2 Mpanjaka 6:1-33

6  Ary hoy ireo zanaky+ ny mpaminany tamin’i Elisa: “Kely loatra+ ny toerana+ onenanay eto anatrehanao ka tsy antonona anay.  Koa aoka re izahay handeha hatrany amin’ny Reniranon’i Jordana e, ka samy haka vatan-kazo iray any, ary hanao toeram-ponenana ho anay+ any.” Dia hoy i Elisa: “Mandehana àry.”  Ary nisy anankiray nanao hoe: “Andao re mba hiaraka amin’ny mpanomponao e!” Dia hoy izy: “Handeha àry aho.”  Koa niaraka tamin’ireo izy. Rehefa tonga tany Jordana izy ireo, dia nikapa hazo.+  Rehefa nikapa ny hazony anefa ny anankiray, dia latsaka tao anaty rano ny lelam-pamaky.+ Koa nitaraina izy hoe: “Loza, tompoko ô,+ fa nindramina iny!”+  Ary hoy ilay lehilahin’Andriamanitra: “Taiza ilay izy no nilatsaka?” Dia natorony azy ilay toerana. Nanapaka tapa-kazo avy hatrany i Elisa, ka natsipiny tao. Dia natsinkafony ilay lelam-pamaky.+  Ary hoy izy: “Alaivo amin’izay.” Dia natsotran-dralehilahy ny tanany, ka nalainy ilay izy.  Ary nanjary niady tamin’ny Israely ny mpanjakan’i Syria,+ ka nikaon-doha niaraka tamin’ny mpanompony.+ Hoy izy: “Any Ananona no hitobianareo miaraka amiko.”+  Dia naniraka olona ilay lehilahin’Andriamanitra+ hiteny tamin’ny mpanjakan’ny Israely hoe: “Tandremo sao mandalo any amin’izany toerana izany,+ fa any no idinan’ny Syrianina.”+ 10  Koa nandefa iraka nankany amin’ilay toerana nolazain’ilay lehilahin’Andriamanitra ny mpanjakan’ny Israely.+ Nampitandrina+ azy tokoa i Elisa, ka tsy nankany izy. Tsy indray mandeha na indroa no nitrangan’izany. 11  Koa romotry ny hatezerana ny fon’ny mpanjakan’i Syria,+ ary niantso ny mpanompony izy ka nanao hoe: “Tsy holazainareo amiko ve hoe iza amintsika no momba ny mpanjakan’ny Israely?”+ 12  Dia hoy ny mpanompony anankiray: “Tsy misy manao an’izany, ry mpanjaka tompoko ô! Fa i Elisa+ mpaminany any Israely no milaza+ amin’ny mpanjakan’ny Israely izay zavatra lazainao ao amin’ny efitra fatorianao.”+ 13  Ary hoy ny mpanjaka: “Mandehana jereo izay misy azy mba hanirahako olona haka azy.”+ Tatỳ aoriana, dia nisy nilaza taminy hoe: “Any Dotana izy.”+ 14  Koa avy hatrany dia nisy soavaly sy kalesin’ady ary tafika lehibe+ nalefany nankany. Tonga tamin’ny alina izy ireo, ka nohodidininy ny tanàna. 15  Rehefa nifoha maraina ny mpanompon’ilay+ lehilahin’Andriamanitra ka nitsangana nankany ivelany, dia nahita tafika nanodidina ny tanàna niaraka tamin’ny soavaly sy kalesin’ady. Avy hatrany dia hoy ilay mpanompo: “Indrisy, tompoko ô!+ Inona no hataontsika?” 16  Hoy anefa izy: “Aza matahotra,+ fa ny momba antsika dia betsaka noho ny momba azy.”+ 17  Ary nivavaka i Elisa+ hoe: “Jehovah ô, ampahirato re ny masony+ mba hahitany e!” Avy hatrany dia nampahiratin’i Jehovah ny mason’ilay mpanompo, ka nahita izy. Ary indreo feno soavaly sy kalesy afo+ ny faritra be tendrombohitra manodidina an’i Elisa.+ 18  Rehefa nidina ho eny amin’i Elisa ny Syrianina, dia nivavaka tamin’i Jehovah izy hoe: “Mba ataovy jamba re io firenena io e!”+ Dia nataony jamba ireo, araka ny tenin’i Elisa. 