2 Samoela 15:1-37

15  Taorian’izany, dia nampanao kalesy ho an’ny tenany i Absaloma. Ary nanana soavaly sy mpihazakazaka dimampolo lahy izy, nandeha teo alohany.+  Ary nifoha maraina i Absaloma,+ ka nitsangana teo amoron’ny lalana mankeo am-bavahady.+ Rehefa nisy olona nanana raharaha hoentina hotsaraina eo anatrehan’ny mpanjaka,+ dia nantsoin’i Absaloma izy ka nilazany hoe: “Avy any aninona ianao?” Dia hoy ilay olona: “Avy amin’ny iray amin’ireo fokon’ny Israely ny mpanomponao.”  Dia hoy i Absaloma taminy: “Marina sy ara-drariny ny adinao, nefa tsy misy olona notendren’ny mpanjaka hihaino anao.”+  Hoy koa i Absaloma: “Raha mba izaho mantsy no voatendry ho mpitsara eto amin’ity tany ity,+ dia ho atỳ amiko izay olona manana ady sy raharaha hotsaraina, ka hotsaraiko ara-drariny izy!”+  Rehefa nisy koa nanatona mba hiankohoka teo anatrehany, dia natsotrany ny tanany ka noraisiny ilay olona+ sady norohany.  Toy izany foana no nataon’i Absaloma tamin’ny Israelita rehetra, izay nankany amin’ny mpanjaka mba hotsaraina. Koa nambabo ny fon’ny Israelita i Absaloma.+  Rehefa tapitra ny efapolo taona, dia niteny tamin’ny mpanjaka i Absaloma hoe: “Mba avelao aho hankany Hebrona+ hanefa ny voady nataoko tamin’i Jehovah.+  Fa nivoady+ ny mpanomponao, fony aho nipetraka tany Gesora+ any Syria, nanao hoe: ‘Raha ampodin’i Jehovah any Jerosalema tokoa aho, dia hanao fanompoana ho an’i Jehovah.’”+  Dia hoy ny mpanjaka taminy: “Mandehana soa aman-tsara àry.”+ Koa niainga ho any Hebrona i Absaloma. 10  Ary nandefa mpitsikilo+ nanerana ny foko rehetran’ny Israely i Absaloma, hilaza hoe: “Raha vao renareo ny feon’ny anjombona, dia milazà hoe: ‘Lasa mpanjaka+ ao Hebrona+ i Absaloma!’” 11  Ary nisy roanjato lahy avy ao Jerosalema lasa niaraka tamin’i Absaloma. Nantsoina izy ireo dia nandeha, nefa tsy nanampo na inona na inona+ sady tsy nahalala na inona na inona. 12  Rehefa nanolotra ny sorona i Absaloma, dia nampanantsoiny koa i Ahitofela+ Gilonita,+ mpanolo-tsain’i Davida,+ avy any Gilo+ tanànany. Dia nihamafy hatrany ilay fikomiana,+ ary nihamaro+ hatrany ny mpomba an’i Absaloma. 13  Ary nisy nilaza vaovao tamin’i Davida, hoe: “Efa babon’i Absaloma hanaraka azy ny fon’ny+ Israelita.” 14  Koa avy hatrany dia hoy i Davida tamin’ny mpanompony rehetra niaraka taminy tao Jerosalema: “Andao handositra,+ fa tsy hahita fomba hialana amin’i Absaloma intsony isika! Andao haingana, sao ho avy haingana izy ka hahatratra antsika, dia hataony mahita loza isika ary hasiany amin’ny lelan-tsabatra ny tanàna!”+ 15  Dia hoy ny mpanompon’ny mpanjaka taminy: “Indreto izahay mpanomponao, vonona hanao araka izay safidin’ny mpanjaka tompoko.”+ 16  Koa lasa ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny ankohonany manontolo.+ Ary nanajanona vadikely+ folo ny mpanjaka, mba hikarakara ny trano. 17  Dia nanohy ny diany ny mpanjaka sy ny olona rehetra nanaraka azy. Ary nijanona kely tao Beti-meraka izy ireo. 18  Dia niampita teo anatrehan’ny mpanjaka ny mpanompony rehetra. Niampita teo anatrehany koa ny Keretita rehetra sy ny Peletita+ rehetra ary ny Gatita+ rehetra, dia eninjato lahy izay efa nanaraka azy avy tany Gata.