano ianao sy ny zanakao. Ary mandraraha menaka ao anatin’ireo siny rehetra ireo, ka atokàny izay feno.”  Dia niala teo aminy ravehivavy. Rehefa nihidy tao an-trano izy sy ny zanany mirahalahy, dia nentin’izy roa lahy teo akaikiny ny siny, ka ravehivavy no nandraraka menaka.+  Raha vao feno ireo siny, dia hoy izy tamin-janany: “Itondray siny hafa koa aho.”+ Hoy anefa ilay zanany: “Tsy misy intsony.” Dia nitsahatra ny menaka.+  Ary nankao amin’ilay lehilahin’Andriamanitra ravehivavy, ka nilaza izany. Dia hoy ralehilahy: “Mandehana, amidio ny menaka ka aloavy ny trosanao.+ Ny ambiny kosa hivelomanao sy ny zanakao.”+  Ary nandalo tao Sonema+ i Elisa indray andro. Nisy vehivavy nanan-kaja tao, ary nanery+ an’i Elisa hisakafo izy. Koa isaky ny nandalo i Elisa, dia nivily mba hisakafo tao.  Rehefa ela ny ela, dia hoy ravehivavy tamin’ny vadiny:+ “Fantatro fa tena olo-masin’Andriamanitra+ ilay mpandalo eto amintsika iny. 10  Andao mba hanao efitrano kely+ ao an-tampon-trano, mifanila amin’ny rindrina, ka hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fitoeran-jiro+ hampiasainy. Ary afaka mankao izy isaky ny tonga eto amintsika.”+ 11  Indray andro, dia nankany toy ny mahazatra i Elisa, ka nankao amin’ilay efitrano tany an-tampon-trano, ary natory tao. 12  Dia hoy i Elisa tamin’i Gehazy+ mpanompony: “Antsoy ilay vehivavy sonemita.”+ Dia nantsoiny ho eo anatrehany izy. 13  Ary hoy i Elisa tamin’i Gehazy: “Lazao aminy, azafady, hoe: ‘Mihafy be ianao noho izao fikarakarana anay izao,+ ka inona kosa no mba hatao ho anao?+ Misy zavatra tianao holazaina amin’ny mpanjaka ve,+ na amin’ny lehiben’ny tafika?’”+ Dia hoy ravehivavy: “Tsia, satria izaho eto amin’ny fireneko ihany.”+ 14  Ary hoy i Elisa: “Inona àry no tokony hatao ho azy?” Dia hoy i Gehazy: “Zanakalahy no tsy ananany,+ sady efa antitra ny vadiny.” 15  Avy hatrany, dia hoy i Elisa: “Antsoy àry izy.” Dia nantsoiny ravehivavy, ka nijoro teo amin’ny fidirana. 16  Ary hoy i Elisa: “Amin’ny fotoana voatondro, amin’ny herintaona toy izao, dia hitrotro zanakalahy ianao.”+ Hoy anefa ravehivavy: “Tsia re, tompoko ô! Aza mandainga amin’ny mpanompovavinao, ry lehilahin’Andriamanitra ô!” 17  Bevohoka tokoa anefa ravehivavy. Dia tera-dahy+ izy tamin’ny fotoana voatondro, herintaona taorian’izay, araka izay nolazain’i Elisa taminy.+ 18  Ary nihalehibe ilay zaza. Indray andro izy dia nankany amin-drainy toy ny fanaony. Niaraka tamin’ireo mpijinja+ ny rainy tamin’izay. 19  Ary hoy foana izy tamin-drainy: “Ny an-dohako e! Ny an-dohako e!”+ Farany, dia hoy ny rainy tamin’ny mpanompo: “Ento any amin-dreniny izy.”+ 20  Koa nentin’ilay mpanompo tany amin-dreniny izy. Dia nipetraka teo ampofoan-dreniny izy mandra-pitataovovonan’ny andro, ary farany dia maty.+ 21  Ary niakatra nampandry azy teo amin’ny fandrianan’ilay+ lehilahin’Andriamanitra+ ravehivavy. Dia nakatony ny varavarana, ka lasa izy. 22  Ary nantsoiny ny vadiny, ka nilazany hoe: “Mba andefaso mpanompo iray sy ampondravavy iray aho, azafady. Aleo aho handeha haingana ho any amin’ilay lehilahin’Andriamanitra, dia hiverina.”+ 23  Hoy anefa ny vadiny: “Fa misy inona no hankany aminy ianao anio, nefa tsy tsinam-bolana+ na sabata izao?” Ary hoy ravehivavy: “Tsy misy inona na inona!” 24  Dia nasiany lasely ilay ampondravavy,+ ary hoy izy tamin’ilay mpanompony: “Tariho ny ampondra, dia rosoy ny dia! Aza manahy momba ahy, ary aza mijanona mihitsy raha tsy mahazo baiko avy amiko.” 25  Dia nankany amin’ilay lehilahin’Andriamanitra tany amin’ny Tendrombohitra Karmela izy. Raha vao nahatazana azy nanatona ilay lehilahin’Andriamanitra, dia niteny tamin’i Gehazy mpanompony+ hoe: “Iny ilay vehivavy sonemita! 26  Mba mihazakazaha hitsena azy, ary anontanio izy hoe: ‘Tsy maninona ve ianao? Tsy maninona ve ny vadinao? Ary tsy maninona ve ilay zaza?’” Dia hoy ravehivavy: “Tsy maninona izahay!” 