19  Ary hoy i Elisa tamin’ireo: “Tsy ity ilay lalana, ary tsy ity ilay tanàna. Manaraha ahy, fa hoentiko any amin’ilay lehilahy tadiavinareo ianareo.” Nentiny tany Samaria anefa izy ireo.+ 20  Raha vao tonga tany Samaria ireo, dia hoy i Elisa: “Jehovah ô, ampahirato ny mason’ireto mba hahitany.”+ Koa nampahiratin’i Jehovah avy hatrany ny masony, ka hitan’izy ireo fa teo afovoan’i Samaria izy ireo. 21  Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Elisa raha vao nahita an’ireo: “Hasiako ho faty ve izy ireo? Hasiako ho faty ve izy ireo,+ ry raiko ô?”+ 22  Hoy anefa izy: “Aza mamely azy. Izay nobaboinao tamin’ny sabatrao sy ny tsipìkanao ve dia hovonoinao?+ Rosoy sakafo izy ireo hohaniny sy rano hosotroiny,+ ary aoka izy hiverina any amin’ny tompony.” 23  Dia nanao fanasambe ho an’ireo izy, ary nihinana sy nisotro ireo. Avy eo dia nalefany izy ireo, ka niverina tany amin’ny tompony. Koa tsy nankany amin’ny tanin’ny Israely intsony ny Syrianina mpandroba,+ na indray mandeha aza. 24  Ary novorin’i Beni-hadada mpanjakan’i Syria ny olona rehetra tao an-tobiny, ka niakatra hanao fahirano+ an’i Samaria izy ireo. 25  Dia nisy mosary mafy tao Samaria.+ Nataon’izy ireo fahirano izy io, ka lasa farantsa volafotsy valopolo ny vidin’ny lohan’ampondra iray,+ ary farantsa volafotsy dimy ny taim-boromailala+ ampahefatry ny kaba.* 26  Rehefa nandalo teo ambonin’ny manda ny mpanjakan’ny Israely, dia nisy vehivavy anankiray nitaraina taminy hoe: “Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko ô!”+ 27  Dia hoy izy: “Ahoana no hamonjeko anao raha tsy mamonjy anao i Jehovah?+ Heverinao angaha fa afaka manome anao voa na divay na menaka aho?” 28  Hoy koa izy: “Fa misy inona?” Dia hoy ravehivavy: “Niteny tamiko ity vehivavy ity hoe: ‘Omeo ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa no hohanintsika rahampitso.’+ 29  Dia nandrahoinay+ ny zanako ka nohaninay.+ Ary hoy izaho taminy ny ampitso: ‘Omeo ny zanakao hohanintsika.’ Kanjo nafeniny ny zanany.” 30  Dia nandrovitra+ ny akanjony ny mpanjaka raha vao nandre ny tenin-dravehivavy. Rehefa nandalo teo ambonin’ny manda izy, dia hitan’ny olona fa lamba gony no nataony nanolo-koditra. 31  Dia hoy izy: “Hofaizin’Andriamanitra anie aho,* ary mihoatra noho izany aza, raha mbola ho tavela eo ambonin’i Elisa zanak’i Safata ihany ny lohany anio!”+ 32  Nipetraka tao an-tranony i Elisa, ary niaraka taminy koa ny anti-panahy,+ rehefa naniraka olona ho any amin’i Elisa ny mpanjaka. Fa raha mbola tsy tonga tany aminy ilay iraka, dia hoy izy tamin’ny anti-panahy: “Hitanareo ve fa nandefa iraka hanapaka ny lohako iny zanaky ny mpamono olona+ iny? Tandremo tsara fa raha vao tonga ilay iraka, dia akatòny ny varavarana ka atoseho amin’ny varavarana izy. Ary tsy izany efa rentsika ao aoriany ao izany ve ny figodongodon’ny+ tongotry ny tompony?” 33  Ary raha mbola niresaka tamin’izy ireo i Elisa, dia nidina nankao aminy ilay iraka. Dia hoy ny mpanjaka: “Loza avy amin’i Jehovah izao.+ Koa nahoana aho no tokony mbola hiandry an’i Jehovah ihany?”+

Fanamarihana

1 kaba = 1,22 litatra.
Heb.: “Hataon’Andriamanitra amiko anie izany!”