2 Samoela 13:1-39

13  Ary nanana anabavy tsara tarehy atao hoe Tamara+ i Absaloma+ zanak’i Davida. Tatỳ aoriana, dia raiki-pitia+ tamin’i Tamara i Amnona+ zanak’i Davida.  Dia niferinaina i Amnona, ka nandraiki-narary+ mihitsy noho ny amin’i Tamara anabaviny. Virjiny mantsy razazavavy, ka sarotra tamin’i Amnona ny hanatanteraka izay tiany hatao taminy.+  Nana-namana atao hoe Jonadaba+ i Amnona. Zanak’i Simea+ rahalahin’i Davida i Jonadaba, ary lehilahy tena marani-tsaina.  Dia hoy izy tamin’i Amnona: “Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no kivy toy izao isa-maraina? Tsy tianao holazaina amiko ve?”+ Ary hoy i Amnona taminy: “Raiki-pitia+ amin’i Tamara anabavin’i+ Absaloma rahalahiko aho.”  Dia hoy i Jonadaba: “Matoria eo am-pandrianao, ary mody manaova marary.+ Dia ho tonga hijery anao ny rainao, ka ilazao hoe: ‘Mba avelao hankatỳ amiko i Tamara anabaviko hanao mofon’ny marary eto imasoko. Dia harosony eto amiko izany mofo fampiononana izany ka hohaniko.’”+  Dia natory i Amnona ka mody narary.+ Koa rehefa tonga hijery azy ny mpanjaka, dia hoy i Amnona taminy: “Mba avelao hankatỳ amiko i Tamara anabaviko hanao mofo roa miendrika fo eto imasoko. Dia harosony eto amiko ny mofon’ny marary ka hohaniko.”  Koa naniraka olona nankany amin’i Tamara tany an-trano i Davida, hilaza hoe: “Mba mandehana any an-tranon’i Amnona anadahinao, ka anaovy mofo fampiononana izy.”  Dia nankany an-tranon’i Amnona+ anadahiny i Tamara. Natoritory teo am-pandriana i Amnona tamin’izay. Ary nalain’i Tamara ny koba ka novolavolainy, ary namboariny teo imason’i Amnona ireo mofo. Dia nendasiny ireo mofo miendrika fo.  Farany dia nalainy ilay lapoaly lalina, ka noloarany teo anatrehan’i Amnona ny tao anatiny. Tsy nety nihinana anefa i Amnona fa niteny hoe: “Avoahy tsy ho eto anatrehako ny olona rehetra!”+ Dia lasa ny olona rehetra. 10  Ary hoy i Amnona tamin’i Tamara: “Ento atỳ amin’ny efitrano anatiny ny mofo fampiononana, ka arosoy eto amiko mba hohaniko.” Koa nalain’i Tamara ireo mofo miendrika fo nataony, ka nentiny tao amin’i Amnona anadahiny tao amin’ny efitrano anatiny. 11  Kanjo rehefa nanatona handroso ny mofo hohaniny i Tamara, dia nohazonin’i+ Amnona ka nilazany hoe: “Avia hanao firaisana+ amiko, ranabavy.”+ 12  Hoy anefa izy taminy: “Tsia, ranadahy! Aza mampietry ahy,+ fa tsy fanao eto amin’ny Israely izany.+ Aza manao izany hadalana manala baraka izany.+ 13  Fa hoentiko aiza moa ny fahafaham-barakako? Ary ianao kosa hitovy amin’ireo lehilahy tsisy saina eto amin’ny Israely. Koa miresaha re amin’ny mpanjaka e! Fa tsy handa ny hanome ahy ho anao izy.” 14  Tsy nety nihaino ny teniny anefa i Amnona fa natanjaka noho izy, ka nampietry azy+ ary nanao firaisana taminy.+ 15  Ary nanjary nankahala azy mafy dia mafy i Amnona, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Koa hoy i Amnona taminy: “Mitsangàna! Ndeha mandeha any!” 16  Dia hoy i Tamara: “Tsia, ranadahy! Fa mbola ratsy kokoa noho ny zavatra nataonao tamiko teo izao fandroahanao ahy izao.” Tsy nety nihaino an-drazazavavy anefa izy. 17  Dia nantsoiny ny mpanompony izay nikarakara azy, ka hoy izy: “Roahy hiala eto amiko io olona io, azafady, ary hidio ny varavarana.” 18  Nanao akanjo mitsipitsipika+ tsy misy tanany i Tamara tamin’izay, fa izany no fanaon’ny zazavavy virjiny zanaky ny mpanjaka. Dia namoaka azy tany ivelany ny mpanompon’i Amnona, ka nanidy ny varavarana. 19  Dia nasian’i Tamara lavenona+ ny lohany, ary norovitiny ilay akanjo lava mitsipitsipika nanaovany. Ary niloloha tanana izy+ ka lasa nandeha, sady nitomany teny am-pandehanana. 