27  Raha vao tonga teo amin’ilay lehilahin’Andriamanitra teo an-tendrombohitra izy, dia nohazoniny ny tongotr’ilay lehilahin’Andriamanitra.+ Dia nanatona i Gehazy mba hanosika azy hiala,+ nefa hoy ilay lehilahin’Andriamanitra:+ “Avelao izy+ fa ory dia ory.+ Nafenin’i Jehovah+ tamiko izany, fa tsy nambarany ahy.” 28  Dia hoy ravehivavy: “Izaho angaha nangataka zanakalahy tamin’ny alalan’ny tompoko? Tsy efa nilaza ve aho hoe: ‘Aza mampanantena tsy misy’?”+ 29  Avy hatrany, dia hoy i Elisa tamin’i Gehazy:+ “Misikìna,*+ ka raiso ny tehiko,+ ary mandehana. Raha mifanena amin’olona ianao, dia aza miarahaba azy.+ Ary raha misy miarahaba anao, dia aza mamaly. Ary apetraho eo amin’ny tarehin’ilay zazalahy ny tehiko.”+ 30  Dia hoy ny renin’ilay zazalahy: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ ary raha mbola velon’aina koa ianao,+ dia tsy hiala aminao mihitsy aho.”+ Koa nitsangana ralehilahy, ary lasa niaraka taminy. 31  Ary nialoha lalana azy ireo i Gehazy, ka nametraka ilay tehina teo amin’ny tarehin’ilay zazalahy. Sady tsy namoaka feo anefa ilay zaza no tsy nihetsika.+ Dia niverina hitsena an’i Elisa izy, ka nanao hoe: “Tsy nifoha ilay zazalahy.”+ 32  Farany, dia tonga tao amin’ilay trano i Elisa. Ary nampandrina teo am-pandrianany ilay zazalahy efa maty.+ 33  Dia niditra izy ka nihidy tao an-trano niaraka tamin’ilay zaza.+ Ary nivavaka tamin’i Jehovah i Elisa.+ 34  Farany, dia niakatra teo amin’ilay fandriana izy ary nandry teo ambonin’ilay zaza,+ ka nataony teo amin’ny vavan’ilay zaza ny vavany, teo amin’ny masony ny masony, ary teo amin’ny felatanany ny felatanany. Dia nivalampatra teo aminy elaela izy, ka nafana tsikelikely ny nofon’ilay zaza. 35  Ary nivezivezy kely tao an-trano indray izy. Dia niakatra teo amin’ilay fandriana izy, ka nivalampatra teo amin’ilay zaza indray. Koa nievina impito ilay zazalahy, ary avy eo dia nihiratra.+ 36  Dia nantsoin’i Elisa i Gehazy, ka nilazany hoe: “Antsoy ilay vehivavy sonemita.”+ Ary nantsoiny ravehivavy, ka nankao aminy. Dia hoy i Elisa: “Raiso ny zanakao.”+ 37  Dia niditra ravehivavy, ka niantoraka teo an-tongotr’i Elisa ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.+ Avy eo dia noraisiny ny zanany ary lasa izy.+ 38  Dia niverina tany Gilgala+ i Elisa. Nisy mosary+ tany tamin’izay. Ary nipetraka teo anatrehany+ ireo zanaky+ ny mpaminany, ka hoy izy tamin’ny mpanompony:+ “Ataingeno ilay vilanibe, ka manaova lasopy ho an’ny zanaky ny mpaminany.”+ 39  Koa nisy anankiray nankany an-tsaha mba hitsongo anana atao hoe fiandrilavenona,+ ka nahita zavamaniry mandady. Dia nioty voantangomboalavo teo amin’io izy, ka nahangona eran’ny akanjony. Ary nony tonga izy, dia notetitetehiny ilay izy, ka narotsany tao anatin’ilay vilanin-dasopy, fa tsy fantatr’izy ireo hoe inona ilay izy. 40  Avy eo, dia noloarana ilay lasopy mba hohanin’ny olona. Raha vao nihinana tamin’ilay izy anefa izy ireo, dia nikiakiaka hoe: “Misy zava-mahafaty ao am-bilany,+ ry lehilahin’Andriamanitra ô!”+ Koa tsy nahahinana izy ireo. 41  Dia hoy i Elisa: “Akao lafarinina àry aho.” Ary narotsany tao am-bilany izany, ka hoy izy: “Andoary amin’io ny olona mba hohaniny.” Dia tsy nisy zava-dratsy intsony tao am-bilany.+ 42  Ary nisy lehilahy iray avy any Bala-salisa,+ nitondra+ mofo roapolo vita tamin’ny vary orza+ voaloham-bokatra,+ ary koa voa vaovao tao anaty kitapo mofony. Nentiny ho an’ilay lehilahin’Andriamanitra ireo. Dia hoy i Elisa: “Omeo hohanin’ny olona ireo.”+ 43  Fa hoy kosa ny mpanompony: “Hataoko ahoana ny handroso an’ireo eo anoloan’ny lehilahy zato?”+ Dia hoy i Elisa: “Omeo hohanin’ny olona ireo, fa izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hihinana ny olona, ary hisy sisa tsy lany.’”+ 44  Dia narosony teo anoloan’izy ireo izany, ka nihinana ireo ary nisy sisa tsy lany, araka ny tenin’i Jehovah.+

Fanamarihana

A.b.t.: “fehezo ny andilanao.”