Petera Faharoa 2:1-22

  • Hisy mpampianatra sandoka (1-3)

  • Tsy maintsy homelohina ny mpampianatra sandoka (4-10a)

    • Anjely natsipy tany amin’ny Tartara (4)

    • Safodrano; Sodoma sy Gomora (5-7)

  • Ny mampiavaka ny mpampianatra sandoka (10b-22)

2  Nisy mpaminany sandoka koa anefa teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra, ary hisy mpampianatra sandoka koa eo aminareo.+ Ireny no hanangana mangingina antokom-pinoana* mampidi-doza. Ary handa an’ilay tompo nividy azy mihitsy aza izy ireny,+ ka ho ringana haingana noho izany zavatra ataony izany. 2  Manana fitondran-tena tsy misy henatra*+ koa izy ireny, ka maro no hanahaka azy. Ny ataon’izy ireny no hahatonga ny lalan’ny fahamarinana hisy hanevateva.+ 3  Tsy mety afa-po koa izy ireny ka hanararaotra anareo amin’ny teny mamitaka. Tsy mitaraikiraiky anefa ny fanamelohana azy ireny, izay efa tapaka hatry ny ela,+ ary tsy matoritory ny fandringanana azy.+ 4  Tsy nisalasala mihitsy Andriamanitra nanasazy an’ireo anjely nanota,+ fa nanipy azy ireny tany amin’ny Tartara*+ ka nanagadra azy* ao amin’ny haizim-pito mba hatokana hotsaraina.+ 5  Tsy nisalasala koa izy nanasazy an’ilay tontolo taloha,+ fa niaro an’i Noa, mpitory ny fahamarinana,+ sy ireo fito hafa,+ tamin’izy nahatonga safodrano teo amin’ilay tontolo feno olona tsy natahotra an’Andriamanitra.+ 6  Ary nomelohin’Andriamanitra ny tanànan’i Sodoma sy Gomora ka nataony lasa lavenona.+ Nataony ohatra ho an’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra izany, mba hampisehoana hoe inona no hanjo azy ireo amin’ny hoavy.+ 7  Ary novonjeny i Lota,+ ilay olo-marina izay nalahelo be rehefa nahita an’ireo mpandika lalàna nanana fitondran-tena tsy misy henatra.* 8  Nahatsiaro ho nijaly mantsy io olo-marina io isan’andro, noho ny fandikan-dalàna hitany sy henony tamin’izy niara-nonina tamin’izy ireo. 9  Araka izany àry, dia hain’i Jehovah* ny manafaka ny olona mahafoy tena ho Azy mba ho tafavoaka amin’ny fitsapana* mahazo azy.+ Hainy koa anefa ny manokana ny olona tsy marina mba horinganina amin’ny andro fitsarana,+ 10  indrindra fa ireo entin’ny filan’ny nofony ka mitady handoto ny hafa,+ sady tsy miraharaha* an’izay manana fahefana.+ Sahisahy sy mafy loha izy ireny, ka tsy matahotra manevateva an’ireo manana voninahitra. 11  Ny anjely aza anefa tsy manao teny manevateva hiampangana azy ireny, na dia mahery sy matanjaka kokoa aza, satria manaja an’i* Jehovah.*+ 12  Hoatran’ny biby tsy misaina izay baikoin’ny faniriany sy nateraka hosamborina sy hovonoina kosa ireny olona ireny, ka manazimbazimba an’izay zavatra tsy fantany akory.+ Ho ringana izy ireny noho ny zava-dratsy ataony, 13  ka hijaly ho valin’ny asa ratsiny. Mahafinaritra azy ireny ny manaram-po amin’ny fiainana feno fahafinaretana,+ na dia amin’ny antoandrobenanahary aza. Toy ny pentimpentina sy tasy izy ireny, ary faly erỳ mampianatra zavatra diso mba hamitahana anareo, rehefa miara-manao fety aminareo.+ 14  Tsy manan-tsaina afa-tsy ny hanitsakitsa-bady*+ izy ireny sady tsy mahavita miala amin’ny fahotana. Taominy koa ny olona malemy finoana.* Manana fo efa nozarina hanana faniriana tsy mety afa-po izy ireny, sady zanaka efa voaozona. 15  Niala tamin’ny lala-mahitsy izy ireny ka diso lalana, ary nanaraka ny lalan’i Balama+ zanak’i Beora. Tia karama azo tamin’ny fanaovan-dratsy i Balama.+ 16  Nanarina anefa izy satria tsy nanao izay mahitsy.+ Niteny hoatran’ny olona ilay ampondra tsy afaka miteny, ka nisakana ny hadalan’ilay mpaminany.+ 17  Loharano ritra sy zavona entin’ny tafio-drivotra izy ireny, ary haizina mikitroka no atokana ho azy.+ 18  Manao teny mipoapoaka be izy ireny nefa tsy misy dikany akory izay lazainy. Ataony izay hahatonga ny olona hanaram-po amin’ny fanirian’ny nofo,+ ary manana fitondran-tena tsy misy henatra* koa izy ireny. Ireo no itaomany an’ireo olona vao haingana no tsy niaraka intsony tamin’ireo manao ratsy.+ 19  Mampanantena fahafahana ho azy ireo izy, nefa ny tenany aza andevon’ny fahalotoana.+ Andevon’izay* maharesy azy mantsy izay resy.+ 20  Raha efa niala tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao izy ireny,+ satria nahalala tsara an’i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy, kanefa tafiditra amin’izany indray ka resy, dia ratsy noho ny tamin’ny voalohany ny iafaran’izy ireny.+ 21  Aleo aza izy tsy nahalala tsara ny lalan’ny fahamarinana, toy izay nahalala an’izany kanefa miala amin’ilay didy masina noraisiny.+ 22  Tanteraka amin’izy ireny tokoa ny voalazan’ilay ohabolana hoe: “Ny alika miverina amin’ny loany, ary ny kisoavavy efa nisasa mihosim-potaka indray.”+

Fanamarihana

Na: “sekta.” Jereo F.T.
Izany hoe ditran’olona efa lany henatra sy sahisahy manao ratsy. Jereo F.T.
Jereo F.T.
Na mety hoe “nanao azy ireny ao anaty lavaka.”
Izany hoe ditran’olona efa lany henatra sy sahisahy manao ratsy. Jereo F.T.
Jereo F.F. A5.
Na: “zava-tsarotra.”
Na: “sady manao tsinontsinona.”
Na: “eo anatrehan’i.”
Jereo F.F. A5.
Na: “Manana maso feno fanitsakitsaham-bady.”
Na: “tsy miorina tsara.”
Izany hoe ditran’olona efa lany henatra sy sahisahy manao ratsy. Jereo F.T.
Mety ho olona na zavatra.