2 Mpanjaka 9:1-37

9  Ary niantso ny iray tamin’ireo zanaky+ ny mpaminany i Elisa mpaminany, ka nilaza taminy hoe: “Misikìna,*+ ary ento ity tavoara+ kely fitoera-menaka ity, ka mandehana any Ramota-gileada.+  Rehefa tonga any ianao, dia tadiavo i Jeho+ zanak’i Josafata zanak’i Nimsy. Ary midira, ka antsoy avy eo amin’ireo rahalahiny izy, ary ento ho ao amin’ny efitra anatiny indrindra.+  Dia raiso ilay tavoara fitoera-menaka, ka araraho eo amin’ny lohany+ ny menaka, ary milazà hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Hosorako+ ho mpanjakan’ny+ Israely ianao.”’ Dia sokafy ny varavarana, ka mandosira fa aza miandry.”  Koa nankany Ramota-gileada ny mpanompon’ilay mpaminany.  Rehefa tonga tany izy, dia hitany nipetrapetraka ireo lehiben’ny tafika. Ary hoy izy: “Misy teny holazaiko aminao,+ sefo ô!” Dia hoy i Jeho: “Amin’iza aminay ireto?” Ary hoy izy: “Aminao, sefo ô!”  Koa nitsangana i Jeho ka niditra tao an-trano. Ary nandraraka ny menaka teo amin’ny lohany ilay mpanompo, ka niteny hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Hosorako ho mpanjakan’ny+ vahoakan’i Jehovah+ ianao, eny, ho mpanjakan’ny Israely.  Ary vonoy ho faty ny ankohonan’i Ahaba tomponao, fa hovaliako+ ny ran’ireo mpaminany mpanompoko sy ny ran’ny mpanompon’i Jehovah rehetra nalatsak’i Jezebela.+  Dia aringano ny ankohonan’i Ahaba rehetra. Koa haringako tsy ho eo amin’i Ahaba+ ny lahy rehetra+ sy ny tsy misy mpiaro ary ny tsy misy ilana azy+ rehetra eo amin’ny Israely.  Ary ny ankohonan’i Ahaba dia hataoko toy ny ankohonan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, sy ny ankohonan’i Basa+ zanak’i Ahia. 10  Ary hohanin’ny alika+ eo amin’ilay sombin-tany any Jezirela i Jezebela, ka tsy hisy handevina.’” Dia nanokatra ny varavarana izy, ka lasa nandositra.+ 11  Ary nankeo amin’ireo mpanompon’ny tompony i Jeho. Dia hoy izy ireo taminy: “Fa misy inona?+ Inona no nitadiavan’iny adala+ iny anao?” Ary hoy izy: “Efa hainareo tsara iny lehilahy iny sy ny resany.” 12  Hoy anefa ireo: “Tsy marina izany! Mba lazao anay izay marina!” Dia hoy izy: “Izao sy izao no noresahiny tamiko: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Hosorako ho mpanjakan’ny Israely ianao.”’”+ 13  Dia samy nanala ny fitafiany+ haingana izy ireo ka nametraka izany teo ambanin’i Jeho, teo amin’ireo zanatohatra. Ary nitsoka anjombona izy ireo,+ ka nilaza hoe: “Lasa mpanjaka i Jeho!”+ 14  Ary nanao tetika+ hanoherana an’i Jorama i Jeho+ zanak’i Josafata zanak’i Nimsy.+ Niambina tany Ramota-gileada i Jorama+ sy ny Israely rehetra tamin’izay, noho ny amin’i Hazaela+ mpanjakan’i Syria. 15  Tatỳ aoriana dia niverina tany Jezirela+ i Jorama+ Mpanjaka, mba hotsaboina noho ny ratra nataon’ny Syrianina taminy, tamin’izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Syria.+ Ary hoy i Jeho: “Raha manaiky ianareo,+ dia aza avela hisy olona hiala avy eto an-tanàna, mba hanao tatitra any Jezirela.” 16  Ary nitaingina ny kalesiny i Jeho ka nankany Jezirela. Tany i Jorama tamin’izay, ary teo am-pandriana izy noho ny ratrany. Ary nidina mba hamangy azy i Ahazia+ mpanjakan’ny Joda. 17  Ary nijoro teny ambony tilikambo+ tany Jezirela+ ny mpitily,+ ka hitany nanatona i Jeho sy ny andian’olona niaraka taminy. Dia hoy izy: “Misy andian’olona hitako.” Ary hoy i Jorama: “Mandefasa mpitaingin-tsoavaly hitsena azy, ka hanontany hoe: ‘Fihavanana ve?’”+ 18  Koa nisy mpitaingin-tsoavaly lasa nitsena azy, ka nanontany hoe: “‘Fihavanana ve?’, hoy ny mpanjaka.” Hoy anefa i Jeho: “Ahoanao inona moa izay ‘fihavanana’?+ Mihodìna, ka mankanesa atsy aoriako!” Dia hoy ilay mpitily:+ “Tonga teny amin-dry zareo ilay iraka, nefa tsy niverina.” 