2 Samoela 14:1-33

14  Ary tsapan’i Joaba+ zanak’i Zeroia+ fa manimanina an’i Absaloma ny fon’ny mpanjaka.+  Koa nampaka vehivavy hendry+ tany Tekoa+ i Joaba, ka nilaza taminy hoe: “Aoka ianao mba hisaona ka hanao akanjo fisaonana, ary tsy hihoso-menaka.+ Ataovy toy ny hoe vehivavy efa nisaona nandritra ny andro maromaro ianao.+  Ary midira ao amin’ny mpanjaka, ka izao lazaina aminy.” Dia nolazain’i Joaba taminy izay tokony holazaina.+  Koa nankao amin’ny mpanjaka ilay vehivavy tekoita, dia niondrika ka niankohoka tamin’ny tany,+ ary niteny hoe: “Vonjeo,+ ry mpanjaka ô!”  Ary hoy ny mpanjaka taminy: “Fa maninona ianao?” Dia hoy izy: “Mpitondratena+ aho, fa efa maty ny vadiko.  Nanan-janaka roa lahy ny mpanompovavinao. Ary niady tany an-tsaha+ izy ireo, nefa tsy nisy nanasaraka.+ Farany dia namely ny iray ny iray, ka namono azy ho faty.  Ary manohitra ny mpanompovavinao ny fianakaviana manontolo, ka miteny foana hoe: ‘Atolory ilay namely ny rahalahiny, mba hovonoinay ho faty noho ny amin’ny rahalahiny+ izay novonoiny.+ Ary aleo hofongoranay mihitsy ny mpandova!’ Dia hovonoin’izy ireo ny vainafoko sisa tavela, mba hahatonga ny vadiko tsy hanana anarana na taranaka intsony etỳ ambonin’ny tany.”+  Ary hoy ny mpanjaka taminy: “Modia any an-tranonao, fa izaho no hanome baiko momba anao.”+  Dia hoy ilay vehivavy tekoita: “Aoka ho ahy sy ny ankohonan-draiko ny fahadisoana,+ ry mpanjaka tompoko ô, fa tsy hanan-tsiny kosa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany.” 10  Ary hoy indray ny mpanjaka: “Raha misy miteniteny anao, dia ento atỳ amiko izy. Amin’izay dia tsy haninona anao intsony izy.” 11  Hoy anefa ravehivavy: “Aoka ny mpanjaka mba hahatsiaro an’i Jehovah Andriamanitrao,+ sao vao mainka hahatonga fahavoazana ny mpamaly ra,+ ary sao hovonoin’ny olona ny zanako lahy!” Dia hoy ny mpanjaka: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ dia tsy hisy ho latsaka amin’ny tany ny singam-bolon’ny+ zanakao na iray aza.” 12  Ary hoy ravehivavy: “Mba avelao ny mpanompovavinao+ hiteny kely+ amin’ny mpanjaka tompoko.” Dia hoy izy: “Mitenena àry!”+ 13  Ary hoy ravehivavy: “Koa nahoana ianao, ry mpanjaka, no nanao zavatra tsy mitondra soa+ ho an’ny vahoakan’Andriamanitra?+ Manameloka anao ny teninao,+ satria tsy mamerina an’ilay zanakao noroahinao ianao.+ 14  Tsy maintsy ho faty isika,+ ka ho toy ny rano araraka amin’ny tany, izay tsy azo raofina intsony. Andriamanitra anefa tsy hamono olona,*+ sady izy efa nitady antony hamerenana an’izay voaroaka, mba tsy ho voaroaka lavitra azy. 15  Ary tonga hilaza izany teny izany amin’ny mpanjaka tompoko aho, satria nampitahotra ahy ny olona. Koa hoy ny mpanompovavinao: ‘Aleo aho hiresaka amin’ny mpanjaka. Angamba hanaraka ny tenin’ny mpanompovaviny izy. 16  Koa satria efa nihaino ahy ny mpanjaka, ka hanafaka ny mpanompovaviny eo am-pelatanan’ilay olona izay te handringana ahy sy ny zanako lahitokana tsy ho eo amin’ny lova nomen’Andriamanitra’,+ 17  dia hoy ny mpanompovavinao: ‘Aoka ny tenin’ny mpanjaka tompoko hanome fampiononana.’ Fa tahaka ny anjelin’Andriamanitra+ ny mpanjaka tompoko, raha ny amin’ny fanavahana ny tsara sy ny ratsy.+ Ary homba anao anie i Jehovah Andriamanitrao!” 