2 Samoela 12:1-31

12  Ary nirahin’i Jehovah ho any amin’i Davida i Natana.+ Dia tonga tany aminy izy,+ ka niteny hoe: “Nisy lehilahy roa tao amin’ny tanàna iray, ka ny iray manankarena, ary ny iray mahantra.  Nanana ondry sy omby maro be ilay mpanankarena.+  Fa ilay mahantra kosa tsy nanana afa-tsy ondrivavy kely iray monja izay novidiny.+ Ary nokolokoloiny izy io, ka nitombo tao an-tranony niaraka tamin’ny zanany lahy. Tamin’ny sombin-tsakafony no nihinanan’ilay ondrivavy, tamin’ny kaopiny no nisotroany, ary teo an-tratrany no natoriany, ka nanjary toy ny zanany vavy mihitsy ilay izy.  Tatỳ aoriana, dia nisy vahiny tonga tao amin’ilay mpanankarena. Tsy ny ondriny sy ny ombiny anefa no nakany, mba hokarakaraina ho an’ilay olona nanao dia lavitra izay tonga tao aminy, fa ny ondrivavy kelin’ilay mahantra kosa no nalainy, ka nokarakarainy ho an’ilay lehilahy tonga tao aminy.”+  Dia tezitra be tamin’izany lehilahy izany i Davida,+ ka hoy izy tamin’i Natana: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ dia mendrika ny ho faty ilay lehilahy nanao izany!+  Ary ilay ondrivavy kely kosa tokony honerany+ avo efatra heny,+ noho izy nanao izany zavatra izany sady tsy nangoraka.”+  Dia hoy i Natana tamin’i Davida: “Ianao izany lehilahy izany! Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Izaho no nanosotra+ anao ho mpanjakan’ny Israely, ary izaho no nanafaka+ anao teo an-tanan’i Saoly.  Efa vonona aho hanome anao izay nananan’ny tomponao+ sy hanome ny vadiny+ ho eo an-tratranao, ary hanome anao ny taranak’Israely sy Joda.+ Ary raha tsy ampy anao izany, dia mbola ho nampiako zavatra toy ireo sy zavatra hafa koa.+  Koa nahoana ianao no nanao tsinontsinona ny tenin’i Jehovah, ka nanao izay ratsy+ teo imasony? I Oria Hetita dia nasianao tamin’ny sabatra,+ ary ny vadiny nalainao ho vadinao.+ Eny, novonoinao tamin’ny sabatry ny taranak’i Amona izy. 10  Koa hamely ny ankohonanao foana ny sabatra+ mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ satria naniratsira ahy ianao ka nalainao ho vadinao ny vadin’i Oria Hetita.’ 11  Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Hampipoitra loza avy ao amin’ny ankohonanao aho, mba hamelezana anao.+ Ary halaiko eo imasonao ireo vadinao, ka homeko ho an’ny namanao.+ Dia hanao firaisana amin’izy ireo eo imasom-bahoaka izy.+ 12  Ianao nanao zavatra tao amin’ny miafina,+ fa izaho kosa hanao izany zavatra izany eo imasom-bahoaka+ eo anatrehan’ny Israely rehetra.’”+ 13  Ary hoy i Davida+ tamin’i Natana: “Nanota tamin’i Jehovah aho.”+ Dia hoy i Natana: “Mamela* ny fahotanao i Jehovah,+ ka tsy ho faty ianao.+ 14  Na izany aza, dia tsy maintsy ho faty ilay zanakao lahy vao teraka,+ satria tena naniratsira an’i Jehovah ianao+ tamin’izany zavatra izany.” 15  Dia nody tany an-tranony i Natana. Ary i Jehovah namely+ an’ilay zaza nateraky ny vadin’i Oria tamin’i Davida, ka narary ilay zaza. 16  Ary nitalaho tamin’Andriamanitra i Davida noho ny amin’ilay zaza, ka nifady hanina tanteraka.+ Dia niditra tao an-tranony izy ka nandry teo amin’ny tany nandritra ny alina.