2 Mpanjaka 7:1-20

7  Dia hoy i Elisa: “Henoinareo ny tenin’i Jehovah.+ Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Rahampitso, tokotokony ho amin’ny ora toy izao, dia ho sekely iray ny vidin’ny lafarinina tsara toto eran’ny seha,* ary ho sekely iray koa ny vidin’ny vary orza indroan’ny seha, eo am-bavahadin’i Samaria.”+  Dia niteny tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra ny manamboninahitra lefitra nitehenan’ny+ mpanjaka, nanao hoe: “Izany ve dia ho tanteraka,+ na dia hanao vavahadin-drano eny amin’ny lanitra aza i Jehovah?”+ Ary hoy i Elisa: “Ho hitan’ny masonao izany,+ nefa tsy hihinana amin’izany ianao.”+  Ary nisy boka efa-dahy, sendra teo amin’ny fidirana amin’ny vavahady.+ Dia nifampiresaka izy ireo hoe: “Nahoana moa isika no hipetraka eto mandra-pahafatintsika?  Raha manapa-kevitra isika hoe: ‘Andao hiditra ao an-tanàna’, dia ho faty ao isika satria misy mosary ao.+ Raha mipetraka eto kosa isika, dia ho faty ihany koa. Koa andao hiditra ao an-tobin’ny Syrianina, ka raha tsimbinin’izy ireo ny aintsika, dia ho velona isika. Fa raha vonoiny ho faty isika, dia ho faty.”+  Dia nankany an-tobin’ny Syrianina izy ireo tamin’ny takariva maizimaizina. Ary tonga hatrany an-tsisin’ny tobin’ny Syrianina izy ireo, nefa tsy nisy olona mihitsy tao.  Efa nataon’i Jehovah nandre feon’ny+ kalesin’ady sy feon-tsoavaly ary feon’ny tafika lehibe+ mantsy ny olona tao an-tobin’ny Syrianina, ka nifampiresaka hoe: “Nokaramain’ny mpanjakan’ny Israely hamely antsika ireo mpanjakan’ny Hetita+ sy ireo mpanjakan’i Ejipta!”+  Koa lasa nandositra avy hatrany izy ireo tamin’ilay takariva maizimaizina iny,+ ka nilaozany ny tranolainy sy ny soavaliny+ ary ny ampondrany, dia nilaozany fotsiny teo ny tobiny. Eny, lasa nandositra izy ireo mba hamonjy ny ainy.*+  Koa rehefa tonga hatrany an-tsisin’ny toby ireo boka, dia nankao amin’ny tranolay iray ka nihinana sy nisotro, ary naka volafotsy sy volamena ary akanjo tao, dia lasa nanafina an’ireny. Ary niverina indray izy ireo, dia nankao amin’ny tranolay hafa, ka naka zavatra tao, ary lasa nanafina an’ireny.+  Farany, dia nifampiresaka izy ireo hoe: “Tsy mety izao ataontsika izao. Tokony holazaintsika amin’ny olona izao vaovao tsara izao!+ Hahita loza isika raha misalasala ka miandry mandra-pahazavan’ny andro.+ Koa andao hankany an-tanàna, mba hilaza an’izao any an-tranon’ny mpanjaka.” 10  Koa nankany izy ireo, ary nantsoiny ny mpiandry vavahadin’ny+ tanàna ka nilazany hoe: “Nankao an-tobin’ny Syrianina izahay, ary tsy nisy olona na feon’olona tao, fa soavaly sy ampondra mifatotra ary tranolay nilaozana teo fotsiny.”+ 11  Dia niantsoantso avy hatrany ny mpiandry vavahady, ka nilaza izany tamin’izay tao an-tranon’ny mpanjaka. 12  Niarina avy hatrany ny mpanjaka raha mbola alina ny andro, ka niteny tamin’ny mpanompony hoe:+ “Hampahafantariko anareo izao ataon’ny Syrianina amintsika izao:+ Fantany tsara fa noana isika,+ ka nivoaka ny toby izy ireo mba hiafina any an-tsaha+ ary nanao hoe: ‘Hivoaka ny tanàna ry zareo ka hataontsika sambo-belona. Dia hidirantsika ny tanàna.’” 13  Ary hoy ny mpanompony anankiray: “Mifidiana olona haka soavaly dimy amin’izay sisa tavela ato an-tanàna.+ Fa toy ny Israelita rehetra sisa tavela ato ihany izy ireo, eny, toy ny rehetra efa ho faty,+ ka andao hirahina, dia ho hita eo.” 14  Dia naka kalesy roa niaraka tamin’ny soavaly izy ireo, ka nirahin’ny mpanjaka hanara-dia an’ireo miaramila syrianina, ary nilazany hoe: “Mandehana, jereo.” 15  Dia lasa izy ireo nanaraka ny Syrianina hatrany amin’ny Reniranon’i Jordana. Ary hitany tokoa fa nameno ny lalana ny akanjo sy fitaovana+ narian’ny Syrianina, tamin’izy ireo nikoropaka nandositra.+ Dia niverina nilaza izany tamin’ny mpanjaka ireo iraka. 16  Dia nivoaka ny tanàna ny olona ka nandroba+ ny tobin’ny Syrianina. Koa nanjary sekely iray monja ny vidin’ny lafarinina tsara toto eran’ny seha, ary sekely iray koa ny vidin’ny vary orza indroan’ny seha, araka ny tenin’i+ Jehovah. 17  Ary notendren’ny mpanjaka hiandraikitra ny vavahady ilay manamboninahitra lefitra nitehenany.+ Voahitsakitsaky+ ny olona teo am-bavahady anefa izy, ka maty. Izany no efa nolazain’ilay lehilahin’Andriamanitra,+ rehefa nidina tany aminy ny mpanjaka. 18  Dia nitranga tokoa izay efa nolazain’ilay lehilahin’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka hoe: “Ho sekely iray ny vidin’ny vary orza indroan’ny seha, ary ho sekely iray koa ny vidin’ny lafarinina tsara toto eran’ny seha, eo am-bavahadin’i Samaria, rahampitso amin’ny ora toy izao.”+ 19  Niteny tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra anefa ilay manamboninahitra lefitra hoe: “Izany ve dia ho tanteraka, na dia hanao vavahadin-drano eny amin’ny lanitra aza i Jehovah?”+ Ary hoy i Elisa: “Ho hitan’ny masonao izany, nefa tsy hihinana amin’izany ianao.”+ 20  Koa izany tokoa no nanjo azy,+ rehefa voahitsakitsaky+ ny olona teo am-bavahady izy, ka maty.

Fanamarihana

1 seha = 7,33 litatra.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.