Samoela Faharoa 1:1-27

  • Henon’i Davida hoe maty i Saoly (1-16)

  • Hira fisaonana nataon’i Davida ho an’i Saoly sy Jonatana (17-27)

1  Taorian’ny nahafatesan’i Saoly, dia nankany Ziklaga+ i Davida ary nijanona roa andro tao. Avy nandresy an’ireo Amalekita izy tamin’izay. 2  Tamin’ny andro fahatelo, dia nisy lehilahy iray tonga avy any amin’ny tobin’ny tafik’i Saoly. Rovidrovitra ny akanjony, ary nihosim-bovoka ny lohany. Rehefa nankeo amin’i Davida izy, dia nandohalika tamin’ny tany ary niankohoka. 3  Nanontany azy i Davida hoe: “Avy aiza ianao?” Dia namaly izy hoe: “Avy any amin’ny tobin’ny Israely aho no nitsoaka nankatỳ.” 4  Ary hoy i Davida: “Nanao ahoana ny tany? Mba tantarao kely amiko!” Dia hoy izy: “Nandositra ny olona rehefa raikitra ny ady, ary be dia be no lavo ka maty. Na i Saoly sy Jonatana zanany aza maty.”+ 5  Ary nanontany an’ilay tovolahy nilaza an’ilay vaovao i Davida hoe: “Ahoana no nahafantaranao fa maty i Saoly sy Jonatana zanany?” 6  Dia hoy ilay tovolahy: “Sendra teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa+ aho, no nahita an’i Saoly nitehina tamin’ny lefony. Ary nihananatona azy ny mpitondra kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly.+ 7  Rehefa niherika izy ka nahita ahy, dia nantsoiny aho. Ary niteny aho hoe: ‘Ahoana izay, tompoko?’ 8  Nanontany ahy izy hoe: ‘Fa iza ianao?’ Dia hoy aho: ‘Amalekita+ aho.’ 9  Ary hoy izy: ‘Avia ange e! Vonoy ho faty aho fa manaintaina be, nefa mbola tsy maty ihany.’ 10  Dia nanatona aho ka namono azy ho faty,+ satria fantatro fa tsy ho velona intsony izy noho ny ratra nahazo azy. Dia nalaiko ny satroboninahitra* teny amin’ny lohany sy ny brasele teny amin’ny sandriny, dia nentiko atỳ amin’ny tompoko.” 11  Nandrovitra ny akanjony i Davida rehefa naheno an’izany, ary nanao toy izany koa ny lehilahy rehetra niaraka taminy. 12  Ary nidradradradra nitomany izy ireo sady nifady hanina+ mandra-paharivan’ny andro, satria matin’ny sabatra i Saoly sy Jonatana zanany, sy ny vahoakan’i Jehovah, ary ny taranak’Israely.+ 13  Nanontany an’ilay tovolahy nilaza an’ilay vaovao i Davida hoe: “Avy aiza moa ianao?” Dia hoy izy: “Zanaka Amalekita nifindra monina eto aho.” 14  Ary hoy i Davida: “Nahoana ianao no tsy natahotra ny hikasi-tanana ny voahosotr’i Jehovah ka namono azy?”+ 15  Nantsoin’i Davida àry ny iray tamin’ireo tovolahy, ary hoy izy taminy: “Avia! Vonoy io.” Dia novonoiny izy, ka maty.+ 16  Ary hoy i Davida taminy: “Ianao ihany no tompon’andraikitra amin’ny fahafatesanao,* satria ny vavanao ihany no niampanga anao hoe: ‘Izaho no namono ny voahosotr’i Jehovah.’”+ 17  Ary nanao an’ity hira fisaonana an’i Saoly sy Jonatana+ zanany ity i Davida, 18  sady nilaza fa tokony hampianarina ny vahoakan’ny Joda ity hira antsoina hoe “Ilay Tsipìka” ity, izay voasoratra ao amin’ny bokin’i Jasara:+ 19  “Voavono teny an-tendrombohitrao+ ireo tsara tarehy, ry Israely ô! Indrisy fa lavo ireo matanjaka! 20  Aza lazaina any Gata+ izany;Aza ambara eny amin’ny lalan’i Askelona,Sao hifaly ny zanakavavin’ny Filistinina,Sao hiravoravo ny zanakavavin’ireo tsy mifora. 21  Ry tendrombohitr’i Gilboa!+Enga anie tsy hisy ando na orana hilatsaka eny aminareo,Na saha hanome vokatra hatao fanomezana masina,+Fa teny aminareo no nandotoana ny ampingan’ireo mahery,Ka tsy voahosotra menaka intsony ny ampingan’i Saoly. 22  Tsy mba nihemotra ny tsipìkan’i Jonatana,+Ary tsy niveri-maina ny sabatr’i Saoly,+Fa nandatsaka ny ran’ny fahavalo sy nanatrobaka ny tavin’ireo mahery. 23  Mahatehotia sy mamy hoditra* i Saoly sy Jonatana+ fony fahavelony,Ary tsy nisaraka fa niara-maty.+ Haingam-pandeha noho ny voromahery izy ireo,+Ary mahery noho ny liona.+ 24  Ry zanakavavin’ny Israely ô, mitomania an’i Saoly!Nampitafy anareo akanjo mena midorehitra izy, sady nampanao anareo haingo lafo vidy,Ary nanisy ravaka volamena teny amin’ny akanjonareo. 25  Indrisy fa lavo tany an’ady ireo mahery! Voavono teny an-tendrombohitrao+ i Jonatana! 26  Malahelo be anao aho, ry Jonatana rahalahiko;Tena tiako ianao.+ Tamiko, dia nihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy ny fitiavanao.+ 27  Indrisy fa lavo ireo mahery,Ary potika ny fitaovam-piadiana!”

Fanamarihana

Na: “diadema.”
Abt: “Eo an-dohanao ihany ny ranao.”
Na: “nahafinaritra.”