2 Mpanjaka 8:1-29

8  Ary hoy i Elisa tamin’ilay vehivavy, renin’ilay zaza novelominy indray:+ “Mandehana ianao sy ny ankohonanao mivahiny any amin’izay azonao ivahiniana.+ Fa efa niantso mosary i Jehovah,+ ary ho tonga eto amin’ity tany ity izany ka haharitra fito taona.”+  Dia nanao araka ny tenin’ilay lehilahin’Andriamanitra ravehivavy, ka lasa+ nivahiny fito taona tany amin’ny tanin’ny Filistinina+ izy sy ny ankohonany.+  Rehefa tapitra ny fito taona, dia nody avy tany amin’ny tanin’ny Filistinina ravehivavy. Ary nandeha nitaraina tamin’ny mpanjaka+ izy mba hamerenana ny tranony sy ny taniny.  Niresaka tamin’i Gehazy+ mpanompon’ilay lehilahin’Andriamanitra ny mpanjaka tamin’izay. Hoy izy: “Mba tantarao amiko hoe, azafady, ny zavatra lehibe rehetra nataon’i Elisa.”+  Raha mbola teo am-pitantarana tamin’ny mpanjaka momba ny nameloman’i Elisa ny maty i Gehazy,+ dia iny fa tonga ilay vehivavy renin’ilay zaza novelomina indray, mba hitaraina amin’ny mpanjaka mba hamerenana ny tranony sy ny taniny.+ Avy hatrany dia hoy i Gehazy: “Io ilay vehivavy sy ilay zanany novelomin’i Elisa, ry mpanjaka tompoko ô!”+  Dia nanontanian’ny mpanjaka ravehivavy, ka nitantara taminy.+ Ary nanome azy tandapa+ anankiray ny mpanjaka, sady niteny hoe: “Avereno aminy daholo izay azy sy izay vokatra rehetra avy tamin’ny taniny, nanomboka tamin’ny andro nialany teto ka hatramin’izao.”+  Dia nankany Damaskosy+ i Elisa. Ary narary i Beni-hadada+ mpanjakan’i Syria, ka nisy nilaza taminy hoe: “Tonga atỳ ilay lehilahin’Andriamanitra.”+  Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hazaela:+ “Mitondrà fanomezana,+ ka mandehana mitsena an’ilay lehilahin’Andriamanitra. Ary manontania+ an’i Jehovah amin’ny alalany, ka ataovy hoe: ‘Ho sitrana amin’izao aretina izao ve aho?’”  Koa lasa nitsena an’i Elisa i Hazaela sady nitondra fanomezana nentin’ny rameva efapolo, dia ny karazan-java-tsoa rehetra nisy tany Damaskosy. Dia tonga izy ka nitsangana teo anatrehany, ary nanao hoe: “I Beni-hadada zanakao,+ mpanjakan’i Syria, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: ‘Ho sitrana amin’izao aretina izao ve aho?’” 10  Dia hoy i Elisa taminy: “Mandehana, lazao aminy hoe: ‘Ho sitrana tokoa ianao.’ Efa nasehon’i Jehovah ahy+ anefa fa ho faty tokoa izy.”+ 11  Ary nibanjina an’i Hazaela i Elisa sady nandinika azy naharitra, ka sadaikatra izy. Dia nitomany ilay lehilahin’Andriamanitra.+ 12  Koa hoy i Hazaela: “Nahoana ny tompoko no mitomany?” Dia hoy izy: “Satria fantatro tsara ny ratsy+ hataonao amin’ny zanak’Israely: Ny tanànany voaro mafy hodoranao, ny lehilahy voafantina eo aminy hovonoinao amin’ny sabatra, ny zanany hotorotoroinao,+ ary ny vehivavy bevohoka eo aminy hotatahinao ny kibony.”+ 13  Hoy anefa i Hazaela: “Zinona moa izaho mpanomponao, izay toy ny alika ihany,+ no hahavita izany zavatra lehibe izany?” Dia hoy i Elisa: “Nasehon’i Jehovah tamiko fa ho lasa mpanjakan’i Syria ianao.”