2 Samoela 11:1-27

11  Tamin’ny fiandohan’ny taona,+ izany hoe tamin’ny fotoana fivoahan’ny mpanjaka hanafika,+ dia nirahin’i Davida i Joaba sy ny mpanompony mbamin’ny Israely rehetra, mba handringana ny taranak’i Amona+ sy hanao fahirano an’i Raba.+ I Davida kosa nijanona tao Jerosalema.  Rehefa harivariva ny andro, dia niarina avy tao am-pandrianany i Davida ka nandehandeha teo an-tampon’ny tranon’ny+ mpanjaka, ary avy teo izy no nahatazana+ vehivavy nandro. Tena tsara tarehy ilay vehivavy.+  Dia naniraka olona i Davida hanadihady momba an-dravehivavy.+ Ary nisy niteny hoe: “Tsy io ve no Batseba+ zanakavavin’i Eliama,+ vadin’i Oria+ Hetita?”+  Koa nampanalain’i Davida izy,+ ka tonga tao aminy.+ Ary nanao firaisana taminy i Davida,+ nefa mbola tao anatin’ny fotoana nidiovany tamin’ny fahalotoany ravehivavy tamin’izay.+ Ary lasa nody tany an-tranony izy avy eo.  Dia bevohoka ravehivavy, ka nampilaza tamin’i Davida hoe: “Bevohoka aho.”  Dia naniraka olona ho any amin’i Joaba i Davida, ka nanao hoe: “Alefaso atỳ amiko i Oria Hetita.” Koa nalefan’i Joaba tany aminy i Oria.  Rehefa tonga tao amin’i Davida i Oria, dia nanontaniany hoe nanahoana i Joaba sy ny olona, ary nanahoana ny ady.  Farany, dia hoy i Davida tamin’i Oria: “Midìna any an-tranonao, ary sasao ny tongotrao.”+ Koa niala tao an-tranon’ny mpanjaka i Oria, ary nampanarahina azy ny fanomezana avy tamin’ny mpanjaka.  Kanjo i Oria natory teo amin’ny fidirana amin’ny tranon’ny mpanjaka, niaraka tamin’ny mpanompo hafa rehetran’ny tompony, fa tsy nidina tany an-tranony. 10  Dia nisy nilaza tamin’i Davida hoe: “Tsy nidina tany an-tranony i Oria.” Koa hoy i Davida tamin’i Oria: “Tsy vao avy nanao dia lavitra moa ianao? Koa nahoana ianao no tsy midina any an-tranonao?” 11  Dia hoy i Oria taminy: “Ny Vata+ sy ny Israely ary ny Joda dia samy mipetraka anaty trano rantsankazo, ary i Joaba tompoko sy ny mpanompon’ny tompoko+ koa mitoby eny an-tsaha, dia izaho kosa ve hody any an-tranoko mba hihinana sy hisotro ary hanao firaisana amin’ny vadiko?+ Raha mbola velona koa ianao, eny, raha mbola velon’aina koa,+ dia tsy hanao izany aho!” 12  Dia hoy i Davida: “Mijanòna atỳ ihany àry anio, fa rahampitso ianao halefako.” Koa nijanona tao Jerosalema i Oria tamin’iny andro iny sy ny ampitson’iny. 13  Ary nantsoin’i Davida izy mba hihinana sy hisotro teo anatrehany, ka nomamoiny.+ Nony hariva anefa, dia nandeha natory teo am-pandrianany niaraka tamin’ny mpanompon’ny tompony ihany izy, fa tsy nidina tany an-tranony. 14  Nony maraina, dia nanoratra taratasy+ ho an’i Joaba i Davida ka nampitondrainy an’i Oria. 15  Ary izao no nosoratany tao amin’ilay taratasy:+ “Ataovy any amin’izay misy ny fanafihana mafy indrindra+ i Oria, dia ialao. Ary ho voa izy ka ho faty.”+ 16  Koa tamin’i Joaba nanao fahirano ny tanàna, dia nataony teo amin’izay toerana fantany fa misy lehilahy mahery fo i Oria.+ 17  Rehefa nivoaka hiady tamin’i Joaba ny lehilahy tao an-tanàna, dia nisy maty ny mpanompon’i Davida, ary maty koa i Oria Hetita.+ 18  Dia naniraka olona tany amin’i Davida i Joaba hilaza ny fizotran’ny ady. 19  Ary nandidy an’ilay iraka izy hoe: “Raha vao voaresakao amin’ny mpanjaka ny fizotran’ny ady, 20  ka miakatra ny fahatezeran’ny mpanjaka, ary miteny aminao izy hoe: ‘Nahoana ianareo no nanakaiky loatra ny tanàna rehefa niady? Tsy fantatrareo angaha fa hitifitra avy eny an-tampon’ny manda ry zareo? 21  Iza moa no namono an’i Abimeleka+ zanak’i Jerobeseta?+ Tsy vehivavy ve no naka vato fikosoham-bary, ary nanjera izany taminy+ avy teny an-tampon’ny manda, ka maty tao Tebeza+ izy? Koa nahoana ianareo no nanakaiky loatra ny manda?’, dia lazao hoe: ‘Maty koa i Oria Hetita mpanomponao.’”+ 22  Dia lasa ilay iraka. Ary nony tonga tany amin’i Davida izy, dia nolazainy taminy izay rehetra nanirahan’i Joaba azy. 23  Hoy izy tamin’i Davida: “Nahery noho izahay ry zareo, ka nivoaka namely anay hatreny an-tsaha. Natosikay hatreny amin’ny fidirana amin’ny vavahady anefa ry zareo. 24  Ary ireo mpandefa zana-tsipìka dia tsy nitsahatra nitifitra ny mpanomponao avy teny an-tampon’ny manda,+ ka nisy maty ny mpanompon’ny mpanjaka. Ary maty koa i Oria Hetita mpanomponao.”+ 25  Dia hoy i Davida: “Izao no holazainao amin’i Joaba: ‘Aza manamelo-tena amin’izany, fa tsy mifidy hasiana ny sabatra.+ Hamafiso ny fanafihanao an’ilay tanàna ka ravao izy io.’+ Dia ampaherezo i Joaba.” 26  Rehefa henon’ny vadin’i Oria fa maty i Oria vadiny, dia nitomany+ azy izy.+ 27  Ary raha vao afa-tsaona+ ravehivavy, dia nampanalain’i Davida ho any an-tranony, ka lasa vadiny.+ Dia niteraka zazalahy taminy ravehivavy. Ratsy+ teo imason’i+ Jehovah anefa ny zavatra nataon’i Davida.

Fanamarihana