+ 19  Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Itahy+ Gatita: “Nahoana ianao no hiaraka aminay? Mandehana miverina,+ ary mitoera any amin’ny mpanjaka, fa hafa firenena ianao sady voatery niala tany amin’ny nisy anao. 20  Vao omaly ve ianao no tonga dia efa hoentiko mirenireny+ miaraka aminay sahady androany, hankany amin’izay halehako? Mandehana miverina, ary ento miaraka aminao ireo rahalahinao. Dia haneho hatsaram-panahy feno fitiavana+ aminao anie i Jehovah, sady hasehony aminao koa anie fa mendri-pitokisana+ izy!” 21  Hoy anefa i Itahy tamin’ny mpanjaka: “Raha mbola velona koa i Jehovah, ary raha mbola velona koa ny mpanjaka tompoko,+ dia any amin’izay hisy ny mpanjaka tompoko no hisy ny mpanomponao koa, na ho faty na ho velona!”+ 22  Dia hoy i Davida taminy:+ “Mandehana àry miampita.” Koa niampita i Itahy Gatita, mbamin’ny olony rehetra sy ny zaza madinika rehetra niaraka taminy. 23  Ary nitomany mafy daholo ny mponin’ilay tany.+ Dia niampita ny olona rehetra, fa ny mpanjaka kosa nitsangana teo amoron’ny lohasaha falehan-driakan’i Kidrona.+ Koa niampita teo amin’ny lalana mankany an-tany efitra ny olona rehetra. 24  Teo koa i Zadoka,+ ary niaraka taminy ny Levita+ rehetra nilanja+ ny Vata+ misy ny fifanekena nataon’Andriamanitra. Dia napetrak’izy ireo teo akaikin’i Abiatara+ ny Vata masin’Andriamanitra, mandra-piampitan’ny olona rehetra avy ao an-tanàna. 25  Hoy anefa ny mpanjaka tamin’i Zadoka: “Ento miverina ao an-tanàna+ ny Vata masin’Andriamanitra.+ Fa raha mahazo sitraka amin’i Jehovah aho, dia tsy maintsy hoentiny miverina koa ka havelany hahita an’ilay Vata sy ny toerana misy azy.+ 26  Raha milaza kosa anefa izy hoe: ‘Tsy sitrako ianao’, dia intỳ aho, fa hekeko izay hataony amiko.”+ 27  Hoy koa ny mpanjaka tamin’i Zadoka mpisorona: “Tsy mpahita+ moa ianao? Miverena soa aman-tsara ao an-tanàna, ary ento miaraka aminareo izy roa lahy zanakareo, dia i Ahimaza zanakao sy Jonatana+ zanak’i Abiatara. 28  Hijanonjanona eo amoron’ny rano marivo fiampitana any an-tany efitra aho, mandra-pilazanareo vaovao amiko.”+ 29  Koa nentin’i Zadoka sy Abiatara niverina tao Jerosalema ny Vata masin’Andriamanitra, ary nitoetra tao foana izy ireo. 30  Ary niakatra nanaraka an’ilay fiakarana atao hoe Oliva+ i Davida, sady nitomany teny am-piakarana. Ary nisaron-doha+ izy sady nandeha tsy nanao kapa. Nisaron-doha koa ny olona rehetra niaraka taminy. Dia niakatra izy ireo sady nitomany teny am-piakarana.+ 31  Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe: “Anisan’ireo miray tetika+ amin’i Absaloma+ koa i Ahitofela.” Dia hoy i Davida:+ “Jehovah ô,+ mba ovao ho hadalana re ny torohevitr’i Ahitofela e!”+ 32  Rehefa tonga teny an-tampony i Davida, teo amin’ny toerana fiankohofan’ny olona tamin’Andriamanitra, dia tonga hitsena azy i Hosay+ Arkita,+ ary rovitra ny akanjo lava nanaovany sady nihosim-bovoka ny lohany.+ 33  Hoy anefa i Davida taminy: “Raha miampita miaraka amiko ianao, dia ho enta-mavesatra ho ahy.+ 34  Fa raha miverina ao an-tanàna kosa ianao, ka milaza amin’i Absaloma hoe: ‘Mpanomponao aho, ry Mpanjaka ô! Efa mpanompon’ny rainao aho tamin’izany fotoana izany, fa mpanomponao kosa ankehitriny’,+ dia hampandamòka+ ny torohevitr’i Ahitofela ianao, ka hanampy ahy. 35  Tsy miaraka aminao any moa i Zadoka sy Abiatara mpisorona?+ Koa lazao amin’i Zadoka sy Abiatara mpisorona izay zavatra rehetra mety ho renao avy ao an-tranon’ny mpanjaka.+ 36  Miaraka amin’izy ireo ny zanany roa lahy, dia i Ahimaza+ zanak’i Zadoka sy Jonatana+ zanak’i Abiatara. Koa amin’ny alalan’izy roa lahy no handefasanareo atỳ amiko izay rehetra mety ho renareo.” 37  Dia nankao an-tanàna i Hosay, naman’i Davida.+ Ary niditra tao Jerosalema i Absaloma.+

Fanamarihana