+ 14  Dia niala teo amin’i Elisa izy ka nankany amin’ny tompony. Ary hoy ny tompony taminy: “Inona no nolazain’i Elisa taminao?” Dia hoy ny navaliny: “Nilaza tamiko izy hoe: ‘Ho sitrana tokoa ianao.’”+ 15  Ary ny ampitson’iny, dia nalain’i Hazaela ny lambam-pandriana ka natsobony tao anaty rano ary nosaronany tamin’iny ny tarehin’i Beni-hadada,+ ka maty izy.+ Ary i Hazaela+ no nanjaka nandimby azy. 16  Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Jorama+ zanak’i Ahaba mpanjakan’ny Israely, fony i Josafata no mpanjakan’ny Joda, dia lasa mpanjaka koa i Jorama+ zanak’i Josafata mpanjakan’ny Joda. 17  Roa amby telopolo taona izy tamin’izy lasa mpanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.+ 18  Nanao hoatran’izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely izy,+ dia tahaka ny nataon’ny ankohonan’i Ahaba,+ satria ny zanakavavin’i Ahaba no vadiny.+ Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy. 19  Tsy tian’i Jehovah haringana anefa ny Joda,+ noho ny amin’i Davida mpanompony.+ Efa nampanantena azy mantsy izy hoe hanome jiro+ foana ho azy sy ny taranany. 20  Tamin’ny andron’i Jorama no nikomian’i Edoma+ tsy ho eo ambany fahefan’ny Joda, sy nananganany mpanjaka+ hitondra ny fireneny. 21  Koa nankany Zaira i Jorama mbamin’ny kalesy rehetra. Ary nifoha izy tamin’ny alina, ka novonoiny ho faty ny Edomita, izay nanodidina azy sy nanodidina an’ireo lehiben’ny kalesy. Ary nandositra tany amin’ny tranolainy avy ny olona. 22  Mbola nikomy tsy ho eo ambany fahefan’ny Joda anefa i Edoma mandraka androany. Tamin’izany andro izany koa ny tanànan’i Libna+ no nanomboka nikomy. 23  Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Jorama, mbamin’izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve izany? 24  Farany dia nodimandry any amin’ny razany i Jorama,+ ka nalevina any amin’ny razany, tao amin’ny Tanànan’i Davida.+ Ary i Ahazia+ zanany no nanjaka nandimby azy. 25  Ary tamin’ny taona faharoa ambin’ny folo nanjakan’i Jorama zanak’i Ahaba mpanjakan’ny Israely, no lasa mpanjaka i Ahazia zanak’i Jorama mpanjakan’ny Joda.+ 26  Roa amby roapolo taona i Ahazia tamin’izy nanomboka nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema.+ Ny anaran-dreniny dia Atalia,+ zafikelin’i Omry+ mpanjakan’ny Israely. 27  Ary nanao hoatran’izay nataon’ny ankohonan’i Ahaba izy,+ sady nanao izay ratsy teo imason’i+ Jehovah foana, toy ny nataon’ny ankohonan’i Ahaba. Havan’ny ankohonan’i Ahaba mantsy izy.+ 28  Koa niaraka tamin’i Jorama zanak’i Ahaba izy, mba hiady tamin’i Hazaela+ mpanjakan’i Syria tany Ramota-gileada.+ Voan’ny+ Syrianina anefa i Jorama. 29  Koa niverina tany Jezirela+ i Jorama+ Mpanjaka, mba hotsaboina noho ny ratra nataon’ny Syrianina taminy tany Rama, tamin’izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Syria. Ary nidina tany Jezirela i Ahazia+ zanak’i Jorama mpanjakan’ny Joda mba hamangy an’i Jorama zanak’i Ahaba, noho izy narary.

Fanamarihana