2 Samoela 17:1-29

17  Ary hoy i Ahitofela tamin’i Absaloma: “Mba avelao aho hifidy lehilahy roa arivo sy iray alina, ka handeha hanenjika an’i Davida anio alina.+  Dia hotafihiko izy rehefa reraka sy miraviravy tanana,+ ka hampihorohoroiko. Dia handositra ny olona rehetra miaraka aminy, ary hamely ny mpanjaka aho, rehefa izy irery sisa no tavela.+  Ary aoka hoentiko miverina atỳ aminao ny olona rehetra. Miankina amin’izay manjo an’ilay lehilahy tadiavinao mantsy, no hiverenan’izy rehetra. Dia handry feizay ny olona rehetra.”  Ary nankasitrahan’i Absaloma+ sy ny anti-panahy rehetran’ny Israely izany teny izany.  Hoy anefa i Absaloma: “Antsoy koa i Hosay+ Arkita, azafady, mba hohenointsika izay lazainy.”  Koa nankao amin’i Absaloma i Hosay. Ary hoy i Absaloma taminy: “Izany no nolazain’i Ahitofela, ka hanaraka ny teniny ve isika? Raha tsia, dia mba mitenena ianao.”  Dia hoy i Hosay taminy: “Tsy tsara ny torohevitra nomen’i Ahitofela tamin’ity indray mandeha ity!”+  Hoy koa i Hosay: “Fantatrao tsara fa mahery ny rainao sy ny olony,+ ary tezitra+ toy ny orsavavy very anaka any an-tsaha izao ry zareo.+ Miaramila mpiady koa ny rainao,+ ka tsy hatory miaraka amin’ny vahoaka.  Miafina+ any an-davaka izy izao na any an-toeran-kafa. Ary raha izy no manafika voalohany, dia hiely ny resaka hoe: ‘Resy ny mpanaraka an’i Absaloma!’ 10  Koa halemin’ny tahotra+ na dia ny olona mahery fo, izay manana fo toy ny fon’ny liona+ aza. Fantatry ny Israely rehetra mantsy fa lehilahy mahery+ ny rainao, ary toy izany koa ireo lehilahy mahery fo miaraka aminy.+ 11  Koa izao no torohevitra omeko: Aleo hangonina atỳ aminao ny Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba,+ izay maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina,+ ary ianao mihitsy koa no ho any an’ady.+ 12  Ary hanafika an-drainao any amin’izay toerana azo antoka fa hahitana azy isika,+ ka hirotsaka aminy toy ny ando+ mirotsaka amin’ny tany. Dia tsy hisy hiangana ry zareo, na izy na ny olona rehetra miaraka aminy. 13  Ary raha mandositra mankany amin’ny tanàna iray izy, dia hitondran’ny Israely rehetra tady izany tanàna izany, ka hotaritaritintsika midina any amin’ny lohasaha falehan-driaka. Dia tsy hisy na vatokilonjy iray aza ho tavela ao amin’ilay tanàna.”+ 14  Dia hoy i Absaloma sy ny lehilahy israelita rehetra: “Tsara+ noho ny torohevitr’i Ahitofela ny an’i Hosay Arkita!” I Jehovah anefa no efa nanapa-kevitra+ ny hampandamòka ny torohevitr’i+ Ahitofela, na dia tsara aza ilay izy,+ mba hampidiran’i Jehovah loza+ amin’i Absaloma. 15  Ary hoy i Hosay tamin’i Zadoka+ sy Abiatara mpisorona: “Izany sy izany no torohevitra nomen’i Ahitofela an’i Absaloma sy ny anti-panahin’ny Israely. Ary izao sy izao kosa no nomeko. 16  Koa maniraha olona haingana hilaza amin’i Davida+ hoe: ‘Aza mitoetra eny amin’ny lemaka karakaina any an-tany efitra anio alina fa miampità,+ sao ho ripaka+ ny mpanjaka sy ny olona rehetra miaraka aminy.’” 17  Ary nijoro teo En-rogela+ i Jonatana+ sy Ahimaza,+ satria tsy sahy niseho tao an-tanàna. Koa nisy mpanompovavy lasa niteny tamin’izy roa lahy. Dia lasa izy ireo, satria tsy maintsy hilaza amin’i Davida Mpanjaka. 18  Nisy tovolahy iray anefa nahita azy ireo ka niteny tamin’i Absaloma. Koa lasa haingana izy roa lahy, ary tonga tany an-tranon’ny lehilahy iray tao Bahorima.+ Nanana lavadrano teo an-tokotaniny ralehilahy, ka nidina tao anatin’io izy roa lahy. 19  Avy eo dia namelatra zavatra asarona ny vavan’ilay lavadrano ny vadin-dralehilahy. Navangongony teo amin’ilay sarony koa ny voam-bary mbola tsy voatoto tsara.+ Ary tsy nisy nahafantatra izany. 20  Dia tonga tao an-tranon-dravehivavy ny mpanompon’i Absaloma, ka niteny hoe: “Aiza i Ahimaza sy Jonatana?” Dia hoy ravehivavy: “Nandalo teto ry zareo, dia lasa any amin’ny renirano any.”+ Ary nitady azy roa lahy foana izy ireo fa tsy nahita,+ ka lasa niverina tany Jerosalema. 21  Rehefa lasa izy ireo, dia nivoaka avy tao amin’ilay lavadrano izy roa lahy, ka lasa niteny tamin’i Davida Mpanjaka hoe: “Mandehana haingana ianareo miampita ny renirano, fa izao no torohevitr’i Ahitofela+ hamelezana anareo.” 22  Avy hatrany dia niainga i Davida sy ny olona rehetra niaraka taminy, ka niampita ny Reniranon’i Jordana mandra-pahazavan’ny andro.+ Koa tsy nisy olona tsy tafita an’i Jordana na iray aza. 23  Ary hitan’i Ahitofela fa tsy narahina ny toroheviny,+ dia nasiany lasely ny ampondra, ka lasa nankany an-tranony tany an-tanànany izy.+ Ary namela hafatra tamin’ny ankohonany izy,+ dia nananton-tena+ ka maty.+ Koa nalevina+ tao amin’ny fasan-drazany izy. 24  Ary tonga tany Mahanaima+ i Davida, fa i Absaloma sy ny lehilahy israelita rehetra niaraka taminy kosa niampita an’i Jordana. 25  Ary i Amasa+ no notendren’i Absaloma ho lehiben’ny tafika hisolo an’i Joaba.+ I Amasa dia zanak’ilay lehilahy israelita atao hoe Jitra,+ izay nanao firaisana tamin’i Abigaila,+ zanakavavin’i Nahasy sady rahavavin’i Zeroia renin’i Joaba. 26  Ary nitoby tany Gileada+ ny Israely sy Absaloma. 27  Ary raha vao tonga tao Mahanaima i Davida, dia indreo ry Soby zanak’i Nahasy avy any Raban’ny+ taranak’i Amona,+ sy Makira+ zanak’i Amiela+ avy any Lo-debara, ary Barzilay+ Gileadita avy any Rogelima.+ 28  Nitondra fandriana sy koveta ary vilany tany izy ireo, ary koa varimbazaha sy vary orza sy lafarinina+ sy voam-bary natono+ sy tsaramaso be+ sy lantihy+ ary voam-bary nasaly. 29  Ary tantely+ sy dibera+ sy ondry ary fromazy vita tamin’ny rononon’omby, no naroson’izy ireo hohanin’i Davida sy ny olona niaraka taminy.+ Hoy mantsy izy ireo: “Noana sy reraka ary mangetaheta ny olona tany an-tany efitra.”+

Fanamarihana