19  Koa nandefa mpitaingin-tsoavaly hafa indray i Jorama. Hoy izy io, rehefa tonga teo amin’izy ireo: “‘Fihavanana ve?’, hoy ny mpanjaka.” Hoy anefa i Jeho: “Ahoanao inona moa izay ‘fihavanana’?+ Mihodìna, ka mankanesa atsy aoriako!” 20  Dia hoy ilay mpitily: “Tonga teny amin-dry zareo ilay iraka, nefa tsy niverina. Ary ny fitondran’ilay olona kalesy dia tahaka ny fitondran’i Jeho+ zafikelin’i Nimsy,+ satria miriotra mafy hoatran’ny adala izy.”+ 21  Koa hoy i Jorama: “Omano ny kalesin’ady!”+ Dia natao izany, ka lasa i Jorama mpanjakan’ny Israely sy Ahazia+ mpanjakan’ny Joda, samy nandeha tamin’ny kalesiny avy. Rehefa teny an-dalana hitsena an’i Jeho izy ireo, dia nifanena taminy teo amin’ny sombin-tanin’i Nabota+ Jezirelita. 22  Raha vao nahita an’i Jeho i Jorama, dia nilaza hoe: “Fihavanana ve, ry Jeho?” Hoy anefa izy: “Ahoana no hisian’ny fihavanana+ raha mbola mijangajanga sy fatra-pilalao ody+ i Jezebela+ reninao?” 23  Avy hatrany i Jorama dia nanodina ny kalesiny mba handositra, sady niteny tamin’i Ahazia hoe: “Voafitaka isika,+ ry Ahazia!” 24  Ary nandray tsipìka+ i Jeho, dia nitifitra an’i Jorama ka nahavoa azy teo anelanelan’ny sorony. Dia niboroaka avy teo amin’ny fony ilay zana-tsipìka, ka nianjera tao amin’ny kalesiny izy.+ 25  Ary hoy i Jeho tamin’i Bidkara, manamboninahitra lefiny:+ “Batao izy, ary atsipazo eo amin’ny sombin-tanin’i Nabota Jezirelita.+ Tadidio fa tamin’izaho sy ianao samy nitaingina kalesy iny, fony isika nanaraka an’i Ahaba rainy, dia nilaza izao fanamelohana+ azy izao i Jehovah: 26  ‘“Hitako ny ran’i+ Nabota sy ny ran’ny zanany lahy+ omaly”, hoy i Jehovah, “ka eto amin’ity sombin-tany ity no hampiharako aminao ny famaliana”,+ hoy i Jehovah.’ Koa batao izy, ka atsipazo eo amin’ilay sombin-tany, araka ny tenin’i Jehovah.”+ 27  Ary nahita izany i Ahazia+ mpanjakan’ny Joda, ka nandositra nanaraka ny lalana teo akaikin’ny zaridaina lehibe iray.+ Taorian’izay, dia nenjehin’i Jeho izy, ary hoy i Jeho: “Iny koa! Asio koa iny!” Dia nasian’izy ireo tao anaty kalesiny izy, teny an-dalana hiakatra tany Gora, any akaikin’i Ibleama.+ Mbola nandositra hatrany Megido+ ihany anefa izy, ka maty tany.+ 28  Dia nentin’ny mpanompony tamin’ny kalesy ho any Jerosalema izy, ka naleviny any amin’ny razany tao am-pasany, tao amin’ny Tanànan’i Davida.+ 29  Tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folo nanjakan’i Jorama+ zanak’i Ahaba no lasa mpanjakan’ny Joda i Ahazia.+ 30  Tonga tany Jezirela+ i Jeho tamin’ny farany, ka ren’i Jezebela+ izany. Dia nanao manjamaso+ mainty izy, sady nandravaka ny lohany,+ ka nitazana teo am-baravarankely.+ 31  Ary niditra avy teny am-bavahady i Jeho. Dia hoy i Jezebela: “Inona moa no nanjo an’i Zimry,+ ilay namono ny tompony?” 32  Ary niandrandra nijery tany amin’ilay varavarankely i Jeho, ary nilaza hoe: “Iza no momba ahy? Iza?”+ Avy hatrany dia nisy tandapa+ roa na telo niondrika nijery azy. 33  Ary hoy i Jeho: “Azerao izy!”+ Dia nazeran’izy ireo i Jezebela, ka nipitipitika tamin’ny rindrina sy tamin’ny soavaly ny rany. Ary nohitsahin’i+ Jeho izy. 34  Dia niditra tao an-trano i Jeho ka nihinana sy nisotro, ary niteny hoe: “Mba karakarao ilay voaozona+ iny, ary aleveno izy fa zanakavavin’ny mpanjaka.”+ 35  Rehefa handeha handevina azy anefa izy ireo, dia tsy nahita afa-tsy ny karandohany sy ny tongony ary ny felatanany.+ 36  Rehefa niverina nilaza izany tamin’i Jeho izy ireo, dia hoy izy: “Izao no teny nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i+ Elia Tisbita mpanompony: ‘Ao amin’ilay sombin-tany eto Jezirela no hihinanan’ny alika ny nofon’i Jezebela.+ 37  Ary ho zezika+ eny an-tsaha, ao amin’ilay sombin-tany eto Jezirela ny fatin’i Jezebela, mba tsy hisy ho afaka hilaza hoe: “I Jezebela io.”’”+

Fanamarihana

A.b.t.: “fehezo ny andilanao.”