2 Samoela 16:1-23

16  Rehefa tafahoatra kely an’ilay tampom-piakarana i Davida,+ dia tonga nitsena azy i Ziba+ mpanompon’i Mefiboseta,+ sady nitondra ampondra roa+ voaisy lasely. Ary teo ambonin’ireo dia nisy mofo roanjato,+ sy mofo zato vita tamin’ny voaloboka maina,+ sy mofo zato vita tamin’ny voankazo masaka fahavaratra,+ ary divay eran’ny siny lehibe.+  Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Ziba: “Fa inona no dikan’ireo zavatra entinao ireo?”+ Ary hoy i Ziba: “Ny ampondra dia hitaingenan’ny ankohonan’ny mpanjaka, ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra dia hohanin’ny tovolahy,+ ary ny divay kosa hosotroin’izay reraka+ any an-tany efitra.”+  Dia hoy ny mpanjaka: “Ary aiza ilay zanakalahin’ny tomponao?”+ Dia hoy i Ziba: “Any Jerosalema izy, fa hoy izy: ‘Haverin’ny taranak’Israely amiko izao ny fanjakan’ny raiko.’”+  Ary hoy ny mpanjaka: “Anao ny zava-drehetra izay an’i Mefiboseta.”+ Dia hoy i Ziba: “Miankohoka+ eto anatrehanao aho. Aoka hahazo sitraka aminao aho, ry mpanjaka tompoko.”  Ary tonga hatrany Bahorima+ i Davida Mpanjaka. Dia nivoaka avy ao ny lehilahy iray anisan’ny havan’i Saoly. Simey no anarany,+ ary zanak’i Gera izy. Nivoaka avy ao izy sady nanozona.+  Dia nitora-bato an’i Davida sy ny mpanompon’i Davida Mpanjaka rehetra izy. Ary teo ankavanan’ny mpanjaka sy teo ankaviany ny olona rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra.  Ary sady nanozona i Simey no niteny hoe: “Ndeha mandeha any! Ndeha mandeha any, ry lehilahy mpandatsa-dra+ sady tsy manjary!+  Natsingerin’i Jehovah aminao ny heloka rehetra tamin’ny nandatsahana ny ran’ny ankohonan’i Saoly, izay nodimbiasanao teo amin’ny fanjakana. Atolotr’i Jehovah eo an-tanan’i Absaloma zanakao izao ny fanjakana. Koa hidiran-doza ianao, satria lehilahy mpandatsa-dra!”+  Farany dia hoy i Abisay zanak’i Zeroia+ tamin’ny mpanjaka: “Nahoana io alika maty+ io no avela hanozona ny mpanjaka tompoko?+ Mba avelao aho hankeny hanapaka ny lohany.”+ 10  Hoy anefa ny mpanjaka: “Misy zavatra iombonako aminareo angaha moa,+ ry zanak’i Zeroia?+ Avelao izy hanozona,+ satria i Jehovah no niteny taminy hoe:+ ‘Ozòny i Davida!’ Koa iza no tokony hiteny hoe: ‘Nahoana ianao no nanao toy izao?’”+ 11  Hoy koa i Davida tamin’i Abisay sy ny mpanompony rehetra: “Ny zanako naterako aza mifofo ny aiko,+ koa mainka fa izay Benjaminita!+ Avelao izy! Aleo izy hanozona, satria i Jehovah no niteny izany taminy. 12  Angamba hijery+ ny mason’i Jehovah, dia hanao soa amiko indray i Jehovah, ka tsy hampanan-kery izao ozon’i Simey androany izao.”+ 13  Dia nanohy ny lalany i Davida sy ny olony, fa i Simey kosa nandeha tandrifiny teny amin’ny tehezan-tendrombohitra, mba hanozona azy.+ Ary nandeha tandrifin’i Davida izy, ka sady nitora-bato foana no nanipy vovoka be dia be.+ 14  Farany dia nijanona haka aina ny mpanjaka sy ny olona rehetra niaraka taminy, fa reraka.+ 15  Ary niditra tao Jerosalema i Absaloma sy ny olona rehetra, dia ny lehilahy israelita.+ Ary niaraka taminy i Ahitofela.+ 16  Raha vao tonga tao amin’i Absaloma i Hosay+ Arkita,+ naman’i Davida,+ dia hoy izy tamin’i Absaloma: “Ho ela velona anie ny mpanjaka!+ Ho ela velona anie ny mpanjaka!” 17  Dia hoy i Absaloma taminy: “Izao ve no hatsaram-panahy feno fitiavana asehonao amin’ny namanao? Fa nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin’ny namanao?”+ 18  Ary hoy i Hosay: “Tsy niaraka taminy aho, fa izay nofidin’i Jehovah sy izao vahoaka izao ary ny lehilahy israelita rehetra, no ho tompoko, ary hitoetra miaraka aminy aho. 19  Mbola averiko indray hoe: Iza no hotompoiko? Tsy eto anatrehan’ny zanany ve? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan’ny rainao, no hanompoako eto anatrehanao koa.”+ 20  Dia hoy i Absaloma tamin’i Ahitofela: “Mba manomeza soso-kevitra ianareo.+ Inona no hataontsika?” 21  Ary hoy i Ahitofela taminy: “Manaova firaisana amin’ireo vadikelin-drainao,+ izay najanony hikarakara ny trano.+ Dia ho ren’ny Israely rehetra fa nataonao izay hankahalan’ny+ rainao+ anao, ka hahery ny tanan’izay+ rehetra momba anao.” 22  Koa nananganan’izy ireo tranolay teo an-tampon-trano i Absaloma,+ ka nanao firaisana tamin’ireo vadikelin-drainy+ teo imason’ny Israely rehetra.+ 23  Ary toy ny hoe torohevitra azo rehefa nanontany an’Andriamanitra, ny torohevitra nomen’i Ahitofela tamin’izany andro izany. Na tamin’i Davida na tamin’i Absaloma, dia toy izany ny torohevitra+ rehetra nomen’i Ahitofela.+

Fanamarihana