+ 17  Koa nanatona azy ny anti-panahy tao an-tranony mba hanarina azy avy teo amin’ny tany, nefa tsy nanaiky izy sady tsy nety niara-nisakafo+ tamin’izy ireo. 18  Farany dia maty ilay zaza, tamin’ny andro fahafito. Ary natahotra ny hilaza tamin’i Davida ny mpanompony hoe maty ilay zaza. Fa hoy izy ireo: “Fahavelon’ilay zaza aza tsy nihaino ny tenintsika izy raha niresaka taminy isika, ka ataontsika ahoana no filaza aminy hoe: ‘Maty ilay zaza’? Tsy vao mainka ho loza ve?” 19  Rehefa hitan’i Davida fa nifampibitsibitsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ilay zaza. Ary hoy izy tamin’ny mpanompony: “Maty ve ilay zaza?” Dia hoy izy ireo: “Eny, maty izy.” 20  Koa niarina avy teo amin’ny tany i Davida ka nisasa sy nihoso-menaka+ ary nisolo lamba fitafy. Dia nankao an-tranon’i+ Jehovah izy ka niankohoka.+ Nody tany an-tranony izy avy eo, ary nangataka horosoana sakafo avy hatrany, ka nihinana. 21  Koa hoy ny mpanompony taminy: “Inona no dikan’izao ataonao izao? Fahavelon’ilay zaza, dia nifady hanina sy nitomany foana ianao, noho ny aminy. Raha vao maty anefa izy, dia niarina ianao ka nihinan-kanina.” 22  Dia hoy izy: “Nifady hanina+ sy nitomany foana+ aho fahavelon’ilay zaza, satria hoy aho anakampo: ‘Iza moa no mahalala raha mba ho tsara fanahy amiko ihany i Jehovah, ka ho velona ilay zaza?’+ 23  Efa maty anefa izy izao, koa nahoana aho no hifady hanina? Izaho angaha mahavita mamerina azy indray?+ Izaho no hankany aminy,+ fa izy tsy hiverina atỳ amiko.”+ 24  Dia nampionona an’i Batseba vadiny+ i Davida. Ary nankao aminy izy ka nanao firaisana taminy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia tera-dahy+ ravehivavy, ary natao hoe Solomona+ ny anarany. Ary tia an’ilay zaza i Jehovah.+ 25  Koa nandefa hafatra tamin’ny alalan’i Natana+ mpaminany izy, ka nataony hoe Jedidia ny anaran’ilay zaza, noho ny amin’i Jehovah. 26  Ary nanohy ny ady tamin’i Raban’ny+ taranak’i Amona i Joaba,+ ka azony babo ny tanànan’ilay fanjakana. 27  Nandefa iraka nankany amin’i Davida àry i Joaba, hilaza hoe: “Niady tamin’i Raba aho,+ ary azoko babo koa ny tanàna misy rano. 28  Koa angony ny sisa amin’ny olona ary mitobia hamely an’ilay tanàna, dia alaivo ho babo izy io. Fa tsy tokony hamabo an’ilay tanàna aho, sao dia izaho no holazaina fa namabo azy.” 29  Koa nanangona ny olona rehetra i Davida, dia nankany Raba ka niady taminy ary namabo azy. 30  Ary nesoriny ny satroboninahitra teny an-dohan’i Malkama.+ Nilanja talenta* volamena iray izy io, sady nisy vatosoa. Koa natao teo amin’ny lohan’i Davida ilay izy. Ary be dia be ny zavatra azo babo+ navoakany avy tao amin’ilay tanàna. 31  Navoakany koa ny olona tao mba hampiasainy hanatsofa vato sy hiasa amin’ny fitaovana vy+ maranitra sy famaky vy. Nampiasainy hanao biriky koa izy ireo. Izany no nataony tamin’ny tanàna rehetran’ny taranak’i Amona. Farany dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny olona rehetra.

Fanamarihana

A.b.t.: “Mamela handalo.”
34,2 kg eo ho eo.