18  Dia hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: “Aza misy afenina ahy, azafady, izay hanontaniako anao.”+ Ary hoy ravehivavy: “Aoka àry hiteny ny mpanjaka tompoko.” 19  Dia hoy ny mpanjaka: “Momba anao ve i Joaba+ amin’izao zava-drehetra izao?”+ Dia hoy ravehivavy: “Raha mbola velon’aina koa ianao,+ ry mpanjaka tompoko ô, dia marina tokoa izay voalazanao. Fa i Joaba mpanomponao no nandidy ahy, ary izy no nilaza izany teny rehetra izany mba holazain’ny mpanompovavinao.+ 20  Ny hampiova ny fahitana an’ilay raharaha mantsy no nanaovan’i Joaba mpanomponao izao zavatra izao. Hendry anefa ny tompoko, fa toy ny fahendren’ny anjelin’Andriamanitra+ ny fahendrenao, mba hahafantarana ny zava-drehetra eto an-tany.” 21  Taorian’izay, dia hoy ny mpanjaka tamin’i Joaba: “Hanao izany zavatra izany tokoa aho ankehitriny.+ Koa mandehana, alaivo i Absaloma zatovo ka ento miverina atỳ.”+ 22  Dia niondrika i Joaba ka niankohoka tamin’ny tany. Ary nisaotra ny mpanjaka izy+ hoe: “Fantatry ny mpanomponao androany fa mahazo sitraka aminao aho,+ ry mpanjaka tompoko, satria nanaraka ny tenin’ny mpanompony ny mpanjaka.” 23  Dia nitsangana i Joaba ka nankany Gesora,+ ary nentiny ho any Jerosalema+ i Absaloma. 24  Hoy anefa ny mpanjaka: “Aoka izy ho any an-tranony, fa tsy mahazo mahita ny tavako izy.”+ Dia nankany an-tranony i Absaloma, ka tsy nahita ny tavan’ny mpanjaka. 25  Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy+ tahaka an’i Absaloma teo amin’ny Israely rehetra, eny, tsy nisy lehilahy nodokafana fatratra toa azy. Tsy nisy tsininy izy hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany. 26  Rehefa nohetezany ny volon-dohany, dia nolanjainy ka sekely roanjato* no lanjany araka ny vatomizana tao an-dapa. Noharatany mantsy ny lohany isaky ny faran’ny taona, satria navesatra be taminy.+ 27  Ary i Absaloma niteraka telo lahy+ sy vavy iray atao hoe Tamara. Tsara tarehy be ilay zazavavy.+ 28  Ary nipetraka roa taona katroka tao Jerosalema i Absaloma, nefa tsy nahita ny tavan’ny mpanjaka.+ 29  Koa nampiantso an’i Joaba i Absaloma mba hirahiny ho any amin’ny mpanjaka, nefa tsy nety tonga izy. Dia nampiantso fanindroany i Absaloma, nefa mbola tsy nety ihany izy. 30  Farany, dia hoy i Absaloma tamin’ny mpanompony: “Hitanareo ilay tanin’i Joaba mifanila amin’ny ahy izay misy vary orza maniry? Mandehana dory!”+ Dia nodoran’ny mpanompon’i Absaloma ilay tany.+ 31  Koa nankany an-tranon’i Absaloma i Joaba, ka niteny taminy hoe: “Fa maninona ny taniko no nodoran’ny mpanomponao?” 32  Dia hoy i Absaloma tamin’i Joaba: “Naniraka olona tany aminao aho, hilaza hoe: ‘Tongava atỳ, mba hirahiko ho any amin’ny mpanjaka, hanao hoe: “Inona fotsiny no nahatongavako avy any Gesora?+ Naleo ihany aho nijanona tany. Avelao aho hahita ny tavan’ny mpanjaka, ka raha misy fahadisoako,+ dia aoka izy hamono ahy ho faty.”’” 33  Koa nankao amin’ny mpanjaka i Joaba ka niteny taminy. Dia nantsoin’ny mpanjaka i Absaloma, ka nankao aminy. Ary niondrika teo anatrehan’ny mpanjaka izy, ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany. Dia nanoroka an’i Absaloma ny mpanjaka.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
2,3 kg eo ho eo.