20  Koa hoy i Absaloma+ anadahiny taminy: “I Amnona+ anadahinao ve no nanao izao taminao? Mangìna ihany, ranabavy, fa anadahinao izy.+ Ary aza afantoka amin’izany ny fonao.” Dia nitoetra tao an-tranon’i Absaloma anadahiny i Tamara, ka tsy nifandray tamin’olona mihitsy. 21  Ary ren’i Davida Mpanjaka izany rehetra izany,+ ka tezitra be izy.+ 22  Ary tsy nifampiteny tamin’i Amnona mihitsy i Absaloma. Halan’i+ Absaloma mantsy izy, noho ny nampietreny an’i Tamara anabaviny. 23  Rehefa afaka roa taona katroka, dia nampanety ny ondriny+ tany Bala-hazora any akaikin’i Efraima+ i Absaloma. Ary nasainy daholo ny zanakalahin’ny mpanjaka.+ 24  Koa nankao amin’ny mpanjaka i Absaloma, ka nilaza hoe: “Mampanety ny ondriny ny mpanomponao izao, ka aoka mba hiaraka amin’ny mpanomponao ny mpanjaka sy ny mpanompony.” 25  Hoy anefa ny mpanjaka tamin’i Absaloma: “Tsia, anaka! Aoka re tsy handeha izahay rehetra, sao ho enta-mavesatra ho anao.” Na dia niangavy azy fatratra+ aza i Absaloma, dia tsy nety nandeha izy, fa nitso-drano+ azy. 26  Farany, dia hoy i Absaloma: “Raha tsy handeha àry ianao, dia mba avelao hiaraka aminay re i Amnona rahalahiko!”+ Dia hoy ny mpanjaka: “Nahoana izy no handeha hiaraka aminao?” 27  Ary mbola niangavy+ azy indray i Absaloma, ka nalefan’ny mpanjaka hiaraka taminy ihany i Amnona sy ny zanakalahin’ny mpanjaka rehetra. 28  Ary nanome baiko ny mpanompony i Absaloma hoe: “Miomàna, fa raha vao falifaly noho ny divay+ ny fon’i Amnona, ka miteny aminareo aho hoe: ‘Asio i Amnona!’, dia vonoy ho faty izy. Aza matahotra.+ Tsy izaho ve no manome baiko anareo? Koa mahereza, ary aoka hahery fo ianareo.” 29  Koa araka izay nandidian’i Absaloma no nataon’ny mpanompony tamin’i Amnona.+ Ary nitsangana daholo ny zanakalahin’ny mpanjaka, ka samy nitaingina ramole, dia nandositra. 30  Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia nisy nilaza tamin’i Davida hoe: “Novonoin’i Absaloma daholo ny zanakalahin’ny mpanjaka, ka tsy nisy niangana na iray aza.” 31  Koa nitsangana ny mpanjaka, ka nandrovitra ny akanjony+ ary nandry teo amin’ny tany.+ Ary nijoro teo akaikiny ny mpanompony rehetra, samy rovitra akanjo avokoa.+ 32  Hoy anefa i Jonadaba+ zanak’i Simea+ rahalahin’i Davida: “Aoka ny tompoko tsy hieritreritra hoe ny tovolahy rehetra zanaky ny mpanjaka no novonoina ho faty, fa i Amnona ihany no maty.+ Noho ny baikon’i Absaloma mantsy no nahatonga izany. Fa zavatra efa nokendrena+ hatramin’ilay andro nampietren’i Amnona+ an’i Tamara anabaviny+ izany. 33  Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy handatsaka am-po ilay teny hoe: ‘Maty daholo ny zanakalahin’ny mpanjaka’, fa i Amnona ihany no maty.” 34  Dia lasa nandositra i Absaloma.+ Ary nanopy ny masony ilay tovolahy mpitily,+ ka indreny nisy olona maro avy teny amin’ilay lalana tao andamosiny, teny amin’ny tehezan-tendrombohitra. 35  Dia hoy i Jonadaba+ tamin’ny mpanjaka: “Indreny fa tonga ny zanakalahin’ny mpanjaka! Araka ny tenin’ny mpanomponao tokoa ny zava-nitranga.”+ 36  Raha vao tapitra ny teniny, dia indreo fa tonga ny zanakalahin’ny mpanjaka. Ary nidradradradra nitomany izy ireo. Nitomany be koa ny mpanjaka sy ny mpanompony rehetra. 37  Fa i Absaloma kosa nandositra ho any amin’i Talmay+ zanak’i Amihoda, mpanjakan’i Gesora.+ Ary nisaona+ an-janany foana i Davida nandritra ny andro maro. 38  Dia nandositra tany Gesora+ i Absaloma, ka nijanona tany telo taona. 39  Farany dia te hahita mafy an’i Absaloma i Davida Mpanjaka. Efa nampionon-tena tamin’ny nahafatesan’i Amnona mantsy izy.

Fanamarihana