2 Petera 3:1-18

3  Ry malala, ity no taratasy faharoa soratako aminareo. Toy ny tao amin’ilay taratasiko voalohany,+ dia fampahatsiahivana+ koa no entiko hanairana ny fahaizanareo misaina tsara,  mba ho tadidinareo ny teny efa voalazan’ny mpaminany+ masina sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy. Nampitainy tamin’ny alalan’ireo apostolinareo izany didy izany.+  Fa fantatrareo aloha izao: Amin’ny andro farany,+ dia hisy mpaneso+ ho tonga haneso, sady mandeha araka ny faniriany,+  ka milaza hoe:+ “Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo?+ Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny* razantsika no tsy niova ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.”+  Minia tsy mahalala izy ireo fa efa nisy hatramin’ny ela ny lanitra,+ ary nisy tany nifatratra tsara nipoitra avy tao anaty rano+ sady teo afovoan’ny rano,+ noho ny tenin’Andriamanitra.  Tamin’ny alalan’ireo no nandravana ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano.+  Tehirizina ho amin’ny afo+ amin’ny alalan’izany teny izany koa anefa ny lanitra+ sy ny tany+ ankehitriny, ka atokana ho amin’ny andro fitsarana+ sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.+  Aoka tsy hohadinoinareo anefa izao, ry malala: Ny iray andro amin’i Jehovah dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny iray andro.+  Tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany,+ araka izay heverin’ny sasany ho fahelana, fa manam-paharetana aminareo izy, satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana+ kosa ny rehetra. 10  Ho avy tahaka ny mpangalatra+ anefa ny andron’i Jehovah.+ Amin’izany andro izany dia handalo haingana ny lanitra,+ ka ho toy ny sioka mafy ny fandrenesana ny fandalovany.+ Fa ho levona ireo singan-javatra efa mahamay be,+ ary hibaribary ny tany+ sy ny asa eo aminy.+ 11  Koa satria ho levona ireo zavatra rehetra ireo, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny fanehoana fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, 12  raha mbola miandry+ sy manao an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah!+ Io andro io no handevonana+ ny lanitra efa mirehitra sy hampiempoana ireo singan-javatra efa mahamay be. 13  Misy anefa lanitra vaovao+ sy tany vaovao+ hitoeran’ny fahamarinana,+ ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany. 14  Koa satria miandry izany zavatra izany ianareo, ry malala, dia ataovy izay rehetra azonareo atao mba ho hitany ho tsy misy pentina+ sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana ianareo,+ amin’ny farany. 15  Ankoatra izany, dia hevero ho famonjena ny faharetan’ny Tompontsika, tahaka ny nosoratan’i Paoly rahalahy malalantsika taminareo,+ araka ny fahendrena+ nomena azy. 16  Niresaka momba izany zavatra izany mantsy izy, toy ny hita ao amin’ny taratasy rehetra nosoratany. Ao amin’ireny anefa dia misy zavatra saro-takarina, izay aolan’ny olona kely fahalalana sy tsy miorina tsara, tahaka ny anolanany ny andininy hafa ao amin’ny Soratra Masina,+ ka mahatonga fandringanana ho an’ny tenany. 17  Koa satria fantatrareo mialoha izany,+ ry malala, dia mitandrema sao ho voataona hiaraka aminy ianareo, eny, ho voataonan’ny fahadisoan’ny mpandika lalàna, ka ho lavo hiala amin’izay efa iorenanareo.+ 18  Aoka kosa hitombo foana eo aminareo ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fahalalana ny Tompontsika sy Jesosy Kristy+ Mpamonjy antsika. Ho azy anie ny voninahitra, ankehitriny sy ho mandrakizay!+

Fanamarihana

A.b.t.: “natorian’ny razantsika (ao amin’ny fahafatesana).”