2 Petera 1:1-21

1  Simona Petera, mpanompo+ sy apostolin’i+ Jesosy Kristy. Ho an’izay efa nahazo finoana be voninahitra toy ny anay,+ tamin’ny alalan’ny fahamarinan’Andriamanitsika+ sy Jesosy Kristy Mpamonjy.+  Hampitomboina anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana ho azonareo,+ noho ny fahalalana+ marina tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika!  Ny herin’Andriamanitra mantsy no nanome antsika maimaim-poana ny zavatra rehetra momba ny fiainana+ sy momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra,+ noho ny fahalalana marina tsara an’ilay niantso+ antsika tamin’ny alalan’ny voninahitra+ sy ny hatsaran-toetra.  Tamin’ny alalan’ireo no nanomezany antsika maimaim-poana fampanantenana+ sarobidy sady tena lehibe, mba ho amin’ny alalan’izany no hahatongavanareo ho fanahy+ tahaka an’Andriamanitra,+ noho ianareo efa nandositra ny fahalotoana eo amin’izao tontolo izao.+ Avy amin’ny filan-dratsy io fahalotoana io.  Eny, noho izany indrindra, dia ataovy izay rehetra azonareo atao+ ho setrin’izany, ka ny finoanareo ampio hatsaran-toetra,+ ary ny hatsaran-toetranareo ampio fahalalana,+  ary ny fahalalanareo ampio fifehezan-tena, ary ny fifehezan-tenanareo+ ampio fiaretana, ary ny fiaretanareo ampio fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra,+  ary ny fahafoizanareo tena ho an’Andriamanitra ampio fitiavan-drahalahy, ary ny fitiavanareo ny rahalahy ampio fitiavana+ ny olona rehetra.  Fa raha anananareo ireo toetra ireo, sady anananareo betsaka, dia tsy havelan’izany hipetra-potsiny na tsy hahavokatra+ ianareo raha ny amin’ny fahalalana marina tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.  Raha misy kosa tsy manana ireo toetra ireo, dia jamba izy ka manakimpy ny masony tsy hahita ny mazava,+ sady nanadino+ fa efa nodiovina+ ho afaka tamin’ny fahotany fahiny izy. 10  Noho izany, ry rahalahy, dia vao mainka tokony hanao izay rehetra azonareo atao ianareo mba ho azo antoka ny fiantsoana+ sy ny fifidianana+ anareo. Tsy ho lavo mihitsy+ ianareo, raha manao ireo zavatra ireo foana. 11  Toy izany, raha ny marina, no hamelana anareo hiditra+ amim-boninahitra ao amin’ilay fanjakana mandrakizay,+ dia ny fanjakan’i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika.+ 12  Izany no mahatonga ahy ho vonona foana hampahatsiahy+ anareo izany zavatra izany, na dia efa fantatrareo aza, ary na dia efa miorina tsara amin’ny fahamarinana+ izay efa fantatrareo+ aza ianareo. 13  Heveriko anefa fa raha mbola ato amin’ity tranolay*+ ity aho, dia mety ny hanentanana anareo amin’ny fampahatsiahivana.+ 14  Fantatro mantsy fa efa akaiky ny fanesorana ny tranolaiko,+ araka ny nambaran’i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko.+ 15  Koa hanao izay rehetra azoko atao foana aho mba hahafahanareo hifampahatsiahy ny amin’izany, na efa lasa+ aza aho. 16  Tsia, tsy nanaraka tantara tsy marina noforonina+ tamin-kafetsena izahay, rehefa nampahafantatra anareo ny hery sy ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika,+ fa nahita maso ny fahamboniany+ kosa. 17  Nomen’Andriamanitra Ray haja amam-boninahitra mantsy izy+ rehefa tonga taminy izao teny nataon’ilay be voninahitra izao: “Io no zanako malalako izay sitrako.”+ 18  Eny, renay+ izany teny avy any an-danitra izany, fony niaraka taminy tany an-tendrombohitra+ masina izahay. 19  Koa manana ny teny faminaniana+ isika, ary natao azo antoka kokoa+ izy io. Tsara àry ny ataonareo raha mandinika azy io ianareo, toy ny fandinika jiro+ mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina, izany hoe ao am-ponareo, mandra-pahazavan’ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro.+ 20  Fantatrareo voalohany indrindra fa tsy misy faminaniana ao amin’ny Soratra Masina avy amin’ny hevitr’olona,+ 21  satria tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana,+ fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona,+ araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.+

Fanamarihana

Na: “vatana eto an-tany.”